Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Aogosto

Avy amin'i Wikipedia
Aogosto
Ankapobeny
AnaranaAogosto
Teraka23 Septambra 63 tal. J.K.
Maty17 Aogositra 14 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaRoma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

IAogosto noemperora rômana voalohany, nanomboka tamin' ny 16 Janoary 27 tal. J.K. mandra-pahafatiny tamin’ ny 19 Aogositra 14 taor. J.K. tao Nôla. Amin' nyteny latina izy dia atao hoeAugustus. Teraka tamin' ny 23 Septambra 63 tal. J.K. tanyRôma tamin' ny anarana hoe Ôktavio, amin' ny teny latininaCaius Octavius, talohan' ny nitondrana ny anarana hoeImperator Caesar Divi Filius Augustus.

Avy amin' ny fianakaviana manan-karena tao amin' ny sarangan' ny mpiady an-tsoavaly, nianatra tany Rôma araka ny fomban' ny aristôkrasia repoblikana izy; tamin' ny faha-19 taonany, tamin' ny taona 44 tal. J.K., zanaka natsangan’ iJolio Kaisara dadatoany, fotoana fohy taorian’ ny namonoana an’ ity farany. Niverina tanyItalia izy rehefa avy namita ny fiofanana momba ny literatiora sy ny filôzôfia, nahazo ny fanohanan' iKikero (Marcus Tullius Cicero) nandritra ny fotoana kelikely hahafahany mitaky ny lovany sy ny anarany vaovao, dia namorona niaraka amin' iMarko Antônio sy i Lepido (Lepidus), fotoana fohy taorian' izay, ny triomvirata faharoa, mba handresena ireo mpamono an' i Kaisara. Nasain' i Ôktavio natao sesitany teo akaikin' ny Tendrombohitra Circeo i Lepido, ary avy eo nitarika diabe miaramila hanohitra an' i Marko Antônio, izay resy niaraka tamin' iKleôpatra VII tamin' ny taona 31 tal. J.K. ao Aktioma. Ny famonoan-tenan’ izy roa ireo tamin' ny taona nanaraka dia namela an’ i Ôktavio ho hany tompon’ i Rôma.

Raha matyJolio Kaisara (Julius Caesar), ny zanak' anabaviny na rahalahiny atao hoe Ôktavio no nandimby azy. Manamboninahitra nalaza indrindra tamin' ny ady ara-tafika izy; ary rehefa nanjaka izy, dia nataony anarany ny hoeKaisara Aogosto ("malaza" na "hajaina", izany.) Ary rehefa izany indray, dia novana ny anaran' ny volana rômanaSextilis ("(volana) fahenina") ka natao hoeAugustus, ho fahatsiarovana an' i Kaisara Aogosto. Emperora rômana izy tamin' ny andro nahaterahan' iJesoa Kristy.

Taorian' ny fandravana ny triomvirata faharoa dia mody namerina ny andrim-panjakana repoblikana i Ôktavio. Na dia an-keviny fotsiny aza ny famerenany indray ny andraikitry ny antenimieran-doholona, ​​​​ny mpitsara ary ny antenimiera mpanao lalàna, amin' ny fampiharana dia nitazona ny fahefana aotôkratika izy ary nanohy mitantana tsy miresaka amin' ny Antenimieran-doholona. Teo anelanelan’ ny taona 31 sy 23 tal. J.K. i Ôktavio, izay lasa nantsoina hoe Aogosto tamin' ny Janoary 27 tal J.K. dia noraisiny tsikelikely, amin' ny fomba ara-dalàna, ny fahefana nomen’ ny Antenimieran-doholona azy mandra-pahafatiny.

Aogosto

Na izany aza dia tsy nety nitondra anaram-boninahitra ny mpanjaka izy ary niantso ny tenany hoPrinceps Civitatis ("Voalohany eo an-tanàna"). Ny taona 27 tal. J.K. dia nanamarika ny fahatongavan' ny karazam-pitondrana ara-pôlitika vaovao tany Rôma: nyEmpira, izay i Aogosto no mpitarika azy faratampony voalohany, izay nampivangongo amin' ny tenany ny fahefana hibaiko ny tanàna sy ny tafika, ny fahefana hanao lalàna ary hisakana fanapahan-kevitra sady tsy azo kasihim-batana no masina.

Tamin’ ny andron’ i Aogosto dia nanomboka ny fotoana nampanjaka ny fitoniana teo amin' Rôma, izay fantatra amin’ ny anarana hoePax Romana, taorian' ny fisaratsarahana ara-pôlitika syady an-trano nandritra ny taonjato maro. Tsy norahonan’ ny ady fananiham-bohitra lehibe na fifandonana tamin’ ny mpifanandrina mitovy hery aminy intsony ny tontolo rômana, nandritra ny taonjato roa teo ho eo. Amin' ny ankapobeny dia lasa fiarovana na indraindray natao hanitatrana tany ny ady. Nitombo be ny velaran' ilay Empira tamin' ny fanakambanana an' iEjipta, iDalmatia, iPanônia, iNôriko ary iRetia tao amin' ny fari-tanin' ny Empira ary ny fandresena farany tanyAfrika syJermania aryHispania. Afaka nanao izay hahamarin-toerana ny faritra an-tsisintany i Aogosto noho ny fisian' ny fanjakana mpanelanelana ary nahavita nanao fifanaraham-pihavanana tamin' nyEmpira Partiana.

Nohavaozin' i Aogosto ny rafitra momba nyhetra, nampandrosoiny ny lalam-pifandraisan-davitra tamin' ny fampidirana tambajotran-toerana ametrahana fitaovam-pitaterana afaka mandimby ny avy niasa (soavaly, sns) isaky ny elanelana, ary nanangana tafika maharitra napetraka tany amin' ny faritany tsirairay, sy niorina teo amin' ny sisin-tany maharitra (atao hoelimes). Nanangana ny mpiambina pretôriana izy, izay natao hiaro azy tany Rôma, ary koa ireo sampan-draharaha manokana izay natao hitantana ny tanànan’ i Rôma, toy ny sampan-draharahan' ny pôlisy miasa alina sy ny an' ny mpamono afo. Tamin' ny nanatanterahany fanavaozana lehibe ara-pitantanana ny renivohitry ny Empira, ny nizaràny azy ho vakin-tanàna vaovao maro, ny niantohany ny fahasalaman' ny trano sy ny ady amin' nytondra-drano sy ny afo, dia tena nanova ny endriky ny tanàna i Aogosto: ampahany lehibe amin' ny tsangambato teo an-tanàna no naorina sy nohavaozina ary nohaingoina tamin’ ny fotoana nanjakany.

Maty i Aogosto tamin’ ny taona 14 taor. J.K., tamin' ny faha-75 taonany, angamba noho ny antony voajanahary, fa ny tsaho dia nanondro ny mety ho fanapoizinana noho ny famporisihan' ny vadiny Livia. ITiberio zanany natsangany no nandimby azy tamin’ ny naha-lohan’ nyEmpira Rômana azy. Fotoana fohy taorian' ny nahafatesany dia nataon' ny Antenimieran-doholona ho andriamanitra izy, ary nohamafisin' izany tamim-pahombiazana ny fivavahana vao teraka natokana ho an' ny tenany izay niely tsikelikely nanerana ny Empira.

Ny fiainany manokana

[hanova |hanova ny fango]

I Gaio Ôktavio no rainy. Ny vadiny dia i Klôdia Polkra sy i Skribonia ary i Livia. Ny zanany dia i Jolia Zokiny.

Nisy zavatra nataony izay nahagaga ny sasany. Nisy tempoly natao hoe Tempolin' i Janosy; ary raha nisy ady tamin' ny Rômana dia novohany ny varavarana rehetra tamin' izany tempoly izany, fanivavaka tamin' ny sampy ny olona. Ary kosa, raha tsy nisy ady dia narindrina ny varavarany rehetra, fa angamba tsy nisy olona nahita azy mirindrina talohan' izany andro izany. Fa raha teraka Jesoa Kristy, izay lazain' ny Kristiana faZanak' Andriamanitra, Tompon' ny Fiadanana, dia nandry tsara ny firenena rehetra amin' izao rehetra izao. Tsy nisy ady na tamin' ny Rômana aza, dia narindrin' i Kaisara Aogosto ny varavarana rehetra tao amin' ny Tempolin' i Janosy, ary dia faly ny olona maro.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova |hanova ny fango]
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Aogosto&oldid=1064885"
Sokajy :
Sokajy misitrika 1 :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp