Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Andro farany

Avy amin'i Wikipedia

NyAndrofarany na nyFaran' andro dia ny fahataperan' izao tontolo izao na ny olombelona eto amin' izao tontolo izao. Ny Andro farany dia tsy afa-misaraka amin' ny fiheverana ny tontolo vaovao izay inoana fa efa vonona hisolo ny tontolo taloha. Ampahany iray lehibe amin' ny zavatra dinihina ao amin' ny taranjateôlôjika atao hoeeskatôlôjia ny amin' ny Andro farany.

Andro farany, araka ireo fivavahana abrahamika

[hanova |hanova ny fango]

Hita ao amin' nyfivavahana kristiana syjiosy arysilamo izany finoana izany. Amin' izy ireo dia midika hofitsarana farany nyfanahin' ny olombelona, izay misy ny fanantenana nyfiainana mandrakizay ho an' ireo mpino tsy nivadika, ka noho izany dia tsy fotoana natao hatahorana ny Andro farany na nyFitsarana farany fa natao hantenaina.

Andro farany araka ny jodaisma

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' nyjodaisma dia atao hoe Andron' ny Tompo izany fotoana izany, izay hisehoan' ny fitsarana farany ka izay tsy nanaraka ny fampianaran' ny fivavahana jiosy dia hosazina. Ireo voafidy kosa dia hateraka indray ao amin' ny tontolo vaovao. Voaresaka ao amin' nyBokin' i Daniela ny amin' ny Andro farany (ohatra: Dan. 1.41-45; 12.4).

Andro farany araka ny kristianisma

[hanova |hanova ny fango]

Ho an' ny Kristiana dia nyFitsarana farany no tena mampiavaka ny Andro farany izay voavelabelatra ao amin' nyBokin' ny Apôkalipsa ao amin' nyTestamenta Vaovao. Ireohetsika milenarista kristiana na jiosy na "Andro vaovao" dia mivaofy an' izany ho fanambaràna ny faharavan' izao rehetra izao mba hahafahana manolo azy amin' ny tontolo vaovao mifanaraka amin' ny fandaharan' Adriamanitra[1].

Amin' ny fotoana hiverenan' iJesoa Kristy ety an-tany dia hitsara ny olona rehetra, na ny velona na ny maty, izayhatsangana izy. Izy no hifidy izay hahazo nyfiainana mandrakizay miaraka aminy.

Andro farany araka ny silamo

[hanova |hanova ny fango]

Araka nyfivavahana silamo dia hivoaka avy ao amin' ny fasany avy ny maty mba hotsaraina, ka izay nitondra tena araka ny fototry ny finoana silamo dia ho any am-paradisa.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano

[hanova |hanova ny fango]
  1. Dane Rudhyar,Préparations spirituelles pour un nouvel âge, Éditions Du Rocher, coll. « Gnose », 2001, ISBN 2-268-00435-X et Marie-Jeanne Ferreux,Le New Age, ritualités et mythologies contemporaines, L'Harmattan, Paris 2003, coll. « Nouvelles études anthropologiques »,ISBN 2-7475-0101-9
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Andro_farany&oldid=1067533"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp