Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Arkanjely

Avy amin'i Wikipedia
Ny Arkanjely Mikaela manitsaka an' iLosifera, sary nataon' i Guido Reni, taona 1636.

Nyarkanjely naarikanjely dia karazanaanjely ambony kokoa noho ny anjely hafa. Anjely irahin'Andriamanitra hamita asa lehibe mahakasika ny fifandraisany amin' ny olombelona. Ny arkanjely anefa tsy ny farany ambony amin' ny zava-miaina any an-danitra fa misy izay mahery kokoa noho izy ireo toy nySerafima sy nyKerobima ary misy hafa koa. Miresaka betsaka ny amin' ny anjely sy ny arkanjely ny literatiora sy ny lovantsofina jiosy taorian' nyfahababoan' ny Jiosy tany Babilôna. Miso ny fisian' ny arkanjely koa nyKristiana sy nyMozilmana, ary nyZôrôastriana dia heverna fa mino ny fisian' ny arkanjely (amesha spenta) izay havarin' ny mpandinika fa nipoiran' ny finoana ny fisian' ny arkanjely.

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Ny teny hoearkanjely dia avy amin' nyteny grika hoeἀρχάγγελος /arkhángelos, izay fitambaran' ny hoeἀρχι- / avy amin' ny teny grikaarkhè (izay midika hoe "filoha" na "fiandohana") sy ny hoeἄγγελος /ángelos izay midika hoe "iraka" na "anjely". Noho izany, ny arkanjely dia lehiben' ny anjely na anjely manana laharam-boninahitra ambony.

Ny arkanjely sy ny fivavahana zôrôastriana

[hanova |hanova ny fango]

Nyfivavahana mazdeana, izay nipoiran' nyzôrôastrisma, dia manao ireo atao hoe "amesha spenta" hoandriamanitra madinika satria mino fisian' andriamanitra maro (pôliteista) ny mpivavaka mazdeana ka iAhura Mazda no andriamani-dehibe ao amin' izy ireo. Ny zôrôatrisma kosa, izay nipoitra avy amin' nymazdeisma, diamônôteista ka i Ahura Mazda dia Andriamanitra tokana fa ny hafa rehetra dia tsy andriamanitra.

Ny fivavahana zôrôastriana dia ahitana finoana ny amin' ny fisian' ny zavamana' aina hafa any an-danitra izay tsy andriamanitra nefa manana ny maha izy azy, dia ireo atao hoe "amesha spenta". Ny hoeamesha dia midika hoe "mandrakizay" na "tsy mety maty", ary ny hoespenta dia "famirapiratana" na "fahamasinana". Ny hoeamesha spenta izany dia midika hoe "masina tsy mety maty". Heverina ho mitovy amin' ny arkanjely ao amin' nyfivavahana jiosy sykristiana arysilamo izy ireo. Mino ny mpanaraka an' iZaratostra (na Zôrôastra) fa miasa eto amin' ity tontolo misy ny olombelona ity ireoamesha spenta ireo mba hiaro sy hitarika aryhanidrimandry ny olombelona sy ny tontolo ara-panahy.

Ao amin' ny fivavahana zôrôastriana, ny lahatsoratra ao amin' nyAvesta,soratra masina ao amin' io fivavahana io sady misy ampahany itambarany amin' ny mazdeisma, dia miresaka ny amin' nyamesha spenta izay miisa fito, eo ambany fahefan' iAhura Mazda. Fahefana na fisehoana manokan' Andriamanitra izay lasa nanana tena sy ny maha izy azy manokana ny amesha spenta, ka ireto avy izy ireo:

  • i Spenta Mainyu ("Fanahy malala-tanana"),
  • i Asha Vahishta ("Fahamarinana faratampony"),
  • i Vohu Mano ("Eritreritra Mahitsy"),
  • i Khshathra Vairya ("Fahefana Irina / Irariana"),
  • i Spenta Armaiti ("Fanoloran-tena masina"),
  • i Haurvatat ("Fahatongalafatra na Fahasalamana"),
  • ary i Ameretat ("Tsy feteza-maty").

NyAvesta no manazava ny niavian' nyamesha spenta sy ny fombany. Tamin' ny fotoana voalohan' nyfamoronana, dia nanokana nyfanahy masina atao hoe Mainyu izay arkanjelin' ny fahamarinana i Ahura Mazda. Nanokana ny amesha spenta enina mba hiaraka amin' ny Spenta Mainyu tamin' ny fanampiana an' i Ahura Mazda amin' ny famoronana izao tontolo izao koa i Ahura Mazda.

Ny arkanjely ao amin' ny fivavahana jiosy

[hanova |hanova ny fango]

Nyteny hebreo ilazana ny anjely dia ny hoemalakh izay midika hoe "mpitondra hafatra". Izy ireo dia mpitondra ny hafatr' Andriamanitra sady hanatanteraka asa isan-karazany: ohatra "anjelin' ny fahafatesana"[1]; sy בני אלוהים /b'nei elohim ("zanak' Andriamanitra") ary הקדושים /ha-q'doshim ("ny masina") dia manondro ny zava-manan' aina na anjely mpamita iraka avy any an-danitra. Ny lahatsoratra taty aoriana dia ahitana ny hoe העליונים (ha-elyonim, "ny avo kokoa" na "ny avo indrindra"). NyBaiboly hebreo dia mampiasa ny teny hoe מלאכי אלוהים /malakhi Elohim izay midika hoe "irak' Andriamanitra" na "anjelin' Andriamanitra"[2].

Ny arkanjely araka nyTanakh

[hanova |hanova ny fango]

NyTestamenta Taloha dia milaza ny fisian' ny arkanjely hafa noho iMikaela naMisely (izay voalaza ho anisan' ny andriana "lehibe" na "lohany" ao amin' nyBokin' i Daniela (Dan. 10:13), fa tsy manondro ny anaran' izy ireo. Amin' ny ankapobeny, ao amin' ny soratrakanônika ao amin' ny Baiboly hebreo dia tsy ahitana filazana mazava ny amin' ny arkanjely ary tsy mahazatra izany, afa-tsy ao amin' ny asa soratra toy ny Bokin' i Daniela, na dia voalaza fohifohy aza izany ao amin' ny tantaran' iJakôba izay niady amin' anjely, sy ao amin' ny tantaran' iLôta izay nampiomanin' ny anjely ny amin' ny handravana an' iSôdôma sy Gômôra. Ny Bokin' i Daniela no boky voalohany manonona ny anjely amin' ny anaran-tsamirery.[3] Roa ny anjely fantatra anarana ao amin' ny boky kanonikan' nyTestamenta Taloha, dia iGabriela naGabriely (ohatra: Dan. 8:16-26) sy i Mikaela na Misely (ohatra: Dan.12:1).

Ny arkanjely araka ny boky apôkrifa

[hanova |hanova ny fango]

Ny boky hafa tsy tafiditra ao amin' nyTanakh no atao hoeboky apôkrifa amin' ny jodaisma. Misy amin' ireo boky ireo ny miresaka betsaka ny amin' ny anjely. Ankoatra ny anjely Mikaela sy Gabriela dia misy anjely iray hafa fantatra anarana ao amin' ny bokydeoterôkanônikan' nyTestamenta Talohan' ny Kristiana, dia iRafaela na Rafaely (jereo:Tôbia 12:15). I Rafaela dia anjely mpanasitrana. Tamin' ny fotoana naha babo nyJiosy tany Babilôna no niresahan' ny Jiosy betsaka ny amin' ny anjely[4]. Araka an' i Rabbi Simeon ben Lakish avy any Tiberiasy (taona 230-270) dia nentin' ny Jiosy avy anyBabilôna ny anaran' ny anjely.

Ao amin' nyBokin' i Henôka

[hanova |hanova ny fango]

NyBokin' i Henôka dia matetika mitanisa arkanjely (1Henôka 9.1):

"Izao avy ny anaran' ny anjelin' ny fahatanjahana: IOriela, anisan' ny anjely masina, dia nampiandraiketina an' izao tontolo izao sy nyfiainan-tsy hita. IRafaela, iray amin' ny anjely masina, miandraikitra nyfanahin' ny olombelona. IRagoela, iray amin' ny anjely masina, izy no hanafay ny tontolon' ny fanazavàna. IMikaela, iray amin' ny anjely masina, dia miandraikitra ny olombelona mpanao ny tsara sy ny vahoaka. ISariela (naSarakiela), iray amin' ny anjely masina, dia miandraikitra ny fanahy manota amin' ny fanahy. IGabriela, iray amin' ny anjely masina, dia miandraikitra nyparadisa sy ny dragona ary nykerobima. IRemiela (naRamiela), iray amin' ny anjely masina, dia nampiandraiketin' Andriamanitra ny fikarakarana ireo izaynitsangan-ko velona".

Ny toko faha-20 ao amin' ny Bokin' i Henôka dia miresaka ny amin' ny anjely masina fito mpiambina, izay heverina ho arkanjely: i Mikaela, i Rafaela, i Gabriela, i Oriela, i Sarakaela, i Ragoela, ary i Remiela[5].

Ao amin' ny Bokin' i Henôka (1Hen. 89:59 ; 90:14) dia voalaza fa nandefa mpiandry ondry na anjely 70 Andriamanitra mba hiandry an' i Israely taorian' ny fahababoana, ka ny arkanjely Mikaela no ho lohan' i Israely.

Nyfivavahana jiosy, araka ny Bokin' i Henôka, dia miresaka ny amin' iMetatrôna izay arkanjely atao hoe "ny avo indrindra amin' ny anjely", na dia tsy voalazan' ny boky kanônika aza izany anarana izany ao amin' ny antokom-pivavahana rehetra misy ao.

Ao amin' nyFiainan' i Adama sy Eva

[hanova |hanova ny fango]

Ny ao amin' ny bokyFiainan' i Adama sy Eva (naApôkalipsin' i Mosesy) dia ahitana ireto anjely ireto: iMikaela, iGabriela, iOriela, iRafaela ary iJôela.

Ao amin' nyBokin' i Tôbia

[hanova |hanova ny fango]

Araka nyBokin' i Tôbia dia misy fito ny arkanjely izay mijoro eo anatrehan' ny voninahitry ny Tompo (Tôbia 12.15).

Ny filôzôfa jiosy atao hoeMaimônida, dia nanao filaharam-boninahitra ho an' ny anjely.

Ny arkajely araka ny firehana samihafa ao amin' ny jodaisma

[hanova |hanova ny fango]

Tamin' ny fivoaran' nyjodaisma taorian' ny fahavitan' ny fanoratana nyTanakh dia nisy anjely sasany izay lasa nanana ny lanjany sy ny asany manokana. Na dia heverina ho nanana ny maha izy azy aza izy ireo dia tsy nisy ny filaharam-boninahitra fantatra momba azy. Ilay anjely atao hoeMetatrôna no heverina fa iray amin' ny anjely lehibe indrindra ao amin' nyMerkavà sy nyKabala sady misahana ny asa fanoratana. Ao amin' ny Kabala dia misy arkanjely folo: iMetatrôna, iRaziela (na iJôfiela), iTsafkiela, iTsadkiela, iHamaela, iRafaela, iHaniela, iMikaela, iGabriela, ary iSandalfôna. Voaresaka fohifohy ao amin' nyTalmoda iMetatrôna.

Ny arkanjely ao amin' ny fivavahana kristiana

[hanova |hanova ny fango]

Satria ny Kristiana nandray ho azy ny boky ao amin' nyTanakh ary nyKatôlika sy nyÔrtôdôksa nandray ny boky hafa sasany ao amin' nySeptoaginta (naSeptanta) hodeoterôkanônika, dia saika mitovitovy nyanjely sy arkanjely inoany sy ny inoan' nyJiosy. Hita indrindra izany raha ny amin' iMikaela sy iGabriela ary iRafaela, na dia eo aza ny fahasamihafana isan' atokom-piangonana.

Ny arkanjely ao amin' ny bokin ' ny Testamenta Vaovao

[hanova |hanova ny fango]

NyTestamenta Vaovao dia tsy mampiasa ny teny hoe "arkanjely" afa-tsy indroa monja ao amin' nyEpistilin' i Joda (Joda 1:9) sy ao amin' nyTesalôniana voalohany (1Tesa. 4:16). NyApôkalipsan' i Joany (Apô. 8:2) dia miresaka ny amin' ny "anjely fito" nefa tsy milaza ny laharam-boninahitr' izy ireo.

Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin' ny devoly ka nifanditra ny amin' ny fatin' i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah". (Joda 1:9 –Ny Baiboly)

"Fa ny tenan' ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin' ny fiantsoana sy ny feon' ny arikanjely ary ny trompetran' Andriamanitra, ka izay maty ao amin' i Kristy no hitsangana aloha" (1Tesa. 4:16 –Ny Baiboly)

"Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan' Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo" (Apô. 8.2,Ny Baiboly).

Ny arkanjely ao amin' ny Fiangonana Katôlika Rômana

[hanova |hanova ny fango]

Tsy nyboky prôtôkanônika ihany no anovozan' ny Katôlika fahalalana ny amin' ny anjely fa ny sasany amin' ny boky ataony hoedeoterôkanônika koa. Telo ny anjely fantatra anarana ao amin' nyFiangonana Katôlika, dia iGabriely (na Gabriela) syMisely (na Mikaela) ary iRafaely (na Rafaela). Ireo telo ireo no noraketin' ny Fiangonana Katôlika taorian' ny Kônsily tao Rôma nampiantsoin' ny papa Zakaria tamin' ny taona 745. I Rafaely dia anaovan' ny Katôlika fety amin' ny 29 Septambra (teo anelanelan' ny taona 1921 sy 1969) fa amin' ny 24 Marsa kosa ho an' i Gabriely ary 24 Ôktôbra ho an' i Rafaely.

NyBoky fahefatr' i Esdrasa, izay miresaka ny amin' ny anjelyOriela (Uriel), dia be mpamaky fahiny tao amin' nyfiangonana tandrefana maro sady matetika resahin' nyRain' ny fiangonana toa an' iAmbrôsio (na Ambroazy). Io boky io anefa tsy anisan' ny atao hoe bokykanônika (tsy anisan' nydeoterôkanônika akory).[6]

Ny Fiangonana Katôlika ihany koa dia tsy manaiky ampahibemaso ny anaran' anjely hita ao amin' nysoratra apôkrifa sasany, ohatra amin' izany iRagaely sy iSarakaely ary iRemiely (ao amin' nyBokin' i Henôka), na iIzidkiely sy iKefarely ao amin' ny loharano hafa mitovy amin' io.[7]

Ny arkanjely ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa

[hanova |hanova ny fango]

Isan-karazany ny fomba finoan' nyÔrtôdôksa ny anjely sy ny arkanjely arakaraka ny antokom-piangonana ôrtôdôksa sy ny faritra ary ny boky masina ampiasainy. Miova araka izany koa ny lisitra sy ny isan' ny arkanjely inoanany fisiana.

Ny arkanjely ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa amin' ny ankapobeny

[hanova |hanova ny fango]

Ny Fiangonana ôrtôdôksa dia miresaka momba ny fisian' ny arkanjely fito, ka anisan' izany ireo telo fantatra indrindra (iMikaela sy iGabriela ary iRafaela) sy efatra hafa, dia iOriela, iBarakiela, iSealtiela ary iKamoela.[8] I Rafaela, izay voalaza ao amin' ny boky deoterôkanônikan' iTôbia, dia eken' ny Fiangonana ôrtôdôksa. Ny Fiangonana ôrtôdôksa dia mahalala anarana arkanjely maro hafa koa.

Ny lovantsofin' ny Fiangonana ôrtôdôksa dia miresaka ny amin' ny "arkanjely analinaliny"[9] nefa ny fito amin' ireo ihany no fantatra anarana[10]: i Mikaela sy i Gabriela sy i Rafaela ary i Oriela no tena fantatra. Ao koa iSelafiela, iJegodiela ary iBarakiela. Ny anjelyJeremiela dia heverina ho arkanjely fahavalo fanampin' ireo[11].

Ny fiangonana ôrtôdôksa dia mankalaza ny fetin' ny arkanjely Mikaela isaky ny 8 Nôvambra (ho an' izay mampiasatetiandro joliana) na ny 21 Nôvambra (ho an' izay mampiasatetiandro gregôriana).

NyÔrtôdôksa Tatsinanana dia manokana fety ho an' i Rafaela isaky ny 8 Nôvembra (ho an' izay mampiasa tetiandro joliana) na 21 Nôvembra (ho an' izay mampiasa tetiandro gregôriana). Ny arkanjely Gabriela dia ankalazaina isaky ny 26 Marsa (ho an' izay mampiasa tetiandro joliana) na 8 Avrily (ho an' izay mampiasa tetiandro gregôriana)[12].

Misy amin' nyfiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, sahala amin' ny ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa slavônika, dia manao ny ampahany apôkaliptika ao amin' nyBoky fahefatr' i Esdrasa -- izay ataony hoeዕዝራ ሱቱኤል / Izra Sutuel sady fantara koa amin' ny anarana hoeApôkalipsin' i Esdrasa -- ho boky manam-pahefana koa, izay miresaka ny amin' iOriela (Uriel). Ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana (sy ny Fiangonana Katôlika manaraka ny fanao bizantina) dia mankalaza arkanjely fito (na valo indraindray), dia iMikaela, iGabriela, iRafaela, iOriela, iSelafiela (naSelatiela), iJegodiela (naJehodiela), iBarakiela ary iJerahmeela (naJeremiela). Ankalazainy amin' ny 8 Nôvambra ny fetin' i Mikaela sy ny an' ny anjely hafa sasany[13].

NyBokin' i Henôka, izay tsykanônika ho an' ireo fiangonana kristiana etsy ambony ireo, dia miresaka, ao amin' ny toko faha-21, ny amin' i Ragoela sy i Sariela ary i Jerahmeela, izay asolon' ny boky apôkrifa hafa ny anarana hoeIzidkiela syHanaela aryKefarela[14].

Ny arkanjely ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' ny kanônan' nyFiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana, nyBoky voalohan' i Henôka dia miresaka ny amin' iSarakaela izay mpiambina "ny fanahy mpanota amin' ny fanahy" (1Henôka 20.7-8). Ao amin' io fiangonana io dia fito ny isan' ny arkanjely ka ireto avy izy ireo: i Mikaela (Mikâ’él), i Gabriela (Gabre’él), i Rafaela (Rufâ’él), i Oriela (‘Urâ’él), i Ragoela (Râgu’él), i Saiala (Suryâl) ary i Fanoela (Fânu’él)[15].

Ny arkanjely ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôpta

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' nyFiangonana Ôrtôdôksa Kôpta dia izao avy ny anaran' ny arkanjely fito: i Mikaela, i Gabriela, i Rafaela, i Soriela, i Sedakiela, i Saratiela ary Ananiela[16].

Ny arkanjely ao amin' ny Fiangonana Anglikana

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' ny lovam-pampianaran' nyFiangonana Anglikana sy Episkôpaly dia efatra ny arkanjely ankalazaina amin' ny 29 Septambra. Atao hoeMikaelmasy (sahala amin' ny hoeKrismasy) izany fety izany. Ireto avy ireo arikanjely ireo: i Mikaela sy i Gabriela sy i Rafaela[17] ary matetika koa i Oriela[18].

Ny arkanjely ao amin' ny fiangonana prôtestanta

[hanova |hanova ny fango]
Adin' ny Kristiana amin' i Apôliôna

Tsy mahalala anaran' arkanjely afa-tsy iMikaela nyPrôtestanta. Io ihany no anaran' arkanjely voasoratra ao amin' nyBaiboly ampiasainy izay tsy ahitana nyboky deoterôkanônikan' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa na ny boky hafa ataony hoepseodepigrafa (naapôkrifa amin' ny Katôlika). Manome anarana anjely telo ny Baiboly prôtestanta, dia:

Ny Prôtestanta dia manao an' i Gabriela ho anjely tsotra fotsiny ary tsy mahalala arkanjely afa-tsy i Mikaela.

Ny arkanjely ao amin' ny Fiangonana metôdista

[hanova |hanova ny fango]

NyMetôdista dia manaiky anjely efatra ho arkanjely, dia i Mikaela, i Rafaela, i Gabriela, ary i Oriela[19][20]. Ankalazaina amin' ny 29 Septambra izy ireo (atao hoeMikaelmasy koa ny anaran' ny fety)[21].

Ny arkanjely ao amin' ny fiangonana milenarista

[hanova |hanova ny fango]

Ny fiangonanamilenarista narestaorasiônista dia manana ny finoany mikasina ny atao hoe arkanjely ka miavaka amin' izany ny an' nyAdventista Mitandrina ny Andro Fahafito sy ny an' nyOlomasin' ny Andro Farany ary ny an' nyVavolombelon' i Jehovah.

Ny arkanjely ao amin' ny Adventista mitandrina ny Andro Fahafito

[hanova |hanova ny fango]

NyAdventista Mitandrina ny Andro Fahafito dia milaza fa ny hoeMikaela sy ny hoearkanjely dia manondro an' iJesoa. Manambara ny anjara asan' i Jesoa amin' ny maha lehiben' nyanjely azy ireo teny ireo fa tsy milaza nynatioran' i Jesoa izay inoany faAndriamanitra tokoa.[22]

Ny arkanjely ao amin' ny Vavolombelon' i Jehovah

[hanova |hanova ny fango]

NyVavolombelon' i Jehovah, izay manohana ny heviny amin' ny fisian' ny andian-teny hoe "feon' arkanjely" voalaza ao amin' nyTesalôniana voalohany (1Tes.4:16) dia manao ny anarana hoeMikaela ho anarana hafa iantsoana an' i Jesoa ao an-danitra amin' ny maha zavaboary ara-panahy ambony indrindra azy[23].

Ny arkanjely ao amin' ny Olomasin' ny Andro Farany

[hanova |hanova ny fango]

NyOlomasin' ny Andro Farany dia mandika ny teny hoearkanjely ho "Anjely Lehibe". Noho izany dia i Mikaela no hany tondroina amin' izany ao amin' nyboky kanônikany. I Mikaela no lohan' ny anjely rehetra[24]. Milaza koa izy ireo fa ny hoeMikaela dia anaran' iAdama, ilay olombelona voalohany.[25] Nampianatra koa ny mpanorina nymôrmônisma, dia iJoseph Smith, fa ny anjely Gabriela dia tsy iza fa iNôa ary ny anjely Rafaela dia manana ny maha izy azy ihany koa na dia tsy voalaza ho mitovy amina mpaminany tety ambonin' ny tany aza[26].

Ny arkanjely ao amin' ny fivavahana silamo

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' nyfivavahana silamo dia miisa efatra ny arkanjely izay lazaina fa mitondra ny seza fiandrianan' iAllah, dia i Jibrily (Gabriela) sy i Mikala (Mikaela) sy i Israfila (Rafaela) ary i Izraila (Azraela)[27].

Ny arkanjely ao amin' ny Kor'any

[hanova |hanova ny fango]

Ireto manaraka ireto ny anaran' anjely hita ao amin' nyKor'any: i Jibrily sy i Mikaela ary i Israfila.

I Jibrily no nirahin' Andriamanitra nanambara tamin' ny mpaminanyMohamady ny teny rehetra ao amin' ny Kor'any tao amin' ny lavabaton' i Hirā[28]. Voaresaka ao amin' ny boky Kor'any ny anjelyJibrily izay nampita ny fanambaràna ny zava-miafina tamin' ny mpaminany nifandimby.

I Mikala dia anjely manana andraikitra ao amin' nyFitsarana farany ka misahana ny fandanjana ny asa tsara sy ny asa ratsy nataon' ny olombelona (Kor'any 2:98). Tsy voaresaka afa-tsy indray mandeha monja ny anjely Mikala ao amin' ny Kor'any. Ny lovantsofina dia manao azy ho iray amin' ny anjelin' ny Fitsarana farany izay miandraikitra ny fandanjana eo amin' ny mizàna ny asa vitan' ny olombelona. Araka ny lovantsofina hafa koa dia izy no misahana ny fandatsahana ny orana sy ny fampitsiriana ny zavamaniry.

Anjely mpitsoka trômpetra amin' ny androhitsanganan' ny maty i Israfila (arabo:Isrāfil).Rafaela naRafaely no iantsoana azy ao amin' nyBaiboly katôlika syôrtôdôksa. Araka nyHadita (Hadith) dia i Israfila no anjely misahana ny fanambaràna ny fiavian' nyQiyamah (Fitsarana farany) amin' ny fitsofany anjombona na trômpetra (Kor'any 69:13). I Israfila dia voaresaka ao amin' nyKor'any koa ao amin' ny toko 39 andininy 68.

Anjely hafa tsy voalaza ao amin' ny Kor'any

[hanova |hanova ny fango]

Inoan' ny Mozilmana ny fisian' i Izraila izay anjelin' ny fahafatesana (Malak-Al-Mawt) hanaisotra nyfanahin' ny olona maty.Izrā’il no fiantsoana azy amin' nyteny arabo faAzraela kosa ao amin' ny Baiboly ahitana izany. Tsy voaresaka ao amin' ny Kor'any izy. Izy no nanafay ny Ejiptiana tsy nanaraka ny tenin' Andriamanitra nampitondraina an' iAarona sy iMosesy. Izy no misahana ny fanesorana nyfanahin' ny olona hiala avy ao amin' ny vatan' ny olona maty[29].

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano

[hanova |hanova ny fango]
  1. Death, Angel of "the "destroying angel" ("mal'ak ha-mashḥit")"Jewish Encyclopedia.
  2. Davidson, Baruch S. "What Are Angels?". Chabad.org. Nojerena ny 11-03-2014.
  3. Ludwig Blau; Kaufmann Kohler (1908). "Angelology".Jewish Encyclopedia. Nojerena tamin'ny 11-03-2014.
  4. « Judaism: The Postexilic Period » inInternational Encyclopedia of the Social Sciences.
  5. Metzger & Coogan (1993)Oxford Companion to the Bible, Oxford University Press, p. 54,ISBN 9780199743919
  6. "Souvay, Charles. "Esdras."The Catholic Encyclopedia. Vol. 5. New York: Robert Appleton Company, 1909. 5 Aug. 2013". Newadvent.org. 1909-05-01. Nojerena tamin'ny 11-03-2014.
  7. "Driscoll, James F. "St. Raphael."The Catholic Encyclopedia. Vol. 12. New York: Robert Appleton Company, 1911. 5 Aug. 2013". Newadvent.org. 1911-06-01. Nojerena tamin'ny 11-03-2014.
  8. Cf. Rempart de la Croix, (Ms. Abbadie 162, fol. 23 r°a et fol. 29 r°a), in : Déborah Lifchitz,Textes éthiopiens magico-religieux, Travaux et mémoires de l’Institut d’ethnologie XXXVIII, Paris 1940, Institut d’ethnologie, p. 102-103 et 126-127.I Hénoch, traduction d'André Caquot, in :La Bible, Écrits intertestamentaires, sous la direction d'André Dupont-Sommer et de Marc Philonenko, « Bibliothèque de la Pléiade », Paris 1987, Éditions Gallimard.
  9. Anaphora, Divine Liturgy of St. John Chrysostom
  10. The World of The Angels Holy Transfiguration Russian Orthodox Church, Baltimore MD
  11. Nicholai Velimirovic, November 8 Archived December 7, 2008, at the Wayback Machine. Prologue From Ochrid;
  12. Nicholai Velimirovic, November 8 Archived December 7, 2008, at the Wayback Machine. Prologue From Ochrid
  13. http://oca.org/saints/lives/2013/11/08/103244-synaxis-of-the-archangel-michael-and-the-other-bodiless-powers
  14. James F. Driscoll, "St. Raphael" in The Catholic Encyclopedia (New York 1911
  15. Cf. Rempart de la Croix, (Ms. Abbadie 162, fol. 23 r°a et fol. 29 r°a), in : Déborah Lifchitz, Textes éthiopiens magico-religieux, Travaux et mémoires de l’Institut d’ethnologie XXXVIII, Paris 1940, Institut d’ethnologie, p. 102-103 et 126-127. I Hénoch, traduction d'André Caquot, in : La Bible, Écrits intertestamentaires, sous la direction d'André Dupont-Sommer et i Marc Philonenko, « Bibliothèque de la Pléiade », Paris 1987, Éditions Gallimard.
  16. Tasbeha.orgDoxology of the Heavenly Orders.
  17. Oremus.org website. Nojerena tamin'ny 15 September 2008.
  18. Saint Uriel Church website patron Saint web page Archived 2015-09-30 at the Wayback Machine.. Nojerena tamin'ny 15 Septambra 2008.
  19. Armentrout, Don S. (1 January 2000). An Episcopal Dictionary of the Church. Church Publishing, Inc. p. 14.ISBN 9780898697018.
  20. The Methodist New Connexion Magazine and Evangelical Repository, Volume XXXV., Third Series. London: William Cooke. 1867. p. 493.
  21. Kershaw, Simon. "Exciting Holiness: 29 September". Canterbury Press Norwich. Nojerena tamin'ny 17 Septambra 2016
  22. "SDAnet, "Questions on Doctrine: Christ, and Michael and Archangel"". Sdanet.org. Nojerena tamin'ny 11-03-2014.
  23. What Does The Bible Really Teach?. Watch Tower Society. pp. 218–219.
  24. "The Guide to the Scriptures: Archangel". scriptures, LDS.org. LDS Church.
  25. Doctrine and Covenants 128:20-21; Petersen, Mark E. (November 1980), "Adam, the Archangel", Ensign.
  26. Skinner, Andrew C (1992), "Noah", in Ludlow, Daniel H,Encyclopedia of Mormonism, New York: Macmillan Publishing, pp. 1016–1017,ISBN 0-02-879602-0, OCLC 24502140.
  27. Lewis, James R.; Oliver, Evelyn Dorothy (2008). Angels A to Z. Visible Ink Press. p. xviii.ISBN 9781578592579. Davidson, Gustav (1967).A dictionary of angels: including the fallen angels. Free Press.ISBN 9780029070505. Noegel, Scott B.; Wheeler, Brannon M. (2002).Historical Dictionary of Prophets in Islam and Judaism. Scarecrow Press.ISBN 9780810843059.
  28. Stephen Burge Angels in Islam: Jalal al-Din al-Suyuti's al-Haba'ik fi akhbar al-mala'ik Routledge 2015ISBN 978-1-136-50473-0 chapter 3
  29. Juan Eduardo Campo Encyclopedia of Islam Infobase Publishing, 2009ISBN 978-1-438-12696-8 page 42
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Arkanjely&oldid=1097321"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp