Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Bobo-Dioulasso

Avy amin'i Wikipedia
Seranam-piaran-dalambin' i Bobo-Dioulasso

IBobo-Dioulasso dia tanàna any tapany andrefana amin' iBorkina Fasô sady foibem-pitantanan' ny Faritanin' i Houet. Eo amin' ny lembalemba manakaiky ny sisin' ny lalamby mamakivaky an’ ilay firenena avy anyKôtidivoara mankanyNizera i Bobo-Dioulasso izay ivon-toeran’ ny raharaham-barotra ho an' ny vokatry ny fambolena avy amin' io faritra io (voanjo,voan' antsingeny (sesame),taretra, biby fiompy). Anisan’ ny vokatra lehibe indrindra any nykofehy landihazo, ny vokatry ny taozavatra metaly, ny menaka zavamaniry, nysavony, nysokay arybiriky.

Naorin’ nyBôbô, vahoaka tatsaha, tamin' ny taonjato faha-11 ilay tanàna izay nivoatra nanomboka tamin' ny fahatongavan' nyDiola tamin' ny taonjato faha-15, ary vetivety dia lasa foibe ara-barotra lehibe, izay nivorian' ny mpivarotra isan-karazany samy hafa fiaviana. Taloha dia fantatra amin' ny anarana hoe Sya ity tanàna ity izay nifaninana tamin' ny foibe ara-barotra ao Kong (any avaratr' iKôtidivoara ankehitriny) ilay tanàna izay niroborobo. Lasa teo ambany fifehezan’ ny Frantsay ilay tanàna tamin’ ny taona 1897. Novana anarana hoe Bobo-Dioulasso ("tanànan’ ny Bôbô sy ny Diola") izy io tamin’ ny faran’ ny taonjato faha-19.

I Bobo-Dioulasso dia mananamôskea maromaro sy ivon-toeram-pikarohana maromaro, anisan' izany ny Centre d’Etudes Economiques et Sociales d’Afrique de l’Ouest  ("Foiben' ny Fikarohana ara-Toekarena sy ara-Piarahammonin' i Afrika Andrefana") (1960) sy ny orinasa maro mifandray amin' ny fikarohana momba ny areti-mifindra (epidemiôlôjia), ny geôlôjia ary ny fambolena.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Bobo-Dioulasso&oldid=1049906"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp