Sary sokitra maneho ny nametrahan' ny andriamanitraAhora Mazda an' i Ardasira I eo amin' ny fitondrana.
IArdasira I dia mpanjakan' iPersia tamin' ny taona 224 hatramin' ny taona 241 izay nanorina ny fianakavia-mpanjakasasanida, sady zafikelin' iSasàna.
Teraka tao amin' ny tanàna kely iray ao akaikin' i Istakra (akaikin' iPersepôlisy, aoFarsa) i Ardasira I. IPapàka mpanjakan' i Kira (Khir), izay nanompo ny mpanjakan' i Istakara, izay mpanompon' ny "mpanjaka lehibe" Artabàna IV (arsakida) izy. I Rôdaka no anaran-dreniny araka ny sora-tsokitra nampanaovin' i Sapora I zanany.
Rehefa maty ny rainy tamin' ny taona 212 dia nandimby azy i Ardasira I ka natao governoran' i Darabgerda (i Darab, anyIràna ankehitriny). Namono ireo rahalahiny izy, niady tamin' ireo mpanjaka madinika mpifanolo-bodirindrina taminy izy (taona 211-212) ka tamin' ny taona 224 dia voaongany koa ny "mpanjaka lehibe" Artabàna V (nanjaka tamin' ny taona 213 hatramin' ny 224), nandritra ny ady nifanaovany taminy tao Hôrmoza. Niantso tena hoSāhān Sāh ("mpanjakan' ny mpanjaka", izany hoe emperora) i Ardasira I taty aoriana ka nantsoina hoeDari Ardachir (izany hoe "Dariôsy-Ardasira") sady niezaka namerina indray ny firaisan' nyEmpira Persiana araka ny fomban' nyAkemenida tamin' nyAndro Taloha. Nataony fivavaham-panjakana nymazdeisma ka nanorina renivohitra vaovao izy, dia iKtesifôna, izay miorina eo amoron' ny onyTigrisy sy teo amin' ny niorenan' ny Seleokia. Tamin' ny faramparan' ny andro niainany i Ardasira I dia nitondra tafika niady matetika tyamin' nyEmpira Rômana nefa tsy nahita fahombiazana. Nandimby azy i Sapôra I zanany. Nohajaina sahala amin' nyandriamanitra i Ardasira I fahavelony, ka taty aoriana dia nanjary olo-malaza teo amin' nyangano syfedrà persàna.