NyAntesaka naAntaisaka naTesaka diavondrom-poko iray ao atsimo-atsinanan' iMadagasikara. Ao amin' nydistrikan' i Vangaindrano,faritra Atsimo-Atsinanana, ao atsimon' iFarafangana, no betsaka azy ireo. Ny faritra onenany dia eo anelanelan' iMananivo ao avaratra,Itomampy syIonaivo ao andrefana, aryLavibola ao atsimo. Ny teny hoe "Antesaka" na "Antaisaka" dia midika ara-bakiteny hoe "ireo avy any amin' ny Saka", izany hoe "ny Sakalava". Ireto ny foko lehibe ao: nyAntemanambondro, nyAntevato, nyMasianaky, nyZarabehava, nyZarafaniliha ary nyZaramanampy. Tamin' ny taona 2013 dia niisa 600 000 eo ny Antesaka[1].
Manodidina ny 5 %n' ny mponina eto Madagasikara ny Antesaka. Manana razambe afrikana syarabo ary malaiô-indôneziana izy ireo, toy ny Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefan' i Madagasikara izay niavian' io vondrom-poko io. Izy ireo dia manana fady henjana amin' ny fanambadiana sy fombafomba fandevenana sarotra. Matetika ny Antesaka no mambolykafe,akondro aryvary, ary ireo eny amorontsiraka dia manjono. Ny ampahany betsaka amin' ny mponina no nifindra monina tany amin' ny faritra hafa amin' ny Nosy noho ny asa, ary tombanana ho 40 % ny mpifindra monina teo anelanelan' ny 1948 sy 1958 no nanorim-ponenana maharitra tany ivelan' ny tanindrazany Antesaka.
Andriamandresy, andrianasakalava voaroaka taoMenabe taorian' ny herisetra nifandimby teo amin' ny laharan' ny fifandimbiasana no nanorina ity vondrom-poko ity. Ny Antesaka dia iray amin' ny fanjakana efatra lehibe indrindra tetoMadagasikara talohan' nyfanjanahantany tamin' ny fiandohan' ny taona 1700, ary ny antoko pôlitika naorin' ny Antesaka mirahalahy teo am-panombohana ny fahaleovantena tamin' ny taona 1960 dia nanohy namoaka mpitarika teo an-toerana sy teo amin' ny firenana. Tamin' ny taona 2013, tombanana ho 600 000 ny Antesaka[2].
Mifangaro razambeafrikana syarabo arymalaiô-pôlineziana ny Antesaka, ary sampana mpanjaka avy amin'nySakalava any amorontsiraka andrefan' i Madagasikara. Eo anelanelan' nyreniranoMananivo ao avaratra, ny reniranoItomampy syIonaivo ao andrefana, ary ny reniranoLavibola ao atsimo ny faritra fiavian' ny Antesaka. IVangaindrano sy iMidongy Atsimo no tanàna lehibe ao amin' io faritra io.
Ireto ny foko ao amin' ny vondrom-poko antesaka:
Maro ny mpanjaka antesaka no taranaky nyZarabehava, taranaka mpanjakasakalava izay niampita nankany amin' ny morontsiraka atsinanana teo anelanelan’ ny taompolo 1620 sy 1650[3]. Nifindra monina avy tany amin' nyFanjakan' i Menabe ny razamben’ ny Antesaka ary tonga tao Nosipandra (antsoina ankehitriny hoeVangaindrano) tamin’ ny taompolo 1650[4]. Araka ny lovantsofina diaAndriamandresy no mpanorina ny vondrom-poko antesaka. Izy nantsoina hoe Repila izay teraka tao amin' ny tanànan' i Tsiarepioky akaikin' iMahabo; dia novany ho Ihazorango ny anarany taty aoriana, ary farany dia nandray ny anarana hoeAndriamandresiarivo ho fiandrasana ny fanendrena azy ho mpanjaka. Nitarika ny vahoaka hanohana ny fandimbiasan' ny zandriny azy ny hambom-pony sy ny ditrany, dia tezitra mafy Andriamandresy ka nikasa haka an-keriny ny tanimbarin' ny dadatoany izy ka naratra mafy tamin' izany. Tezitra ny renin' Andriamandresy ka nandroaka azy amin' ny faritany, ary niainga niantsinanana Andraimandresy niaraka tamin' ny miaramila sy mpanompo[5].
Tany am-piandohan' ny taonjato faha-18, ny Antesaka dia iray amin' ireo fanjakana efatra lehibe indrindra eto Madagasikara[6]. Matetika no niadiana ny fifandimbiasam-pitondrana ary niteraka fifandirana anatiny. Araka ny lovantsofina dia nisy mpanjaka antsoina hoeRatongalaza tsy maintsy namono na nanao sesitany ny rahalahiny rehetra mba hahazoana ny seza fiandrianana. ILengoabo, zafikelin-dRatongalaza, no mpanjaka farany sady nanan-danja indrindra tamin' ny taonjato faha-18, ary nahavita nanitatra ny faritanin' ny Antesaka hatramin' ny farany indrindra[7]. Tamin' ny taonjato faha-19, dia notafihin’ ny tafiky nyFanjakan' Imerina ny Fanjakana Antesaka[8]. Tamin' ny fandresen' ny miaramila merina teo anelanelan' ny taona 1820 sy 1853, dia mazàna no novonoina ny lehilahy antesaka voasambotra, fa ny zaza amam-behivavy dia nentina hoandevo tany Imerina. Andevo maherin' ny iray tapitrisa no voasambotra tamin' io fotoana io, ka avy amin’ ny foko Antesaka,Antefasy,Antanosy aryBetsileo ny ankamaroany[9].
Nanjanaka an' i Madagasikara i Frantsa tamin' ny 1895, ary rava ny Fanjakan' Imerina tamin' ny 1897. Rehefa nikomy tamin' nympanjana-tany frantsay, nefa tsy nahomby, ireo foko tatsimo maromaro tamin' ny taona 1904–1905, dia tsy nety nandray anjara ny Antesaka[10].
Ny fiainam-pianakaviana sy nyfanambadiana indrindraindrindra dia fehezin' nyfady maro[11]. Nyzaza kambana dia heverina ho fady, ary araka fomba taloha dia novonoina rehefa teraka na navela tany anaty ala mba ho faty. Na dia voarara aza io fomba fanao io, dia mitohy hatrany amin' ny mponina mbla mandala ny fomban-drazana sasany, ary tsy azo alevina miaraka amin' ny fianakaviany ny kambana[12].
Any amin' ny tanàna madinika dia fonenan' izy ireo ny trano iray misy efitra tokana vita amin' ny akoran-javamaniry eo an-toerana. Eo amin’ ny ilany atsinanan’ ny trano no misy io varavarana fanampiny io mba hamoahana faty amin’ ny trano fonenana. Ny fomban-drazana momba nyfandevenana dia ny fanamainana faty mandritra ny roa na telo taona alohan' ny hamindrana azy any amin' ny trano fandevenana iombonana antsoina hoekibory[11], izay miafina ao anaty ala masina voatokana ho an' ny lehilahy, antsoina hoeala fady. Alohan' ny hamindrana ny faty maina eny amin’ ny kibory dia manao fombafomba antsoina hoetranon-donaky ny tanàna. Afindra ao amin' ny trano mitokana ilay faty maina, miaraka amin' ireo vehivavy ao an-tanàna, izay miara-mitomany, ary avy eo mandihy. Mifamotoana ao an-tranon' ny lehiben' ny tanàna ny lehilahy ary mifandimby mandeha any amin' ny trano misy ny razana mba hametaka vola amin' ilay maty amin' ny alalan' ny menaka. Mandra-maraina, rehefa afindra any amin' ny kibory ny razana, dia mandihy amin' ny amponga any ivelany ny ankizy ao an-tanàna. Entin' ireo lehilahy ireo ny faty any amin' ny ala fady, izay itenenan' izy ireo manokana ny teniny farany amin' ilay maty[12].
Ny Antesaka dia mitenyfitenim-paritra amin' nyfiteny malagasy, izay sampana amin' nyvondrom-piteny malaiô-pôlineziana avy amin' nyfiteny baritô any atsimon' iBôrneô[6].
Ny fambolenakafe,vary aryakondro no tena asa fiveloman' ny ny Antesaka; ny vehivavy no tompon' andraikitra voalohany amin' ny fijinjana vary, araka ny fomban-drazana eo an-toerana[11]. Ireo monina eny amorontsiraka dia matetika miantehitra amin' nyjono mba hahazoany loharanom-bola lehibe indrindra[13]. Antesaka maro no nifindra monina nanomboka tamin' nyfanjanahantany mba hitady asa any amin' ny faritra hafa amin' ny Nosy. Nanomboka tamin' ny taona 1946, ny governemanta mpanjanaka frantsay dia nandamina ny fitaterana ny mpiasa antesaka syantandroy mba hiasa any amin' ny faritra hafa amin' ny Nosy[14] amin' ny toeram-pambolena na toeram-pitrandrahana. Isan-taona, tombanana ho 40 % amin' ireo mpifindra monina antesaka rehetra no nifindra monina any ivelan' ny faritaniny tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1960; matetika ireo mpifindra monina ireo dia mandefa vola any amin' ny fianakaviany[15].
Ny foko eto Madagasikara
Ny vahoaka hafa eto Madagasikara
Samihafa