Mariky nyEast India Company tany amin' ny taona 1700 any ho any.
NyBritish East India Company (taloha:East India Company) dia orinasam-barotra anglisy, avy eo britanika, niorina tamin' ny taona 1600 ary rava tamin' ny taona 1874, niforona mba hisahana raharaham-barotra aty amin' ny faritry nyRanomasimbe Indiana, tamin' ny voalohany tamin' iIndia Atsinanana (nyZana-Kôntinenta Indiana sy iAzia Atsimo Atsinanana)[1], ary taty aoriana tamin' iAzia Atsinanana. Ity orinasa ity dia niorina tamin' ny 31 Desambra 1600 araka ny didin' ny mpanjakavavyElizabeth I any Angletera izay nanome azy ny fanaovana ampihimamba ny varotra aty amin' ny Ranomasimbe Indianina nandritra ny 20 taona.
Ity orionasa ity dia laharana voalohany tamin' ny orinasa eorôpeana niorina tamin' ny taonjato faha-17 mba hanafihana sy hakana an' i India Atsinanana sy hanjakazaka amin' ny fanaovana raharaham-barotra amin' iAzia, izay nifaninana tamin' nyVereenigde Oostindische Compagnie ("Orinasa Hôlandein' i India Atsinanana"), ary nisongona nyCompagnie française des Indes orientales ("Orinasa Frantsain' i India Atsinanana") izay rava tamin' ny fakàny ny fananan' ity orinasa ity any India, sady tafavoaka tamin' ny fahasahiranana ara-bola lehibe. Nandray anjara betsaka tamin' ny fitsanganan' nyEmpira Britanika izy.
Lasa orinasa ara-barotra matanjaka indrindra tamin' ny androny nyBritish East India Company ary nahazo ny fahefana ara-miaramila sy ara-pitantanan-draharaha amin' ny fitantanana ny fari-tany indiana midadasika. Voadona mafy tamin' ny fivoarana ara-toekarena sy ara-pôlitika tamin' ny taonjato faha-19 izy ka nihena tsikelikely ny tanjany ary rava tamin' ny taona 1858 taorian' ny fikomian' ny sepôy (miaramila indiana niasa tao amin' ny tafiky ny firenena tandrefa).
Avy any amin' ny foibeny anyLôndra, dia nipaka hatrany amin' nykôntinenta rehetra ny heriny: izy dia nitarika ny famoronana an' i India Britanika (Brtish Indies) sy ny Raj Britanika, nanorina an' iHong Kong sy iSingaporo, nampiely ny fambolenadite tanyIndia sy ny fampiasana ny rongonyopium tanySina, nitazona an' iNapoléon ho babo tao Saint Helena[2], ary nandray anjara mivantana tamin' nyBoston Tea Party[3] izay nanombohan' ny ady ho an' ny fahaleovantenan' i Etazonia.
↑NyBoston Tea Party dia fikomiana taoBoston, renivohitry ny Faritanin' i Massachusetts Bay, nanohitra ny Antenimiera Britanika tamin' ny taona 1773, izay nisakanan' ny mponina tao ny sambo tsy hampidina entana, ary tsy maintsy niverina tanyAngletera niaraka tamin' nydite rehetra ny sambo, afa-tsy ireo sambo nijanona tao Boston.