Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Bagdad

Avy amin'i Wikipedia

33°19′52″N44°26′01″E / 33.33100°N 44.43367°E /33.33100; 44.43367

Bagdad
Velarantany204,2km2
Tanàn-dehibeNC
Ben'ny tanànaSaber Nabet Al-Essawi
FirenenaIraka
FanjakanaNC
FaritanyNC
FaritraNC
Tanàna mifanolo-bodirindrinaBaghdad

IBagdad naBaghdad dia tanàna renivohitr' iIràka, miorina ao afovoany atsinanan' ilay firenena ary mahatazana ny morony havia amin' ny onyTigrisy na Tigra.

Toekarena

[hanova |hanova ny fango]

Tanàna lehibe indrindra ho an’ ny taozavabaventy anyIràka i Bagdad izay manana orinasa mpanadiosolitany, mpamokatra sakafo, mpandona hoditra ary mpanao kofehy. Ny famokarana asa tanana nentim-paharazana (zaitra, fanefena firavaka, asa hoditra, arykaripetra, indrindraindrindra) dia amidy eny amin' nybazary, izay mampiavaka an’ ilay tanàna.

I Bagdad no fihaonan' nyfitaterana ana habakabaka sy amin’ ny lalana aryan-dalamby ao amin' ilay firenena. Sedrain' ny fahatondrahan’ ny onyTigrisy na Tigra ity tanàna ity na dia teo aza ny fanamboarana fefiloha hiarovana azy. Ny fanamboarana ny tohodranon’ i Samarra sy ny lakandrano fanarian-dranon’ i Wadi tamin’ ny taona 1956 no nahafahana nanao fanorenana vaovao.

Endriky ny tanàna

[hanova |hanova ny fango]

Amin' ny vavahady fefy malaza, izay naorina tamin' ny taonjato faha-11, dia ny Vavahady Afovoany ihany no mbola mijoro, izay novana ho Tranombakoky ny Fitaovam-piadiana. Saripika no sisa tavela amin' ny Vavahadin' ny Talisman, izay simba tamin' ny taona 1917. Ny maozôlean’ i Suhrawardi dia voaorina tamin' ny taona 1234. Ny lapaabasida naorina manodidina ny taona 1179 sy ny sekoly Al-Mustansiriyah, izay kôlejy lehibe momba ny fianarana lalàna naorina tamin' ny taona 1232 izay novana ho tranombakoka ihany koa, dia niharan' ny daroka baomba tamin' ny taona 1991 sy tamin' ny taona 2003.

I Bagdad ihany koa no misy ny kôlejy sy ny Môskea Mirjaniyya (izay nipetrahan' ny tompomenakely mesôpôtamiana maro), ary koa ny tranobe maro naorina vao haingana, toy ny Maozôlean’ i Abu Hanifa sy ny fasan' i Abd al-Kadir. Tanànan’ ny oniversite i Bagdad.

Tantara

[hanova |hanova ny fango]

Andro Antenatenany

[hanova |hanova ny fango]

Nantsoina tamin' ny fomba ôfisialy hoeMadinat al-Salam, (ilay "Tanànan' ny Fiadanana") i Bagdad, izay naorina araka ny fanapahan-kevitry ny kalifaabasida faharoa Al-Mansur tamin' ny taona 762, eo amin' ny morony andrefan' ny onyTigrisy, manoloana ny tanàna kelin' i Bagdad, "la Dieudonnée". Naharitra efa-taona ny fanamboarana azy ary nampiasa olona miisa 100 000 any ho any.

Nanaraka drafitra faribolana manana savaivo 2 km, manana manda telo sosona izy, izay misy vavahady efatra. Lalana malalaka maro no aleha avy eo amin' ireo vavahady ireo mankeo afovoan-tanàna, eo amin’ ny Lapan' ny Kalifa sy eo amin’ ny môskea, voahodidin' ny rindrina voalohany. Ny manda  faharoa dia mametra ny toerana natokana ho an' ny tafika ary ny manda fahatelo no miaro ny mponina. Ny vakin-tanàna natokana ho an’ ny mpivarotra nabazary dia eo ivelan' ireo manda ireo, ao Al-Karkh.

Niroborobo nyh fandrosoan' ilay tanàna tamin' ny fitondran' i kalifaHarun al-Rashid, izay tantaraina ao amin’ nyAnganon' ny Alina Iray amby Arivo. Tamin' ny fahafatesan’ i Harun al-Rashid, ny adim-pandovàm-pitondrana teo amin' ny zanany roa lahy dia nandrava ny ampahany amin’ ilay Tanàna Boribory (812-813). I Bagdad anefa dia nijanona ho foibe ara-barotra sy ara-kolontsaina lehibe ary niroborobo ao ny fampianaranamatematika. Nanomboka tamin' ny 1258 ny fihen-danjan’ ily tanàna rehefa nandroba azy ny miaramilan' ny soltana môngôlyHulagu, zafikelin' iGenghis Khan, ary namono ny kalifaabasida farany.

Andro Vaovao sy ankehitriny

[hanova |hanova ny fango]

Noravan’ iTamerlan, soltana môngôly hafa, indray i Bagdad tamin’ ny taona 1401, sy tamin' ny fitondran’ nySafavida tamin’ ny taona 1508. Tamin’ ny taona 1534 dia azon’ nyTiorka Ôtômana ilay tanàna.

Nalain’ ny Persiana indray i Bagdad tamin’ ny taona 1623 ary nitazona azy io mandra-pahazoan' iTorkia azy indray tamin' ny taona 1638. Tamin’ ny 11 Marsa 1917 dia azon’ ny tafikabritanika izy, ary tamin’ ny taona 1921 dia voafidy ho renivohitry ny Fanjakan' i Iràka i Bagdad, fanjakana izay lasaRepoblikan' i Iràka tamin' ny taona 1958. Nanimba mafy ny tanàna ny daroka baomba tamin' ny Adin' ny Hoala tamin' ny taona 1991.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Bagdad&oldid=1050855"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp