Nyandrongo dia biby mandady misy tongony efatra, mivelona eny an-tsaha sy eny amin' ny tamboho sy ny rindrin' ny trano ary ananaty hazo. Ao amin' ny filaharanaSquamata. Samy manana tongotra efatra izy ireo, sofina mibaribary tsy misy ampongabentsofina ivelany, vatana rakotra kirany ary samy miofo. Ny fianakaviana sasany izay maneho ny teny ankapoben' ny teny hoe "androngo", toy nyLacertidae, dia mety hamoy an-tsitrapo ny rambony raha misy herisetra sady manana hodi-maso afa-lihetsika. Tsy toy izany no zava-misy amin' ny karazana rehetra avondrona amin' io anarana io: ohatra nyGekkonidae sy nyXantusiidae dia tsy mamela ny rambony ho tapala ary tsy manana hodi-maso mihetsika. Misy karazana androngo eo amin' ny 3 750 eo ho eo eran-tany, azo antoka fa maherin' ny 3 000, ny loharano sasany manohana ny isa 4 450.