Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Antrasita

Avy amin'i Wikipedia
Antrasita

Nyantrasita diaarintany mafy misy tahan-karbônina abony indrindra (eo anelanelan' ny 86 % sy 97 %) sy zavatra mora manjaryetona indrindra amin' ny karazanaarintany rehetra. Ny zavatra mora manjary etona ao dia 3,6 % ary ny lavenona 9,3 %. Arintany mafy miloko mainty na volombatolalaka sy manjelatra mamirapiratana toy ny metaly ny antrasita. Ny hakitroky ny antrasita dia eo anelanelan' ny 1,45 sy 1,75. Avo indrindra amin' ny karazana arintany rehetra ny hakitroky ny angovo ao aminy ary izy no laharana ambony indrindra amin' ny arintany. Na dia sarotra kokoa aza ny firehetan' ny antrasita raha ampitahaina amin' ny arintany hafa, ny antrasita dia mamoaka angovo be rehefa mirehitra ary mamoakasetroka symolaly kely. Karazana arintany tsy mamoakatara na ary tsy mamoakaetonahidrôkarbiora hafa ny antrasita rehefa hafanaina ambanin' ny maripana tokony mampirehitra azy. Sarotra mandray afo ary amoaka lelafo fohy miloko manga tsy misy setroka ny antrasita rehefa mirehira.

Notrandrahina voalohany indrindra nandritra ny taonjato faha-19 sy faha-20 ny antrasita. ISina no mitana ny laharana voalohany amin' ny famokarana antrasita eran-tany; ny mpamokatra hafa dia iRosia, iOkraina, iKôrea Avaratra, iKôrea Atsimo, iAfrika Atsimo, iEspaina, iAlemaina, iVietnamy, nyFanjakana Mitambatra, iAostralia, iKanada, ary iEtazonia. Ny antrasita dia 1 % amin' ny tahirin' arintany maneran-tany, ary any amin' ny firenena vitsivitsy eran' izao tontolo izao ihany no itrandrahana azy. Ny vokatra manontolo tamin' ny taona 2020 dia nahatratra 615 tapitrisa taonina.

Matetika izy io no ampiasaina ho fandrehitra sy loharano fakanakarbônina indostrialy. Ny antrasita dia ampiasaina indrindra amin' ny famokaranaherinaratra mahery vaika indrindra, ny tena fampiasana azy dia ao amin' ny sehatry ny fitrandrahana sy fikarakaranametaly (metalorjia).

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Antrasita&oldid=1061744"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp