Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Animisma

Avy amin'i Wikipedia
Alitara (na ôtely) animista ao amin' ny tanàna ambanivohitry nyBôzô, any Mopti, Bandiagara, anyMaly, tamin' ny taona 1972.

Nyanimisma dia finoana ny fananan' ny zavatra rehetrafanahy sy aina, ka tsy ny olombelona sy ny biby ihany izany fa ny zavatra hafa toy nyhazo, nyrivotra, sns. Inoana koa ao amin' ny animisma ny fisian' nyfanahy maro tsy hita maso izay mpiaro. Avy amin' nyteny latina hoeanima izay midika hoe "fanahy" na "aina" ny teny hoeanimisma.

Ireo fanahy na aina ireo dia fisehoan' ny razana efa maty na fisehoan' ny fanahin' nyandriamanitra biby, izay afaka miasa amin' ity tontolo tsapa ity, na amin' ny lafiny tsara izany na amin' ny lafiny ratsy, izay anaovana fanompoam-pivavahana. Inoan' ny animista ny fisian' nyfiainana aorian' ny fahafatesana. Ny animisma dia hita amin' ny faritra maro eto ambonin' ny tany amin' nykôntinenta rehetra.

Ny fisehon' ny animisma

[hanova |hanova ny fango]

Ny fetisisma

[hanova |hanova ny fango]

Nyfetisisma dia fivavahana amin' ny zavatra heverina ho manana hery ambonin'  ny ara-boajanahary. Karazana animisma ny fetisisma.

Ny tôtemisma

[hanova |hanova ny fango]

Nytôtemisma dia finoana ny fisian' ny razana na fanahy mpiaro ny foko na vondrom-poko iray, izay mitoetra ao amin' ny atao hoetôtema, izay mety zavatra voasokitra na biby na zavamaniry inoana fa manan-kasina. Karazana animisma koa ny tôtemisma.

Ny samanisma

[hanova |hanova ny fango]

Amin' ny kolontsaina animista amin' ny faritra sasany dia afaka mifandray sy mifampiresaka amin' ny fanahy tsy hita maso ny velona amin' ny alalan' ny mpanelanelana atao hoesamàna (karazana mpimasy naombiasa): izany no atao hoesamanisma.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Animisma&oldid=1039145"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp