Ara-tantara dia nisy akony tao amin' ny kolontsain' ny firenena ao Azia Atsinanana iSina, indrindra momba nyvoambolana sy ny fanoratana ary nyfinoana sy nyfivavahana. Ny fototr' izany kolontsaina izany dia ao amin' ny tapany atsinanan' i Sina, nySaikanosy Kôreana ary iJapàna, maro mantsy ny zavatra itovian' ireo faritra sy firenena ireo, toy ny:
Ny fielezan' ny kolontsaina sinoa nankany atsinanana (Kôrea sy Japàna) dia efa tamin' ny taonjato faha-6. Ny fielezan' izany mankanyMôngôlia sy anyAndrefana tamin' ny taonjato faha-11 niaraka amin' ny dinastia Yuan avy amin' nyMôngôliana noho ny ezak' iGengis Khan.
Tamlin' ny taona 2016 dia nisy mponina miisa 1,6 tapitrisa ny tany Azia Atsinanana, ka 21,8 % amin' ny mponina maneran-tany izany. Izy no faritra faharoa ahitana mponina betsaka indrindra aorian' iAzia Atsimo.
Taona
Azia Atsinanana
Maneran-tany
Isanjato
1950
666 586 000
2 525 149 000
26,4 %
1960
788 145 000
3 018 344 000
26,1 %
1970
978 113 000
3 682 488 000
26,6 %
1980
1 173 372 000
4 439 632 000
26,4 %
1990
1 368 592 000
5 309 668 000
25,8 %
2000
1 496 284 000
6 126 622 000
24,4 %
2010
1 575 320 000
6 929 725 000
22,7 %
2016
1 618 778 000
7 432 663 000
21,8 %
Noho nytaham-piterahana izay ambany dia ambany dia tsy mitsaha-midina ny isanjaton' ny mponina ao Azia Atsinanana raha ampitahaina amin' ny isan' ny mponina maneran-tany. Fanampin' izany dia faritra ahitana fihanteran' ny mponina haingana indrindra i Azia Atsinanana.