Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Albania

Avy amin'i Wikipedia
Albania

IAlbania naRepoblikan' i Albania dia firenena aoEorôpa, ao amin' ny tapany atsimon' iokôntinenta io, ao amin' nySaikanosy Balkanika. ITirana no renivohiny. Manana velaran-tany mirefy 28 748 km² izy. Atao hoeShqipëria naRepublika e Shqipërisë [ɾɛpuˈblika ɛ ʃcipəˈɾiːsə] (ara-bakiteny: "firenen' ny voromahery") izy amin' nyfiteny albaney. Mamaritra ny sisin-tanin' i Albania ao avaratra-adrefana iMôntenegrô sy iMakedônia Avaratra, ao avaratra-atsinanana iKôsôvô, ary ao atsimo-atsinanana iGrisia.

Firenena be tendrombohitra i Albania, izay ahitana tampona mahatratra haambo eo anelanelan' ny 2 100 m sy 2 600 m. Ny tany iva, izay hita amin' ny tapany andrefan' io firenena io, dia manamorona nyRanomasina Adriatika. Rakotraala ny iray ampahatelon' ny tanin' i Albania. Ny mponin' i Albania dia ahitana indrindra nyAlbaney, izay heverina ho taranaky nyIliriana (anisan' nyvahoaka indô-eorôpeana). NyGrika, nyRôma, nySerba ary nyBolgara no vahoaka vitsy anisa ao. Ny ankamaroan' ny mponina diaMozilmana. Maro ny Albaney niorim-ponenana ao amin' ny faritra sy firenena manodidina: aoKôsôvô, indrindra, anyMakedônia sy anySerbia ary anyMôntenegrô. Nandritra ny ady tao Kôsôvô  tamin' ny taona 1999 dia nandray Albaney voaroaka avy any Kôsôvô miisa analiny maro i Albania. Anisan' ireo firenena mahantra indrindra ao Eorôpa i Albania izay manakina ny toekareny amin' ny fambolena. Tamin' ny taona 1997 dia nizaka fahasahiranana ara-toekarena i Albania.  

(Feja e Shqiptarit është Shqiptaria)
Fitenyalbanezy
RenivohitraTirana
PraiminisitraEdi Rama
Filoham-pirenenaBujar Nishani
Velarantany28.748km²
Mponina
 - Manontolo (2004)
 -Hakitroka
Liste des pays par population
3.782.960 mponina
131 mpo/km²
Anarana
Fahaleovantena28 Novambra1912
Sandam-bola
Faritra oraUTC +1
Faritra Internet.al
Antso an-tariby00355
Hiram-pirenenaHymni i Flamurit

Tantara

[hanova |hanova ny fango]

Raha zohina ny tantara, nyAlbaney dia avy amin' nyIliriana, vahoakaindô-eorôpeana nanorim-ponenana teny amin' ny morontsiraky nyRanomasina Adriatika. Vokatry ny fivoarana ara-toekarena noho ny firoborobon' ny taozavatra vita amin' nyvy, tany amin' ny taonjato faha-6 tal. J.K., dia nanjary natanjaka izy ireo ka nanjaka tokoa teo amin' ny varotra, ary zary nampitahotra ny firenena nanodidina azy, indrindraindrindra tamin' ny fampiasan-kery amin' ny mpiantsambo.

Tamin' ny taona 168 tal. J.K. dia notafihin' iRôma iIliria, ary nataony teo ambany fifehezany nandritra ny taonjato dimy mahery kely. Faritany rômana i Iliria (Illiricum no niantsoana azy tamin' ny andron' iJolio Kaisara). Fa tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. kosa no nanomboka nahenoana voalohany ny fiantsoana hoe "Albanoi", tamin' ny antontan-taratasy nosoratan' i Ptôlemaio, mpandalinajeôgrafia.

Rehefa nirodana nyEmpira Rômana tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-5 dia teo ambany fahefan' nyEmpira Atsinanana - na koa antsoina hoeEmpira Bizantina - i Iliria. Tamin' izany dia nanjary toerana nanan-danja teo amin' ny varotra ny tanàna nisyseranan-tsambo lehibe toa an' iDyrrachium. Tany amin' ny faritany kosa dia nifanesy niditra sy nandrava tany ny mponina mpivezivezy toa nyGôty sy nyHona; nyBolgara tamin' ny taonjato faha-5; nySlava tamin' ny taonjato faha-6 sy ny taonjato faha-7 izay nibodo ny faritra avaratr' i Iliria. Maro tamin' ny Albaney nivadika hokristiana no nandositra tany amin' ny faritra atsimo. Tamin' ny taonjato faha-11 sy ny taonjato faha-12 kosa dia nyNormàna no nanjakazaka tao, ary tamin' ny taonjato faha-14 dia tonga kosa nySerba mandra-pirodan' nyEmpira Serba tamin' ny taona 1355, ka nizarazarana an' i Albania tamin' nytompo-menakely teo an-toerana.

Jeôgrafia

[hanova |hanova ny fango]

Ny 70 % amin' i Albania dia tendrombohitra avokoa, ka ny tendro avo indrindra dia 2 753 m (tendrombohitr' i Korab). Ny 30 % kosa dialemaka izay ifandimbiasan' nytondra-drano sy nyhain-tany, ka tsy mahatsara nyfambolena. Ny lemaka tena mahavokatra dia ireo izay manodidina farihy (farihyOhrid,Prespa Lehibe syPrespa Kely), sy nylembalemba sasantsasany eny anelanelan' ny lemaka sy nytendrombohitra. Ny hanynosy mba miavaka dia ny nosySazan.

Nyony lava indrindra dia iDrini: 282 km, izay azo lazaina fa misy rano ampy mandritra ny taona. Ny hafa kosa, toa an' iSemani sy iVojsa, na dia mihoatra ny 160 km aza ny halavany, dia saika maina foana mandritra nyfahavaratra.

Mponina

[hanova |hanova ny fango]

I Albania dia misy mponina azo lazaina ho ranoray, satria ny 96 % diaAlbaney avokoa, izay mizara hoGega any avaratra, aryTôska any atsimo, ary sarahin' ny onyShkumbin tsara ireo faritra roa ireo. Mizara ho vondrona roa mazava izy ireo na ara-pinoana, na ara-pitenenana, na ara-poko koa aza. Karazam-pivavahana telo no tena misongadina ao Albania: nyMozilmàna, tokony ho ny 70 %-n' ny mponina, sy nyÔrtôdôksa: 20 %, ary nyKatôlika: 10 %.

Pôlitika

[hanova |hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania -Alemaina -Andôra -Aotrisy -Belzika -Bielôrosia -Bolgaria -Bôsnia-Herzegôvina -Danemarka -Espaina -Estônia -Fanjakana Mitambatra -Finlandy -Frantsa -Grisia (naGresy) -Hôngria (naHongaria) -Irlanda -Islandy -Italia -Jeôrjia -Kipra (naSipra) -Kôsôvô -Krôasia (naKrôatia) -Letônia -Liktenstaina -Litoania -Loksemborga -Masedônia Avaratra (naMakedônia Avaratra)-Malta -Môldavia -Môntenegrô -Nederlandy -Nôrvezy -Okraina -Pôlônia -Pôrtogaly -Tsekia -Romania -Rosia -San-Marîno -Serbia -Slôvakia -Slôvenia -Soeda -Soisa -Tsekia -Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Rohy

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Albania&oldid=1114223"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp