Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Brezila

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'nyBrazila)
((pt))
((pt))
Repoblika Federalin'i Brezila((mg))
Sain'i Brezila image_lien_drapeau =Mari-piandrian'i Brezila
([[Sain'i Brezila

image_lien_drapeau =|Antsipirihany]])

(Antsipirihany)
Teny filamatra: Ordem e Progresso
Malagasy : « Fandriam-pahalemana sy Fandrosoana »
Teny ofisialyfiteny Portogey
RenivohitraBrasília
Tanàna ngeza indrindraSão Paulo,Rio de Janeiro
Fitondrana sy governemanta
 -filoha
Repoblikafederaly
Luiz Inácio Lula da Silva
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 5
8 547 877(IBGE)km²
0,65 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2009)
 -hakitroka
faha 5
191 043 661 mpo.
21,6 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponinaBrezilianina
IDH (2007) 0,807 (ambony) faha 70
Sandam-bolaReal (BRL)
Faritr'oraUTC -2 hatramin'i -4
Hiram-pirenenaHino Nacional Brasileiro
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+55

NyBrezila naBrezily, naRepoblika Federalin' i Brezila, dia firenena ngeza indrindra sy mivelatra indrindra anyAmerika Latina. Atao hoeBrasil izy amin' nyteny pôrtogey. IBrasilia no renivohiny. Manana velarana mirefy 8 547 400 km² sy mponina maherin' ny 190 tapitrisa izy, ka mahatonga azy ho firenena fahadimy amin' ny lafiny velarantany sy amin' ny lafiny isan' ny mponina. Azy ny antsasaky ny velaran' iAmerika Atsimo ary mizara sisin-tany amin' ny firenena rehetra aoAmerika Atsimo afa-tsy iSilia sy nyEkoadôra izy.


Ny Brezila no zanatany pôrtogey voalohany mandritry ny taonjato maro, ankehitriny, io irery no lovan' nyPôrtogaly anyAmerika, amin' ny fisehon' ny kolontsaina sy ny teny ôfisialy, ny teny pôrtogey.

Sarin-tanin' i Brezila

Firenena katôlika sy miteny pôrtogey ngeza indrindra, mpikambana ao amin' nyCPLP izy. Nyfiteny pôrtogey dia teny voalohany any Amerika Atsimo noho ny demôgrafia brezilianina.

Mizara roa ny vohon-tanin' i Brezila: ny lembalemba breziliana sy ny faritanin-dranon' iAmazôna (ilay ony lava indrindra eto an-tany mirefy 6 400 km). Ny faritr' iAmazônia no mandrakotra ny 60 % amin' ny tanin' i Brezila ka ny ala ao aminy dia ahitana karazan-javamaniry maro indrindra eto an-tany (miisa 1,5 tapitrisa ny karazan-javamaniry hita ao).

Isan-karazany ny mponina ao Brezila: hita ao ny fotsy hoditra manam-piaviana eorôpeana (55 %), ny safiotra manam-piaviana eorôpena sy mainty hoditra (22 %), ny safiotra manam-piaviana eorôpeana sy amerindiana (12 %), ny mainty hoditra (11 %) ary nyAmerindiana (0,1 %). Tamin' ny taona 1960 dia nafindra anyRio de Janeiro ny renivohi-pirenena ba hanomezana lanja indray ny any afovoan-tany.

Tamin' ny taona 2008 i Brezila dia firenena faha-11 ara-toekarena izay mananaharin-karena faobe 1 572 839 Md USD, ao aorian' iEspaina na 2,42 %-n' ny harin-karena faoben' izao tontolo izao.

I Brezily no firenena voalohany maneran-tany mpamokatrakafe betsaka indrindra sady mananaharena an-kibon' ny tany be dia be. Loharanon-karen' i Brezila koa ny alan' i Amazônia; miteraka fanimbana ala be anefa ny fitrandrahana izany tafahoatra ka atahorana hiteraka fikorontanan' nytontolo iainana (indrindra vokatry ny faharinganan' ny karazan-javamaniry sy karazam-biby maro). I Brezily no firenena matanjaka ara-toekarena indrindra ao Amerika Atsimo nefa lehibe loatra ny tsy fitovian' ny fari-piainan' ny mponina.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Brezila&oldid=1088556"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp