Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Angano

Avy amin'i Wikipedia
Ilay saka mikiraro, sary nataon' i Gustave Doré

Nyangano dia tantara fohy izay an' ny karazana zavakantom-bahoaka ifandovana. Ny fitantarana toy izany dia matetika ahitana mazia sy ody ary zavaboary hafahafa. Ny mpandray anjara mahazatra ao anaty angano dia nydragona, nykalanoro, ny elfa, ny rapeto, nykokolampy, trimobe,zazavavindrano, bibiolona, mpamosavy, mpanao hatsaranan, ny ombiasa, sns. Ny angano dia samy miseho am-bava na amin' ny endrika antsoratra. Maro amin' ny angano ankehitriny no nivoatra avy amin' ny angano efa nisy an-jato taonany, misy fahasamihafana kely, tao amin' ny kolontsaina maro manerana izao tontolo izao.

Ny tantaran' ny angano dia tena saro-potorina. Na izany aza, araka ny filazan' ny mpikaroka ao amin' ny oniversite any Durham sy Lisbonne, ny fitantarana toy izany dia mety efa an' arivony taona, ny sasany tamin' nyAndron' ny Alimo. Ny angano sy ny asa nalaina avy amin' ny angano dia mbola misy manoratra ankehitriny.

NyJataka[1] angamba no fanangonana angano tranainy indrindra amin' ny literatiora, ary ny ankamaroan' ny maro hafa dia efa mihoatra ny arivo taona. Azo antoka fa betsaka (angamba ny ampahadiminy) amin' ny literatiora malaza any Eorôpa ankehitriny dia avy amin' ny ampahany amin' izany rehetra izany izay niankandrefana niaraka tamin' nyKroazada tamin' ny alalan' nyArabo syJiosy.

Nanasokajy ny angano amin' ny fomba isan-karazany ny fôlklôrista (mpandalina literatioram-bahoaka). Ny fanasokajiana Aarne–Thompson–Uther sy ny famakafakana ara-drafitr' endrik' iVladimir Propp no ​​anisany tena misongadina. Ny fôlklôrista hafa dia nanakatra ny hevitry ny angano, saingy tsy nisy sekoly natsangana ho handalinana ny hevitry ny angano.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. NyJakata dia angano sy tantara momba ny fiainan' nybuddha maro taloha, indrindra fa ny an' i Buddha Shakyamuni izay tena nisy ara-tantara.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Angano&oldid=1083560"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp