Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Benîno

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Benîno

IBenîno naBeninto na nyRepoblikan' i Benîno dia firenena aoAfrika Andrefana, izay manana velarana mirefy 114 764 km2 sady manana halava mirefy 700 km, avy any amin' ny onyNiger ao avaratra mankany amin' ny morontsirakaatlantika any atsimo.

Mari-piandrianan' i Benîno

Mpifanila vodirindrina amin' i Benîno iTôgô ao andrefana, iNijeria ao atsinana, iNijera ao avaratra antsinanana ary iBorkina Fasô ao avaratra andrefana. Mpifanila vodirindrina aminy iTôgô ao andrefana, iNijeria ao atsinana, iNijera ao avaratra antsinanana ary iBorkina Fasô ao avaratra andrefana. Misy mponina miisa 10 741 458 ny ao Benîno tamin' ny taona 2016. IPorto Novo no renivohiny ôfisialy, izay ataon' nyfoko gona hoeXogbonou fa ataon' nyfoko iôroba hoeAdjatchè. Renivohitra ara-toekarena kosa iCotonou. Atao hoeBeninoà ny vahoakan' io firenena io.

I Benîno ao Afrika

Amin' nyteny iôroba dia atao hoeOrílɛ̀-èdè Olómìnira ilɛ̀ Benin izy, fa amin' nyteny gongbe kosa diaBeninto. Azo soratana hoeBenîna koa ny anaran' io firenena io amin' nyteny malagasy.

Fitambarana vondrom-poko maro ny vahoaka ao Benîno, ka ny lehibe amin' izy ireo dia nyFôna (Fon) sy nyAjà (Adja) izay hita indrindra any amin' ny tapany atsimo amin' ilay firenena; ao koa nyBariba (Bariba) sy nySômba (Somba) izay maro anisa any avaratra. Ny ankabeazan' ny mponina dia mipetraka ambanivohitra. Mpanaraka nyfivavahan-drazana ny antsasa-manilan' ny mponina ao Benîno.

Sarin-tanin' i Benîno

Nahazo nyfahaleovantenany feno i Benîno tamin' ny 01 Aogositra 1960, izay nantsoina hoeRepoblikan' i Dahomey. Tamin' ny taona 1972 iMathieu Kérékou no nandray ny fahefana hitondra ny firenena ka nanova ny anarany hoeRepoblilka Entim-Bahoak' i Benîno. Tamin' ny taona 1990 dia nisedra fahasahiranana ara-toekarena i Benîno ka nanova lalàm-panorenana sy niova anarana hoeRepoblikan' i Benîno. Hatramin' ny naharava ilay Repoblika entim-bahoaka dia isan' ny firenenaafrikana atsimon' i Sahara anjakan' nydemôkrasia i Benîno sady isan' ny firenan' i Afrika manana andrim-panjakana marin-toerana indrindra. Nanomboka tamin'ny taona 2025, dia nahafantatra ireo lehibeny nentin-drazana i Bénin.

Nyfranc CFA no vola ampiasainy. Mikambana ao amin' nyCommunauté Economique des États de l' Afrique de l' Ouest (CEDEAO) i Benîno.

Nyfiteny frantsay nofiteny ôfisialin' i Benîno. Mpikambana ao amin' nyOrganisation Internationale de la Francophonie (OIF) koa ity firenena ity.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo -Alzeria -Angôla -Benîno -Borkina Fasô -Borondy -Bôtsoana -Ejipta -Eritrea -Esoatiny (Soazilandy taloha) -Etiôpia -Gabôna -Gambia -Ganà -Ginea -Ginea Bisao -Ginea Ekoatôrialy -Jibotỳ -Kamerona -Kapvera -Kenia -Kômôro -Kôtidivoara -Lezôtô -Liberia -Libia -Madagasikara -Malaoy -Malỳ -Maorisy -Maoritania -Marôka -Môzambika -Namibia -Nizera -Nizeria -Oganda -Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika -Repoblika Demôkratikan' i Kôngô -Repoblikan' i Afrika Afovoany -Repoblikan' i Kôngô -Roanda -Saô Tôme e Prinsipe -Seisely -Senegaly -Siera Leôna -Sodàna -Sodàna Atsimo -Sômalia -Sômalilandy -Tanzania -Tôgô -Tonizia -Tsady -Zambia -Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Benîno&oldid=1100457"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp