Nyfoto-pampianarana teravada dia manazava ny fomba atao hidiran' ny tena amin' ny fanafahana amin' ny alalan' ny fiovana hoarahant (olona nafahana vokatry ny fanarahana ny lalana ampianatin' nyBodà na dia tsy manana ny fahalalana ny zavatra rehetra), hobodhisattva (olona mikatsaka tokoa ho tonga bodà ka hampianatra amin' ny alalan' ny fanatanterahana nypāramitā) na hosambuddha ("bodà tongalafatra", olona izay miditra amin' ny fifohazana sy afaka mampianatra noho ny fananany fahazoana tongalafatra ny fampianaran' i Bodà).
Mitsipaka tanteraka ny fisian' nyAndriamanitrampamorona sy mahery indrindra izany foto-pampianarana izany. Tsipahiny koa ny amin' nyfamonjena azo amin' ny alalan' ny fanoloran-tena sy ny fivavahana amin' ny sisan-javatra avy amin' ny maty. Tsy misy afaka mahazo ny fahazavana ara-panahy avy amin' ny olon-kafa na zavatra hafa tsy ny tena samirery, ny tena samirery no tokony hitady ny marina, ka tokony harahina ny Ariya Aṭṭhaṅgika Magga ("Lalana Valososona Manan-kaja": teny marina, asa marina, fivelomana marina, ezaka marina, fahatsiarovan-tena marina, fifantohana ao amin' ny fifohazana, fomba fijery marina, ary eritreritra marina).