Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Anana

Avy amin'i Wikipedia
Petsay

Nyanana nalegioma ravina diazavamaniry fihinan-dravina, matetika hanina manta, atao salady, ampiarahina amin' ny zava-manitra hafa hanatsarana ny tsirony sy ny fofony.

Ambany ny kalôria sy ny matavy ao amin' ny anana, nefa beprôteinina isaky ny kalôria izy, be tsiraka sakafo, be vy sykalsiôma, ary beotrikaina C, karôtenôida, loteinina, asidra fôlika ary koaotrikaina K. Nyepinara, ohatra amin' ny anana, dia ambany kalôria sy tavy isaky ny kalôria, ary be tsiraka sakafo, otrikaina C,otrikaina A karôtenôida,manganezy ary otrikaina K.

Ny anana dia misy karazan-javamaniry maro, saingy satria fôtôsintetika izy ireo dia misongadina manokana ny haavon' ny otrikaina K. Ny otrikaina K ao amin' ny anana no be indrindra. Noho izany dia tsy maintsy mitandrina manokana mba hamerana ny fihinanana anana ny mpampiasa ny fanafody misy otrikaina K.

Efa ho arivo ny karazan-jamaniry fihinan-dravina fantatra. Matetika ny anana dia avy amin' ny zava-maniry tsy maharitra ela, toy nysalady sy nylalanda (naepinara). Ny zavamaniry toy ny hazo sasany koa dia manome ravina azo hanina. Ny ravin' ny vilona maro koa dia azon' ny olombelona hanina ihany, ​​saingy matetika amin' ny mosary no ihinanana azy. Ohatra amin' izany nyjirofo, nyvarimbazaha sy nyvary ôrza.

Ny fanomanana azy, toy ny fanamainana sy ny fikosohana na fitotoana azy hanjary vovoka, na ny fanerena azy hahazoana ny ranony, dia azo ampiasaina mba hahatonga ireo ravina ireo ho azo atao sakafo.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Anana&oldid=1121575"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp