Andrianjafy dia mpanjakan'Imerina Avaradrano, izayAmbohimanga no renivohitra talohan' ny namindrana izany taoAntananarivo. Teraka tamin' ny taona 1770 izy ary maty tamin' ny taona 1787. Fantatra amin' ny anarana hoeAndrianjafinandriamanitra syAndrianjafinjanahary koa izy.
Ny rainy,Andriambelomasina, no nanome azy ny fanjakan' Avaradrano sady nanendry an-dRamboasalama zana-drahalahiny hanarakaraka azy araka ny filaharan' ny fifandimbiasana. Tsy nanaiky izany didy izany Andrianjafy fa nisafidy ny zanany handimby azy ka nanao valifaty tamin' ny vahoakan' Avaradrano izay nanaiky ny fahefan' ny zana-drahalahiny.
Mba hisakanana an-dRamboasalama tsy haka ny fahefana dia nanao tetika tsy nahomby hamonoana ny zana-drahalahiny Andrianjafy. Ny tsy fahombiazan' ity mpanjaka ity tamin' ny naha mpitondra azy sy ny toetrany nanjakan' ny jadona no nahatonga azy tsy ho tian' ny vahoaka tao Avaradrano. Ny fanohanan' ny vahoaka an-dRamboasalama dia niafara tamin' ny fanonganam-panjakana izay nahatonga an'Andrianampoinimerina (izay tsy iza fa Ramboasalama) hasandratra aho mpanjaka hasolo an' Andrianjafy. Tany Ilafy no nandosiran' Andrianjafy, ka tao izy no namory miaramila nefa tsy nahomby ny fiezahany haka indray ny fanjakana. Novonoin' ny mpanara-dia an' Andrianampoinimerina izy tamin' ny taona 1787.