Sainan' i BelizyToerana misy an' i BelizySarin-tanin' i Belizy
IBelizy naBeliza dia firenena aoAmerika Afovoany, manana morontsiraka ao amin' nyRanomasina Karaiba. Ny renivohiny dia iBelmopan. Ny tanàna lehibe indrindra dia iBelize City. Mirefy 22 966 km2 ny velarany ary niisa 334 297 ny mponina ao aminy tamin' ny Jolay 2013. Ny faritr' ora dia −6.
Iva sady behonahona ny antsasaky ny velaran-tany ao avaratra. Ny antsasany avaratra kosa ahitana tendrombohitra madinika maro. Ahitanaatoll maro sy sakanaharan-dranomasina ny morontsiraka. Saika ny antsasaky ny velaran-tanin' i Belizy dia rakotra ala. Toetany ambanin-jana-pehin-tany ny toetany any.
Ny mponina any Belizy no kely hakitroka indrindra any Amerika Afovoany. Safiotra ny ankamaroan' ny mponina ka ny tena maro anisa dia ireo manam-piaviana afrikana. Katôlika ny antsasa-manilan' ny mponina, betsaka ihany koa ny Prôtestanta.
Miompana amin' nyfambolena ny toekaren' i Beliza ka ny tena volena any dia nyfary izay amokaranasiramamy, nyvary ny hazo fihinam-boa. Ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo sy ny famokarana sy fandrafetana hazo ary ny fanenomana lamba no taozava-baventy manjaka any.
Zanataty britanika taloha i Belizy (nantsoina hoeHôndorasy Britanika izy tamin' izany fotoana izany) izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1981. Mpikambana ao amin' nyCommonwealth izy. Ny mpanjakan' i Angletera no filoham-panjakana izay soloan' ny governera jeneraly tena any.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.