Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Batisan-jaza

Avy amin'i Wikipedia

Nybatisan-jaza nabatemin-jaza dia fampianarana kristiana izay ilazana fa tsy maintsy ataobatisa na batemy ny zaza, eny fa na dia ny zaza vao teraka aza. Mifanohitra amin' nybatisan'ny mino izay mampianatra ny batisa ho tsy tokony hatao afa-tsy amin' ny olona nahavita fanambaràna ny finoany izany. Ny ankamaroan' ny antokom-pivavahana kristiana dia manao batisa ny zaza. Nyfiangonana katôlika, nyfiangonana loterana, nyfiangonana nohavaozina, nyfiangonana ôrtôdôksa sy ny maro hafa dia manatanteraka fanaovam-batisan-jaza. Izany fanao izanay dia tsipahin' ireo fiangonana prôtestanta sasany, indrindra nyAnabatista, nyMenônita, nyBatista, nyVavolombelon' i Jehovah ary ny ankamaroan' ireofiangonana evanjelika.

Teo amin' ny tantara dia nanohana izany fanaovana batisa ny zaza izany iZwingli ka tsy nifanarahany tamin' nyAnabatista izany, ka nilazany fa tsy misy lalàna mandrara ny fanaovana izany. Nanazava iZwingli fa ny batisa dia famantarana ny fanekem-pihavanana amin' Andriamanitra, ka misolo ny famorana ao amin' nyTestamenta Taloha.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Batisan-jaza&oldid=1001493"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp