Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Artakserksesy III

Avy amin'i Wikipedia
Sary sokitra maneho an' i Artakserksesy III ao amin' ny fasany anyPersepôlisy any Iràna.

IArtakserksesy III dia mpajakapersiana tao amin' ny fianakavia-mpajakaakemenida, izay nanjaka teo anelanelan' ny taona 358 sy 338 tal.J.K. IArtakserksesy II no nodimbiasiny ary iArsesy (naArtakserksesy IV) no nandimby azy.

Atao hoe Ἀρταξέρξης, /Artaksérksês io anarana io amin' nyteny grika, izay avy amin' ny anarana amin' nyteny persana tranainy hoeArtaxšacā (amin' ny teny persana: اردشیر یکم /Ardeshir).

I Artakserlsesy III dia zanak' iArtakserksesy II sady mpandimby azy teo amin' ny fitondrana. Nampankatoaviny ny fahefany ireo solontenam-panjakana (satrapa) any amin' ny faritany (satrapia) izay nitady hahazo fahaleovantena. Mba hametrahany ny fahefany aoFoinikia (na Fenisia) dia nodorany ny tanànan' iSidôna tamin' ny taona 344 tal. J.K. Tafasaraka tamin' ny Empira Persiana i Egipta talohan' ny nitondrany, nefa nakambany indray ao amin' io empira io tamin' ny taona 341 tal. J.K. Tamin' ny taona 340 dia namonjy ny tanànan' i Perintôsy any amin' ny morontsiraky nyRanomasin' i Marmara i Artakserksesy III tamin' ny fanafihana sy ny fakan' ny tafika makedôniana izany tanàna izany. Tamin' ny taona 338 tal. J.K. dia maty nopoizinin' ny lehiben' ny mpiambina azy, atao hoe Bagôasy (grika: Βαγώας /Bagôas), i Artakserksesy III .

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Ireo mpanjaka persianaakemenida:

Akemenesy -Teispesy -Kirôsy I -Ariaramnesy -Kambisesy I -Arsamesy -Kirôsy II Lehibe -Kambisesy II -Bardià -Dariôsy I -Kserksesy I -Artakserksesy I -Kserksesy II -Sôgdianôsy -Dariôsy II -Artakserksesy II -Artakserksesy III -Arsesy -Dariôsy III.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Artakserksesy_III&oldid=1051877"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp