Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Bareina

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Bareina
Saritanin' i Bareina
Sarin-tanin' i Bareina

IBareina diafirenena aoAtsinanana Akaiky, ao amin’ nyHoala Persika, anyAzia. Ny renivohiny dia iManama izay sady tanàna lehibe indrindra ao koa. Mirefy 765,3 km2 ny velarany, ary niisa 1 501 635 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2021. Ny faritr' ora dia +3. Atao hoeBareiniana ny vahoaka ao.

I Bareina dia foronina tangoro-nosy ahitananosy miisa 33; manodidina ny folo amin' ireo nosy ireo no tsy misy mponina. Ny nosy lehibe indrindra, izay antsoina hoe Bareina (Bahrein), dia mifampitohy amin' iArabia Saodita amin' ny alalan' ny tetezana-fefiloha (atao hoe "Tetezan' ny Fihavanana"). Maina nytoetany any: eo amin’ ny 25 °C eo ny sala-maripana isan-taona, nefa mety mihoatra ny 45 °C izany.

Firenena kely velarana i Bareina ka izy no firenena arabo makitroka mponina indrindra (mihoatra ny 1 000/km² ny mponina). NyArabo no maro anisa ao nefa ahitana mpitady ravinahitra maro koa ao (40 %n' ny mponina) avy any amin' nyZana-Kôntinenta Indiana sy avy anyAzia Atsinanana ny ankabetsahan' izy ireo.Mozilmana ny ankamaran’ ny mponina any Bareina. Nyfiteny arabo no fiteny ôfisialy any.

Nysolitany sy nyetona voajanahary no tena miatoka ny toekaren' i Bareina. Maro nybanky miorina ao amin' io firenena io. Ambony dia ambony ny fari-piainan' ny mponina any Bareina.

Fanjakana mahaleo tena niala avy tamin' iFanjakana Mitambatra (Britanika) i Bareina nanomboka tamin' ny taona 1971. Atao hoeemira ny mpitondra ilay firenena, ka izany no iatsoana azy hoe "emirata".

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna -Arabia Saodita -Armenia -Azerbaijàna -Bangladesy -Bareina -Botàna -Broney -Emirata Arabo Mitambatra -Filipina -Iemena -India -Indônezia -Iràka -Iràna -Israely -Japàna -Jôrdania -Kambôdia -Katara -Kazakstàna -Kirgizistàna -Kôety -Kôrea Atsimo -Kôrea Avaratra -Laôsy -Libàna -Maldiva -Malezia -Mianmara -Môngôlia -Nepaly -Ômàna -Ozbekistàna -Pakistàna -Palestina (fanjakana) -Rosia -Sina -Singaporo -Siria -Srilanka -Tailandy -Taioàna -Tajikistàna -Torkia -Torkmenistàna -Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Bareina&oldid=1080979"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp