NyAlakamisy diaandro fahefatra ao amin' nyherinandro raha nyAlatsinainy no andro voalohany fa andro fahadimy kosa raha nyAlahady no andro voalohany. Andro voalohany ny Alakamisy ho an' nyMalagasy mandala ny nentin-drazana tsy mandray ny Alatsinainy na ny Alahady ho andro voalohany amin' ny herinandro. NyMalagasy talohan' ny fidiran' ny kolontsaina arabo sy ny kolontsaina tandrefana dia nisy nanao ny Alakamisy ho andro voalohany amin' ny herinandro.
Nyteny malagasy hoeAlakamisy naLakamisy naKamisy dia avy amin' nyteny arabo hoe الخميس /al-khamīs izay midika hoe "ny fahadimy".
Alakamisy no andro voalohany teo amin' ny Ntaolo malagasy; andron' Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin' ny Andriana hisehoana amin' ny vahoaka[1].
Andro tsara ny Alakamisy: ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy. Andro tsara ny Alakamisy fa manantena hisy. Andro fivoahan' ny Andriana sy fisantarana ny zavatr' Andriana, fisantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran' ny tafika sady fivoahany[1].
Andro ratsy ihany koa ny Alakamisy: mampisy loza. Ohatra:fady ny mandevina Alakamisy fa miandry Zoma, mbamin' ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny akorandriaka no faditry ny andro Alakamisy[1].
- Ny Alakamisy an' Andriamanelo, ary ny Zoma an' Andriamananitany; ataoko fanjakana arindra.
- Ny maty no tsy alevina alakamisy sy alahady, ny velona no tandrovina.
- Tetiandro gregôriana:Janoary,Febroary,Marsa,Avrily,Mey,Jona,Jolay,Aogositra,Septambra,Ôktôbra,Nôvambra,Desambra.
- ↑1,01,1 et1,2"Alakamisy", H. Rabeony sy ny namany,Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy, 1937-1963.