Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Ampemby

Avy amin'i Wikipedia
Salohin' ampemby (Sorghum bicolor)

Nyampemby naampemba dia vondron-karazan-javamaniry, ao amin' ny fianakavianaPoaceae. Zavamaniry toy nykatsaka maniry amin’ ny faritra mananatoetanin-jana-pehin-tany natoetany mediteraneana. Ampiasaina indrindra ho hanin’ ny biby fiompy ny ampemba. Ny karazany sasany dia volena koa mba hohanin’ ny olona. Atao hoeSorghum ny anarana siantifikan’ ity vondrona ity. Ny karazana ampemby fihinam-boa dia nySorghum durra sy nySorghum subglabrescens ary nySorghum caffrorum. Ny ampemby fihinam-biby dia nySorghum vulgare sy nySorghum bicolor.

Fielezan' ny fambolena azy

[hanova |hanova ny fango]

Fiaviany sy fielezany

[hanova |hanova ny fango]
Tanin' ampemby ao Addi Azmera, anyEtiôpia

Mety taoAfrika no nanirian' ny ampemby voalohany, dia ilay karazana ampemby atao amin' ny anarana siantifika hoeSorghum vulgare. Maniry amin' ny faritra mafana ny ampemba nefa afaka maniry koa amin' ny faritra mananatoetany antonony. Niitatra manerana ny faritra eto amin' izao tontolo izao manana toetany anelanelan' nyzana-pehin-tany ny fambolena ampemby, hatrany amin' ny faritra manana toetany antonony amin' ny ila-bolantany atsimo sy avaratra.

Firenena mpamboly ampemby

[hanova |hanova ny fango]

Mamboly ampemby ny any amin' ny firenena sasany tao amin’ nyFiraisana Sôvietika taloha, ny firenana toa an' iPôlônia, ny firenena maro atyAfrika, ny anySina ary ny firenena aoEorôpa Andrefana, indrindra iAlemaina.

Noho ny fatantezany hafanana sy haintany mandritra ny fotoana lava dia mety tsara amin’ ny lemaka midadasika aoAmerika Avaratra ny ampemba. Volena betsaka ao amin' ny faritra afovoany sy andrefan' iEtazonia ny ampemby ka ahafahana mampitombo izaitsizy ny fampiasana ity zavamaniry ity ao amin' io firenena io.

Toetrany sy fampiasana azy

[hanova |hanova ny fango]

Misy poizina

[hanova |hanova ny fango]

Mandra-pisian' ny voniny, ny ampemby dia misygliokôzy mamokatra asidra sianidrika izay mahatonga azy hahafaty ny biby. Kely anefa ny asidra ao amin' ny ampemby raha volena amin' ny tany lonaka sy mitazona rano betsaka.

Fampiasana ny ampemby

[hanova |hanova ny fango]

Ankoatry ny fampiasana ny ampemby amin' ny fanaovana sakafom-biby dia atao sakafon' olombelona ny voany izay totoina ho lasa koba na karakaraina ho lasa zavapisotro.

Fanakilasiana anatiny

[hanova |hanova ny fango]

Zana-bondron-karazana

[hanova |hanova ny fango]

Ny vondron-karazanaSorghum dia ao amin' ny zana-pianakavianaPanicoideae, ao amn' ny fokoAndropogoneae (izay misy nykatsaka sy nyfary) ary zana-pokoSorghastreae (naSorghineae). Ity farany dia ahitana vondron-karazana roa:Sorghum syCleistachne. Ny vondron-karazanaSorghum dia mizara ho zana-bondron-karazana enina:

  • Eu-sorghum (Stapf);
  • Chaetosorghum ;
  • Heterosorghum ;
  • Sorghastrum (Nash) ;
  • Parasorghum (Snowden) ;
  • Stiposorghum.

Karazana

[hanova |hanova ny fango]

Indreto ny karazana ao amin' ny vondronaSorghum, araka nyCatalogue of Life (27 Aogositra 2016) :

  • Sorghum amplum Lazarides
  • Sorghum angustum S.T.Blake
  • Sorghum arundinaceum (Desv.) Stapf
  • Sorghum bicolor (L.) Moench (naSorghum vulgare Pers.)
  • Sorghum brachypodum Lazarides
  • Sorghum bulbosum Lazarides
  • Sorghum burmahicum Raizada
  • Sorghum controversum (Steud.) Snowden
  • Sorghum drummondii (Nees ex Steud.) Millsp. & Chase
  • Sorghum ecarinatum Lazarides
  • Sorghum exstans Lazarides
  • Sorghum grande Lazarides
  • Sorghum halepense (L.) Pers.,
  • Sorghum interjectum Lazarides
  • Sorghum intrans F.Muell. ex Benth.
  • Sorghum laxiflorum F.M.Bailey
  • Sorghum leiocladum (Hack.) C.E.Hubb.
  • Sorghum macrospermum Garber
  • Sorghum matarankense Garber & Snyder
  • Sorghum miliaceum (Roxb.) Snowden
  • Sorghum nitidum (Vahl) Pers.
  • Sorghum plumosum (R.Br.) P.Beauv.
  • Sorghum propinquum (Kunth) Hitchc.
  • Sorghum purpureosericeum (Hochst. ex A.Rich.) Schweinf. & Asch.
  • Sorghum stipoideum (Ewart & Jean White) C.A.Gardner & C.E.Hubb.
  • Sorghum timorense (Kunth) Buse
  • Sorghum trichocladum (Rupr. ex Hack.) Kuntze
  • Sorghum versicolor Andersson
  • Sorghum virgatum (Hack.) Stapf

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ampemby&oldid=1096992"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp