IBāb dia mpivarotra iraniana sady mpitondra fivavahana ary mpanorina ny babisma. Tamin' ny 1844 izy nanambara ny tenany ho "fisehoana vaovaon' Andriamanitra sy ilaymahdi (naal-qāʾim) andrasan' nyMozilmana izy. Nomeny anarana hoe باب / Bāb àry ny tenany, izay midika hoe "varavarana" amin' nyteny arabo. Teraka tamin' ny 20 Ôktôbra 1819 taoShiraz anyIràna ary maty notifirina tamin' ny 9 Jolay 1850 taoTabriz., any Iràna ihany.
Maozolean' ny Bāb eo amin' ny tendrombonitra Karmela aoHaifa any Israely.
Tamin' ny fiantombohan' ny taompolo 1790 tao Iràna dia teraka ny fikambananasiita tia zava-miafina sy mihambo ho manam-pifandraisana mivantana amin' Andriamanitra notarihin' i Šayḫ Aḥmad Aḥsāʾī. Ny mpianany, atao hoeshaykhi, dia nanorina ny fampianarany tamin' ny lafinymetafizikan' ny siisma sady nitsikera ny fiankinan' ny mpitondra fivavahana maro anisa tafahoatra amin' ny lalàna.
Tamin' ny nahafatesan' i Sayyid Kāẓim, mpandimby an' i Šayḫ Aḥmad tamin' ny fitantanana ny sekoly, dia lasa nitady mpampianatra hafa ny sasany tamin' ny mpianany mba hitantana ny fikambanana. Niainga ho anyShiraz ny iray amin' ireo mpianatra ireo, dia i Mullā Ḥusayn, taorin' ny efapolo andro nanaovana vavaka sy fifadian-kanina.
Noraisin' ny mponina izay nanasa azy hiantrano ao aminy i Mullā Ḥusayn tamin' ny 22 Mey 1844 rehefa tonga tany. Rehefa avy nanontany ny anton-dian' ny vahiny izany olona izany dia nilaza ny tenany ho ilay olona tadiavin' i Mullā Ḥusayn. I Sayyid ʿAlī Muḥammad Šīrāzī dia mpivarotra tao Shiraz izay 25 taona ka nilaza ny tenany fa ny fisehoana vaovaon' Andriamanitra sady ilay Mahdi nandrasana hatrizay (naQāʾim).
Nitondra ny anaram-boninahitra hoeBāb (باب ), izay midika hoe "varavarana" izy (izany hoe varavarana idirana mankany amin' ny fahamarinana), ary notifirin' ny manampahefana tao Iràna ka maty, araka ny faneren' ireo mpitondra fivavahana shiita, enin-taona taty aoriana taoTabriz.
I Mullā Ḥusayn no mpianatry ny Bāb voalohany. Tao anaty fotoana fohy dia niampy fito ambin' ny folo izany (ka ny iray aminy dia vehivavy atao hoe Tahira). Treraka tamin' izany fotoana izany nybabisma. Ireo mpianatra valo ambin' ny folo volohany ireo no fantatra hatrami' izay ao amin' ny babisma hoe "Taratasin' ilay Velona" na "Soratr' ilay Velona". Ny votoatin' ny hafatry ny Bāb dia ny fahantomotry ny fahatongavan' "Ilay hahariharin' Andriamanitra" (man yuẓhiruh Allāh), ilay nampanantenaina tao amin' ny fanambaràn'i reo fivavahana tany aloha. Isan' ny mpianatry ny Bāb iBahāʾ-Allāh mpanorina ny finoana bahay ka nanambara ny tenany ho ny fahatanterahan' ny faminanian' ny Bāb.
Nybabisma na finoana baby dia fihetseketsehana ara-pivavahana mpitondra fanitsiana symilenarista naorin' iBāb, tao amin' ny tanànan' i Shiraz aoIràna tamin' ny 23 Mey 1844.
Firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin' ny sampanasiita, izay manao fampianarana mifanohitra amin' nyfinoana silamo be mpanaraka ny babisma. Amin' ny fanambaran' ny Bāb, dia fisehoan' Andriamanitra avokoa nympaminany rehetra ary izy tenany dia mitovy amin' iMohamady. Ny babisma dia niely haingana taoPersia, ka nahatratra hatramin' ny tantsaha farany tsotra ka hatramin' ny manam-pahaizana ambony. Ny mpitondra fivavahanasiita niaraka amin' ny governemanta persana dia nanenjika amin-kabibiana ny mpanaraka ny finoana baby. Tsy misy afa-tsy mpianatra vitsivitsy ankehitriny sisa amin' ny mpianatr' i Bāb. AoIràna sy aoOzbekistàna no tena ahitana azy ireo.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.