Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Anarana

Avy amin'i Wikipedia

Nyanarana diateny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra,manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana, na toerana na fotoana. Raha ilazana sokajin' olona na biby na zavatra na hevitra sns mitovy toetra ny anarana dia izany no atao hoeanarana iombonana. Raha anondroana singan' olona na biby na zavatra na hevitra sns manokana ny anarana dia izany no atao hoeanaran-tsamirery. Nytarika foronin' ny anarana sy ny teny na andian-teny mameno azy no anatao hoe "tarika anarana".

Ny anarana araka ny fitsipiteny sy ny haifiteny

[hanova |hanova ny fango]

Arakaraka nyfiteny heverina dia azo faritana amin' ny vondron'anjara asa azony sahanina na ny endrika mety hisehoany na ny hevitra mety hampitainy ny anarana, amin' ny maha sokajin-teny azy.

Sokajin' anarana

[hanova |hanova ny fango]

Arakaraka ny fiteny no anasokajiana ny anarana ary mety hisy vokany eo amin' ny endriny sy ny fampiasana azy am-pehezanteny na amin' ny fomba fanoratra izany sokajiny izany.

Anarana iombonana sy anaran-tsamirery

[hanova |hanova ny fango]

Ny anarana dia mety hoanarana iombonana naanaran-tsamirery. Ny anaran-tsamirery dia matetika soratana manomboka amin' nysora-baventy ho an' ny fiteny mampiasaabidy manavaka nysora-madinika amin' ny sora-baventy. Maro ny fiteny ampiasana abidy tsy manavaka ny sora-baventy amin' ny sora-madinika ka anisan' izany ny fiteny mampiasa nyabidy hebreo, ka ny hevitr' ilay anarana no ahalalana na anarana iombonana na anaran-tsamirery.

Anaran' ny azo tsapain-tanana sy anaran' ny tsy azo tsapain-tanana

[hanova |hanova ny fango]

Ny anarana dia mety ho anaran-javatraazo tsapain-tanana natsy azo tsapain-tanana, mety ho anaram-bondrona na anaran-tsinga.

Anaran' ny azo isaina sy anaran' ny tsy azo isaina

[hanova |hanova ny fango]

Misy koa nyanaran' ny azo isaina sy nyanaran' ny tsy azo isaina ho an' ireo fiteny manavaka nyendrika milaza tokana symilaza maro sns. Amin' ny fiteny sasany dia ilaina amin' ny fifehezana ny fampiasana azy ny mahafantatra ny anaran' ny azo isaina sy ny anaran' ny tsy azo isaina.

Anaran' ny manana aina sy anaran' ny tsy manana aina

[hanova |hanova ny fango]

Misy koa ny fiteny manavaka nyanaran' ny manana aina sy ny anaran' ny tsy manana aina raha toa ka misy fiantraikany amin' ny fampiasana azy am-pehezanteny izany. Amin' ny fiteny sasany dia ilaina amin' ny fifehezana ny fampiasana azy ny mahafantatra ny anaran' ny manana aina sy ny anaran' ny tsy manana aina.

Anaram-bondrona sy anaran-tsinga

[hanova |hanova ny fango]

Misy koa ny atao hoeanaram-bondrona izay anarana manondro zavatra maro miaraka, sy nyanaran-tsinga izay anarana ilazana sigan-javatra mahaleo tena. Amin' nyteny frantsay dia tsy mitaky endrikafilaza maro, amin' ny ankapobeny, amin' ireo teny mamaritra azy na nymatoanteny itanany anjara asalazaina, ny anaram-bondrona ampiasaina amin' ny endrika milaza tokana. Ao amin' io fiteny io dia anaram-bondrona ny hoepopulation ("mponina") fa anaran-tsinga kosa ny hoehabitant ("mponina") araka ny ohatra omena eto:

  • La population de cette villes'est déplacée ("Nifindra ny mponina ao amin' io tanàna io").
  • L'habitant de cette villes'est déplacé ("Nifindra ilay mponina ao amin' io tanàna io").
  • Les habitants de cette villese sont déplacés ("Nifindra ny mponina ao amin' io tanàna io").

Ny anaram-bondrona ao amin' ny fiteny iray dia mety ho anaran-tsinga ao amin' ny fiteny iray hafa ary misy ny fiteny tsy manavaka ara-pitsipiteny an' izany. Ny anarana hoefianakaviana, izay tokony ho anaram-bondrona, dia tsy avahan' nyfiteny malagasy ho anaram-bondrona na anaran-tsinga raha araka ny fitsipiteny (tsy toy izany ny anarana hoefirenena) satria azo atao ny miteny hoe:

  • Faly ny fianakavianay iray manontolo (vondrona iray)
  • Faly ny fianakavianay rehetra (singa maro)

nefa tsy mitovy hevitra ireto fehezanteny roa ireto:

  • Faly ny firenena iray manontolo (singa tokana).
  • Faly ny firenena rehetra (singa maro)

Toetra ara-pitsipitenin' ny anarana

[hanova |hanova ny fango]

Ankoatry ny mety maha teny tokana na andian-teny ny anarana dia misy koa toetrany ara-pitsipiteny izay miankina amin' ny zavatra tondroiny na ny fampiasana azy anatyfehezanteny.

Filaza isa

[hanova |hanova ny fango]

Mety hiovaova endrika na handray marika arakaraka ny isan' ny zavatra tondroina aminy ny anarana (tokana, maro, sns) nefa tsy nyfiteny rehetra no ahitana izany. Izany no atao hoefilaza isa. Amin' ny fiteny sasany dia ilaina amin' ny fifehezana ny fampiasana azy ny mahafantatra ny endrika milaza tokana sy ny endrika milaza maro sns. Ohatra, ao amin' nyfiteny frantsay dia milaza tokana ny anarana hoecheval ("soavaly iray") fa milaza maro kosa ny hoechevaux ("soavaly maro"). Ao amin' ny fiteny sasany toy nyfiteny bretôna, nyfiteny litoaniana, nyfiteny slôvena, nyfiteny soràba, nyfiteny sanskrita, nyfiteny hebreo ary nyfiteny arabo dia ahitana koa ny endrika milaza roa. Misy aza ny fiteny ahitana ny endrika milaza telo na milaza efatra.

Kilahivavy sy kilasin' anarana

[hanova |hanova ny fango]

Mety hiovaova endrika na handray marika araka ny sokajin-javatra tondroiny (kandahy,kambavy, tsy kandahy tsy kambavy; olona, zavatra, sns) nefa tsy ny teny rehetra no ahitana izany. Io no atao hoekilahivavy. Ao amin' nyfiteny frantsay ohatra dia kandahy ny anarana hoeprince ("andriandahy") fa ny hoeprincesse ("andriambavy") kosa dia kambavy.

Ao amin' ireofiteny banto dia ahitana ny atao hoekilasin' anarana izay mamondrona ny anarana anaty sokajy izay fantatra amin' ny fisian' ny mari-tsokajy (hasin-teny) izay mikambana amin' ny anarana. Nyfiteny soahily dia ahitana kilasin' anarana 15, nyfiteny sesôtô ahitana kilasin' anarana miisa 18, ary nyfiteny loganda ahitana 19 ka ao ny milaza olona, ny milaza biby, ny milaza toerana sns.

Ansan' ny sokajin' anarana fehezim-pitsipiteny amin' ny fiteny sasany koa ny maha anaran' nymanana aina na anaran' ny tsy manana aina ny anarana iray. Ao amin' nyfiteny anglisy dia ilaina ny mahalala ny maha anaran' ny manana aina na anaran' ny tsy manana aina ny anarana iray mba hahafahana manolo azy amin' ny mpisoloit ("izy" na "izany" tokana tsy manana aina) na nyhe/she ("izy" tokana manana aina).

Endrika araka anjara asa

[hanova |hanova ny fango]

Mety miovaovaendrika na handray marika arakaraka nyanjara asa sahaniny ao amin' nyfehezanteny ny anarana ka mety koa hanovaova araka izany ny endriky nympamari-toetra na nymatoanteny miaraka aminy (raha mitana anjara asalazaina nafameno na hafa izy, arakaraka ny fiteny). Ao amin' nyfiteny indô-eorôpeana toy nyfiteny grika sy nyfiteny latina, ohatra, dia miova endrika ny fiafaran' ny anarana arakaraka ny sokajin' anjara asa sahaniny ao amin' nytarika na ny fehezanteny.

Nyfiteny indô-eorôpeana toy nyfiteny sanskrita, nyfiteny slava (fiteny rosiana sns), nyfiteny latina, nyfiteny grika, nyfiteny islandey, nyfiteny feroiana ary nyfiteny alemàna dia ahitana fampiasana endrika araka anjara asa. Ny anarana amin' nyfiteny rômana toy nyfiteny frantsay sy nyfiteny espaniôla sns dia tsy ahitana an' izany. Nyfiteny semitika toy nyfiteny akadiana sy nyfiteny arabo dia ahitana izany koa. Ny anarana amin' nyfiteny hebreo dia tsy ahitana izany na dia anisan' nyfiteny semitika aza. Ny anarana ao amin' ny fiteny maro dia tsy ahitana izany endrika araka anjara asa izany, izay tsy hita afa-tsy ao amin' nympisolo tena (amin' nyfiteny malagasy:izaho/aho raha lazaina,ahy raha fameno, sns; amin' ny fiteny frantsay:il/elle raha lazaina:le/la rahafameno mivantana;lui rahafameno tsy mivantana;se rahafameno mitampody sns).

Fiovan' endrika noho ny antony hafa

[hanova |hanova ny fango]

Mety hiovaova endrika na handray marika araka ny antony hafa toy nyfilazam-potoana ny anarana, nefa tsy ny fiteny rehetra no ahitana izany. Ny anarana amin' nyfiteny malagasy dia afaka mandray mari-potoana: asiana mari-potoana hoavy ny anarana nefa tsy milamatoanteny andry (ohatra:ho olona vsolona).

Fiforonan' ny anarana

[hanova |hanova ny fango]

Mety hofototeny nasampan-teny na andian-teny ny anarana.

Arana fototeny

[hanova |hanova ny fango]

Mety ho fototeny ny anarana. Ny anarana fototeny dia mety hahazoanamatoanteny sampan-teny nampamari-toetra sampan-teny, na sokajin-teny hafa.

Anarana sampan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Rahasampan-teny izy dia mety miforona avy amin' nysokajin-teny hafa ka ilazana ny anaran' ny asa na ny anaran' ny fitaovana na ny anaran' ny mpanao na ny anaran' ny toetra sns. Izany sokajin-teny nisampanany izany dia mety ho matoanteny, na mpamari-toetra na hafa. Mety ho amin' ny alalan' nyfanovonana nafanovanana nafanatsofohanatsirinteny izany.

Anarana kamban-teny

[hanova |hanova ny fango]

Mety anarana samy anarana no akambana na anarana sy teny avy amin' ny sokajy hafa. Tsy misy eto na fanovonana na fanovanana na fanatsofohana tsirinteny.

Anarana avy amin' ny fiovana sokajin-teny

[hanova |hanova ny fango]

Mety hampiasaina ho anarana ny teny iray tsy anisan' ny sokajy anarana na dia tsy nasampana aza. Mety homatoanteny nampamari-toetra na sokajin-teny hafa izany.

Fandrafetana andian-teny misy anarana

[hanova |hanova ny fango]

Fampiasana mpanoritra

[hanova |hanova ny fango]

Misy ny fiteny mampiasampanoritra miaraka amin' ny anarana hahafaha-mampiasa azy ara-pitsipika ao amin' nyfehezanteny na andian-teny iray. Misy ny fiteny tsy mila izany noho ny tsy fananany an' ilay mpanoritra. Nyfiteny rosiana dia tsy manana mpanoritra.

Fampiasana mpampiakin-teny

[hanova |hanova ny fango]

Mety hiaraka amin' nympampiankin-teny koa ny anarana iray mba hahafahany hiditra amin' ny andian-teny iray na hamorona andian-teny miaraka amin' ny teny iray hafa mba hahafahany mitanaanjara asa. Mety tsy ilaina izany arakaraka ny fiteny na mety tsy manana mpampiankin-teny ilay fiteny. Ny fiteny mampiasaendrika araka anjara asa dia indraindray tsy mila mampiasa mpampiankina mba hilazana ny anjara asan' ny anarana.

Sokajin-teny hafa afaha miaraka amin' ny anarana

[hanova |hanova ny fango]

Afaka mikambana amin' nympamaritra ny anarana, ka ny tena fantatra amin' izany dia nympamari-toetra.

Anjara asan' ny anarana

[hanova |hanova ny fango]

Misy nyanjara asa anaty fehezanteny ary ao koa ny anjara asa anatytarika.

Anjara asa am-pehezanteny

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' nyfehezanteny, amin' ny lafiny endrika dia mety hisahana anjara asalazaina nafameno naentimilaza koa aza ny anarana. Amin' ny lafiny hevi-teny dia afaka misahana anjara asa (tsinjara asa)mpanao naiharana natoe-javatra sns ny anarana. Amin' ny fiteny tsy milamatoanteny andry dia afaka misahana anjara asaentimilaza avy hatrany ny anarana.

Anjara asa anaty tarika

[hanova |hanova ny fango]

Ao anatytarika dia mety ho loha-tarika ny anarana ka ahazoanatarika anarana, na mety ho famenon' ny teny hafa (anarana,mpamari-toetra,tambinteny,mpampiankin-teny,matoanteny, sns).

Nyfamenon' ny anarana dia teny (anarana hafa na mpisolo) izay mameno ny anarana. Ny andian-teny foronin' ny anarana sy ny famenony no atao hoe "tarika anarana".

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Anarana&oldid=1068093"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp