Amin' ny lafiny ara-jeôgrafia, ny velarantaniny dia 42 tapitrisa km2 ary ny isan' ny mponina dia 930 tapitrisa eo ho eo araka ny fanakekezana natao tamin' ny taona 2009.
IAmerika Avaratra avy amin' ny farany avaratra hatramin' ny farany atsimo dia mirefy 15 000 km. Raha isaina avokoa ny velarantany manontolon' i Amerika Avaratra sy ny velarantany manontolon' iAmerika Atsimo dia kôntinenta faharoa lehibe indrindra eto an-Tany i Amerika (velarantany manontolo: 42,44 tapitrisa km²). Avy amin' ny lafiny andrefana hatrany amin' ny lafiny atsinanana dia ahitana karazan' endri-paritra telo:
Nymorontsiraka andrefana dia ahitanatendrombohitra avo (mahatakatra hatrany amin' ny 6 959 m ny tendrombohitraAconcagua): ao Amerika Atsimo no ahitana nytangorom-bohitra lava indrindra ivelan-dranomasina (6 000 km ny avy any atsimo mianavaratra).
Eo amin' ny morontsraka atsinanana indray no ahitana tany lemaka. Misy ihany ny tendrombohitra nefa ny haavony dia tsy mihoatra ny 3 000 m mihitsy; ohatra izao ny tangorombohitr' iAppalaches any avaratra, na nyLembalemba Breziliana any atsimo.
Ny faritra afovoan' ny kôntinenta amerikanina roa indray dia ahitana na tany lemaka (eo amin' ny faritra afovoan' i Amerika Avaratra), na alabe rehefa manakaiky nyFehibe (alan' i Amazônia, any Amerika Atsimo). Ny toerana misy an' ireo tany lemaka sy alabe ireo dia tany lemaka iva ikambanan' ny renirano (bassin).
Ny isan' ny mponin' i Amerika dia marikitra ny 930 tapitrisa eo tamin' ny 2009. Ny isan' ny mponiny amin' izao fotoana izao dia injaton' ny isan' ny mponiny vao zato taona lasa izay. Izy io dia noho ny fifindra-monina ary ny fitomboan' ny isan' ny mponina ao amin' ny faritra atsimo amin' i Amerika ary eo amin' nyfaritra Karaiba.
IAmerika Afovoany dia andilan-tany mampitohy an' iAmerika Avaratra sy iAmerika Atsimo. Araka ny famaritana azy mahazatra ny maro dia ahitana ireto firenena ireto ny ao Amerika Afovoany:.