Araka nylovantsofina dia iEzra (naEsdrasa) no nanoratra ity boky mitondra ny anarany ity. Jiosybabo tany Babilôna izay niverina an-taniny taoJerosalema tamin' ny taona 428 tal. J.K. i Ezra. Nisahana anjara asa lehibe teo amin’ ny fanavaozana nyfivavahana jiosy taorian' ny Fahababoana izy.
Mihevitra ny manam-pahaizana fa nosoratan' olona iray ihany nyBokin' ny Tantara roa (voalohany syfaharoa) sy sy nyBokin' i Ezra ary nyBokin' i Nehemia. Mihevitra koa izy ireo fa nanovo tamina loharano maro io mpanoratra io, izay atao hoe "ilay Mpitantara" (na "Krônista") indraindray, ka tokony ho anisan' izany nyRaki-pitadidian' i Ezra sy ny tahirin-tsoratra tao amin' nyTempoly.
Mety tany amin' ny taona 399 tal. J.K. no nahavitan' ny boky tamin' ny voalohany, nefa nitohy ny fanitsiana izany taorian' io nandritra ny taonjato maro alohan' ny nidirany ho anisan' nySoratra Masina ao amin' ny fivavahana kristiana[1]. Fara-fahatarany tamin' ny taona 300 tal. J.K no nahavitan' nyBokin' i Ezra.
Tamin' ny voalohany dia nitambatra ho boky tokana nyBokin' i Ezra sy nyBokin' i Nehemia ary nyBokin' ny Tantara roa ka mety olona iray no nanoratra azy rehetra ireo. Mifarana amin' ny fitantarana ny fiafaran' nyFahababoana tany Babilôna nyBokin' ny Tantara, izay mamintina ny ampahany be amin' nytantaran' ny Jiosy. NyBokin' i Ezra sy nyBokin' i Nehemia kosa dia miresaka momba ny zato taona manaraka.
NyBokin' i Ezra dia nitambatra tamin' nyBokin' i Nehemia izay mirakitra ny tantaran' iIsraely hatramin' ny andron' iAdama. Izany no atao hoeEzra-Nehemia. Tsy nanasaraka ny boky roa ny dikan-teny grikan' nyBaiboly jiosy atao hoeSeptoaginta (naSeptanta). NyVolgata (latina:Vulgata), izay Baiboly amin' ny dikan-teny latina, dia nanasaraka azy ireo ka nanome anarana ny voalohany hoeEsdrasa I (na Ezra I) sy ny faharoa hoeEsdrasa II (naEzra II).
Miantso ho amin' ny fanamboarana ny Tempoly iEzrà, sary nataon' i Julius Schnorr von Karolsfeld
Ny fizaràna voalohany dia mitantara ny fiverenan' nyJiosy (naJody) avy any an-tsesitany sy ny fanamboarana nyTempoly faharoa. Fotoana eo anelanelan' ny nitondran' iKirôsy (naSirosy) mpanjaka sy ny nanokanana ny Tempoly faharoa izany.
Babo miisa 42 360, miaraka amin' ny mpanompony sy lehilahy amam-behivavy mpihira, no nody avy anyBabilôna ho anyJerosalema sy Jodà teo ambany fitarihan' iZôrôbabela (naZerobabela) sy i Jôsoa (na Jôsoe) mpisoron-dehibe. Misy ny lisitr' ny olona nody io toko io.
I Jôsoa sy i Zôrôbabela nanamboatra ny alitara (toko faha-3)
Nanamboatra nyaltara (na ôtely) ary nankalaza ny andron-danonan' nyTabernakely i Jôsoa, ilay mpisoro-dehibe, sy i Zôrôbabela. Tamin' ny taona faharoa, dia voapetraka ny fanorenan' ny Tempoly ary nizotra tamin-kafaliana ny fanokanana. Manoritsoritra ny fanamboarana ny Tempoly, izay tsy voatantara antsipiriany afa-tsy ao amin' nyBokin' i Hagay (naBokin' i Akjea) sy ao amin' nyBokin' i Zakaria, ity toko ity.
Taratasin' ny Samaritana tamin' i Artakserksesy (toko faha-4)
Te hanampy amin' ny fanamboarana nyTempoly ny fahavalon' iJodà sy iBenjamina, nefa tsy navela hanao izany. Noho izany dia nanao izay hanembantsembanana ny mpanamboatra ny Tempoly izy ireo. Nampahalala an-taratasy an' iArtakserksesy ny solo-mpanjaka taoSamaria fa andalam-pahavitana iJerosalema, dia namoaka didy ny mpanjaka fa ajanona ny fanamboarana. Tsy nitohy ny asa raha tsy tamin' ny taona faharoa naha mpanjaka an' iDariôsy.
Taratasy nalefan' i Tatenay tany amin' i Dariôsy (toko faha-5)
Noho ny famporisihana nataon' ny mpaminanyHagay (naAkjea) syZakaria, dia nanomboka indray ny fanamboarana ny Tempoly iZerobabela sy i Jôsoa. Nanoratra sy nampandre an' iDariôsy i Tatenay, governoran' iJodà sySamaria, fa andalam-pahavitana ny Tempoly sady nanoro hevitra azy hitady ny tahirin-tsoratra mba hahitana ny didy nataon' iKirôsy.
Didy nataon' i Kirôsy sy didy nataon' i Dariôsy (toko faha-6)
Hita ilaydidim-panjakana notadiavina, ka nandidy an' i Atenay iDariôsy mba tsy hanakorontana nyJiosy amin' ny fanamboarana ny Tempoly. Nanampy azy ireo amin' ny zavatra ilaina amin' ny fanatitra koa ny mpanjaka. Vita nyTempoly tamin' ny fahenin-taona nitondran' i Dariôsy, ary niangona nyIsraelita mba hankalaza izany fahavitany izany.
Mamaky ny Lalàna i Ezra, sary nataon' i Julius Schnorr von Karolsfeld
Miresaka ny amin' ny famitana iraka nataon' iEzra (naEsdrasa), izay tsy inona fa fandaminana ny vahoaka jiosy miaraka amin' iNehemia ity fizaràna ity. Marihina fa miady hevitra ny manam-pahaizana ny amin' ny mpanjakaArtakserksesy izay resahina eto ka mahatonga ny fotoam-podian' i Ezra avy anyBabilôna ho amin' ny taona 398 na 397 tal. J.K.
Taratasin' i Artakserksesy nalefa tamin' i Ezra (toko faha-7)
Nirahin' Andriamanitra handefa an' iEzra ny mpanjakaArtakserksesy mba hanontany an' i Jodà sy i Jerosalema ny amin' ny lalàn' ny Andriamaniny sy hanendry mpahay lalàna sy mpitsara mba hitsara ny vahoaka monina eny ampitan' ny onyEofrata, dia ireo izay mahafantatra ny lalàn' Andriamanitra. Nanomevolamena maro an' i Ezra i Artakserksesy sady nanome toromarika ny manam-pahefanapersiana mba hanampy azy.
Volamena sy volafotsy ary fanaka ho an' ny Tempoly (toko faha-8)
Namory ny mpiray tanidrazana aminy hody an-tanin-drazana iEzra sady nanangonavolamena syvolafotsy ary fanaka sarobidy maro ho entina any amin' nyTempoly anyJerosalema. Hitany tamin' izay fa tsy nisyLevita tao ka nandefa iraka mba hamory azy ireo izy. Nody noho izany tany Jerosalema ny babo, ka ao izy no nizara ny volamena sy ny volafotsy ary nanaofanatitra amin' Andriamanitra. Omen' ity boky ity ny lisitr' ny olona niara-dia amin' i Ezra.
Ny lehilahy Jiosy nanambady vehivavy jentilisa (toko faha-9)
Nisy nitantara tamin' iEzra fa misy amin' ny Jiosy efa ao Jerosalema no naka vady vehivavytsy jiosy. Nalahelo noho izany fahotana izany i Ezra ka nivavaka sady nifona tamin' Andriamanitra.
Fampodiana ny vehivavy tsy jiosy sy ny zanany (toko faha-10)
Niezaka nandresy lahatra ny vahoaka i Ezra mba hanary ireo vadyjentilisa ireo ka na dia nisy aza ny sakantsakana nataon' ny Israelita sasany, dia niangona ny rehetra sady tapa-kevitra fa handroaka ny vady aman-janany izay tsy iray firazanana aminy.
Marihina fa misyboky apôkrifa napseodepigrafa mitondra ny anaran' iEzra (naEsdrasa) nefa heverina araka ny lovantsofina fa tsy nosoratany. Miovaova ny anaran' ireo boky ireo sy ny laharana ahafantarana azy, dia ireo aseho anatin' ny fafana eto ambany miaraka amin' nyBokin' i Ezara sy nyBokin' i Nehemia.