Ny filazana voalohany momba ny Arabo dia tamin' ny tapaky ny taonjato faha-9 tal. J.K. Ny teny hoeArabo tany am-boalohany dia nanondro ny mponina tao amin' nySaikinosy Arabo sy koa ny vondrona arabo samihafa izay nipetraka tao amin' nyTsinambolana Lonaka tamin' ny vanim-potoana talohan' nysilamo, toy ny Kedarita, ny Nabateana, ny Gasanida, ny Lakmida. ny Arabo any Palmyra, any Osroene, any Commagene, any Characene, any Hatra ary anyMesôpôtamia Ambony, anySinay ary any Antilibàna (Idomeana).
Araka nylovantsofinaabrahamika, ny Arabo dia taranak' iAbrahama tamin' ny alalan' iIsmaela zanany. Ny loharanom-pahalalana silamo dia milaza fa i Abrahama dia nitondra an' iHagara sy Ismaela tanyMeka. Nilaza i Ibn Kathir, mpahay tantara arabo tamin’ ny taonjato faha-14, fa amin' ny Arabo talohan’ ny silamo dia patriarkan' izy ireo i Ismaela. Efa nonina tao amin' nyTsinambolana Lonaka nandritra ny anarivony taona maro ny Arabo. Tamin’ ny taonjato faha-9 tal. J.K., nyAsiriana dia nananao fampahatsiahivana an-tsoratra ny maha mponin’Ampiposahana syMesôpôtamia aryArabia ny Arabo. Nanerana ny faritra atsinanana tamin' nyAndro Taloha, nanomboka tamin' ny taona 3000 tal. J.K, ny Arabo dia nanangana sivilizasiôna natanjaka toa an' i Dilmun sy i Gerrha ary i Magan, izay nitana anjara toerana lehibe teo amin' ny varotra teo anelanelan' i Mesôpôtamia sy iMediteranea. Anisan' nyfokom-pirenena arabo malaza nyMidianina, sy ny Ada (ʿĀd) ary ny Tamoda (Thamud) voalaza ao amin' nyBaiboly sy nyKor'any. NyAmôrita, izay azo inoana fa avy any Arabia, dia niseho tany Ampiposahana sy tany Mesôpôtamia tany amin’ ny manodidina ny taona 2100 tal. J.K. Tokony ho tamin’ ny taona 1300 tal. J.K. dia hita teo akaikin’ iMôaba tany amin’ ny faritra atsimo amin' Ampiposahana nyEdômita. Tatỳ aoriana, tamin’ ny taona 900 tal. J.K. dia nifandray akaiky tamin’ ireo fanjakana kanaanita sy arameana teo akaiky teo ny Kedarita, ary niitatra hatrany Ejipta Ambany ka hatrany Ampiposahana Atsimo ny taniny. Hatramin' ny taona 1200 tal. J.K. ka hatramin’ ny 110 tal. J.K. dia nisy fanjakana arabo natanjaka toa nyFanjakan' i Sabà, Ny Fanjakana Lihiana, ny Fanjakana Mineana, ny Fanjakana Katabana, ny Fanjakan' i Hadhramaut, ny Fanjakan' i Awsan, ary ny Fanjakana Himiarita nipoitra tany Arabia.
Nandritra nyAndro Taloha Klasika dia nanangana nyfanjakany nyNabateana ka i Petra no renivohiny tamin’ ny taona 300 tal. J.K., tamin’ ny 271 taor. J.K., ny Empiran' i Palmyra niaraka amin’ i Palmyra renivohitra, notarihin’ ny mpanjakavavy Zenôbia, dia nahafaoka an’ i Siria Palestina sy Arabia Petraea sy Ejipta, ary koa ampahany be amin' ny faritraAnatôlia. Nonina tany Libàna sy tany Siria ary tany Palestina (Galilea) avaratra ny Arabo Itoreana, nandritra ny vanim-potoana helenistika sy rômanina. Ny Ôsrôeana sy ny Hatrana dia fanjakana arabo tany Mesôpôtamia Ambony tamin' ny taona 200 tany ho any. Tamin’ ny taona 164 taor. J.K., ny Arabo dia neken’ ny Sasanida ho Arabaistana (Arbayistan), izay midika hoe “Tanin’ ny Arabo”, satria anisan’ i Adiabene any Mesôpôtamia Ambony. Ny Arabo Emesana izay nanjakan' ny tanànan' i Emesa (na Homs) anySiria tamin’ ny taona 46 tal. J.K. Nandritra nyAndro Taloha, ny Tanokida, ny Salihida, ny Lakmida, ny Kinda, ary ny Gasanida diafokom-pirenena arabo nanjaka tao Ampiposdahana sy tany Mesôpôtamia ary tao Arabia, izy ireo no tena nandray ny kristianisma.
Taorian' ny fandresen' ny Arabo Mozilmana sy ny fanitarany ny taniny tamin' ny taonjato faha-8 sy ny fipoiran' ny fanjakana arabo samihafa tanyAfrika Avaratra, tao amin' nySaikinosy Iberiana, tao amin' ny faritr' iSahel, taoAfrika Atsinanana ary tanyAzia, dia nampiharina tamin' ny mponina arabo nanorim-ponenana tany amin' ireo faritra ireo sy ireo mponina nandray ny fiteny sy ny maha-izy azy ary ny kolontsaina arabo. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 ny Arabo dia nanangana nyKalifata Rasidona (632-661), nyKalifata Omeiada (661-750), nyKalifata Abasida (750-1517) ary nyKalifata Fatimida (901-1071), izay tonga hatrany atsimon' iFrantsa any andrefana, hatranySina any atsinanana, hatranyAnatôlia any avaratra ary anySodàna any atsimo. Iray amin' ireo empira lehibe indrindra teo amin' ny tantara nyKalifata Omeiada.
Tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20, nyAdy Lehibe I dia nanamarika ny fiafaran' nyEmpira Ôtômana, izay nanapaka ny ampahany be amin' nyTontolo Arabo hatramin' ny nandresen' nySoltanata Mameloka tamin' ny taona 1517. Ny fiafaran' ny ady dia niteraka faharesena sy fandravan' ilay empira tamin' ny taona 1922 sy ny fizarazaràna ny taniny, ka namorona ny firenena arabo vaovao maro. Taorian' ny fanekena ny Fifanarahana tao Aleksandria (Protocole d'Alexandrie) tamin' ny taona 1944 dia niorina tamin' ny 22 Marsa 1945 nyLigy Arabo. Ny Satan' ny Ligy Arabo dia nanohana ny foto-kevitry ny amin'ny tanindrazana arabo iray sady manaja ny fiandrianan' ny fanjakana sy firenena mpikambana ao aminy.
Nyfiteny arabo diafiteny semitika tenenina ao avaratr' iAfrika sy anyAzia Andrefana. Raha atambatra ny olona miteny arabo eo amin' ny firenena rehetra izay lazaina fa miteny arabo ôfisialy, dia eo amin' ny 240 000 000 eo ho eo. Ny boky masin' nysilamo, nyKor'any, izay nosoratana tamin' ny teny arabo, no manome lanja io fiteny io eo anivon' ny vahoaka mozilmana eran-tany. Samihafa ny fiteny arabo an-tsoratra sy ny fiteny arabo tenenina.
I Hubal no andriamanitra lehibe indrindra sady rain' ny andriamani-bavy telo (Al-Lāt,Al-‘Uzzá,Manāt). Ny sarivongan' iHubal dia nitsangana tao akaikin' nyKaaba ao amin' ny tanànan' iMaka. I Al-Lāt dia nivavahan' ny Arabo tao Maka, izay nanaovany sarivongana vato tao Taif. I Al-‘Uzzá dia andriamani-bavin' ny fahavokarana, nivavahana tao Maka koa, izay ninoana fa miaro sady miantoka ny fandresena amin' ny ady ifanaovany amin' ny firenena na foko hafa fahavalony. I Manāt no andriamanitry ny vintana, izay nanana sarivongana tao akaikin' i al-Mushallal any Qudayd, eo anelanelan' iMedina sy i Maka.
Nykristianisma firehana nestôriana dia hita tao avaratra-atsinanana sy tao amin' nyHoala Persika. Ny nestôrianisma dia fampiam-pinona milaza fa misypersôna synatiora roa miara-misy ny ao amin' iJesoa Kristy ka ny voalohany persôna sy natiora araka an' Andriamanitra fa ny faharoa dia persôna sy natioran' olombelona.
Hita tao amin' ny tapany atsinanana sy atsimo amin' iArabia nyzôrôastrisma. Toraka izany koa nymazdakisma sy nymanikeisma. Fivavahanamônôteista manao an' iAhora Mazda ho anaran’ ny andriamaniny sady manindry mafy ny fifanoheran’ ny herin’ ny tsara amin’ ny herin’ny ratsy (doalisma) ny zôrôastrisma. Fivavahanagnôstika manandratra ny fananana iombonana ny mazdakisma; inoany ny fisian' ny foto-javatra roa mifanohitra: nyTsara (Fahazavana) sy nyRatsy (Haizina). Fivavahana ifangaroan' ny zôrôastrisma sy nybodisma ary nykristianisma ny manikeisma, izay mampianatra ny fizaràny izao rehetra izao ho roa (doalisma), ahitana ny fanaoahan' ny Tsara, izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanapahan' ny Ratsy, izay anjakan' iSatana.