Coventry dia tanàna indostrialy anglisy anyWest Midlands,Angletera,Fanjakana Mitambatra. Miaraka amin'ny mponina 379.000 eo ho eo, i Coventry dia laharana faha-11 amin'ireo tanàna be mponina indrindra ao Fanjakana Mitambatra.
Coventry dia misy 153 kilometatra avaratrandrefan'iLondona ary 39 kilometatra atsinanan'iBirmingham.
Tamin'ny 14 Novambra 1940, nyLuftwaffe alemà dia nanao fanafihana baomba mahery vaika tao Coventry. Orinasa maotera fiaramanidina no nokendrena voalohany indrindra, fa koa orinasa mpanamboatra mekanika sy fiara maro hafa.
Ankoatra ny ampahany lehibe amin'ny afovoan-tanàna, trano 4.330 sy fananana ara-kolontsaina tsy azo soloina toy ny Katedraly St. Michael tamin'nyAndro Antenantenany no rava. Olona 568 no maty ary 850 no naratra mafy.