Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Ahora Mazda

Avy amin'i Wikipedia

IAhora Mazda dia ilayAndriamanitra lehibe ivavahana ao amin' nymazdeisma. Avy amin' ny anarana amin' nyteny persiana taloha hoeAuramazdâ izay midika hoe "Tompon' ny Fahendrena" io anarana io.

Taorian' ny fanavaozana ny fivavahana mazdeana nataon' iZaratostra (na Zôrôastra) dia lasaAndriamanitra tokana sy tsy aseho sary no mihoa-draha ho an' nyzôrôastrisma i Ahora Mazda. Araka ilay boky atao hoeAvesta dia i Ahora Mazda no ilay Fanahy fara tampony niteraka ireo foto-javatra roa mifanohitra, dia iSpenta Mainio (Spenta Mainyu) ("Fanahy Masina") sy iAngra Mainio (Angra Mainyu) ("Fanahy Ratsy"). Mihoatra ny zavatra rehetra azo tsapain-tanana ao amin'ny famoronana (izany hoe ny zavaboary rehetra) i Ahora Mazda. Izy no rain'i Atara (Atar) ("Afo masina"), izay miseho amin' ny alalan' ny Afo voalohany indrindra izay fahazavam-baratra, tsy azo tsapaina, nefa nialoha sady niteraka ny fanazavan-danitry ny afo-masoandro sy ny afon-kintan' ny Tontolo.

Amin' nyzervanisma dia iÔrmozda (Ormudz) (fanafohezana ny hoeAhora Mazda amin'nyteny pelevy) sy iArimàna (Ahriman) (fanafohezana ny hoeAngra Mainio amin' nyteny pelevy) dia anjakan' i Zervàna (ny "Fotoana tsy misy fetrany"). I Ôrmozda dia rafin' i Arimàna, ilay anehoan' ny Zôr$pastriana nyRatsy. Izy no mpitondra ny arta (izany hoe nyfahendrena sy ny fahamarinana).

Amin' ny zoroastrisma, ny Ashema Senta ("Masina tsy Mety maty") na andriamanitra voalohany ao amin' ny mazdeisma dia lasa ireo teny enti-milaza ny Tompo Ahora, dia ireto:

  • i Vôho Manàh (Vohu Manah): ny eritreritra tsara;
  • i Asa Vahista (Asha Vahishta): ny fahamarinana miavaka, ny lamina marina izay fahatongalafatr' andriamanitra ka anisan' izany ny lamina misy eo amin' izao rehetra izao;
  • I Ksatra (Khshatra): ny Fanjakan' Andriamanitra, Fanjakana tokony hirina (Khshatra Vairià) - ny fari-panjakana - fahefana ary herin' ny Tsara;
  • Armaity (Ârmaiti): ny fanoloran-tena, amin' ny maha fitiavam-bavaka masina misy asa fanaovan-tsoa - Spenta Armaity;
  • Haorvatata (Haurvatât): ny fahasalamana, amin' ny maha mpandrava ny aretina tao amin' ny famoronana nataon' i Arimàna, sady famonjena eto amin' ny tontolo ara-panahy;
  • Ameretata (Ameretât): ny tsy feteza-maty (na ny tsy fahafatesana) amin' ny maha hetsika tsy manam-pahataperana ny fiainan' ny andriamanitra.
  • azo ampidirina koa i Mazda (Mazdâ): ny fahendrena, ny fahazavana, ny fahalalana ny zava-drehetra. Indraindray i Spenta Mainio ("Fanahy Masina") dia avahana ka tsy afangaro amin'i Ahora Mazda (Tompo Hendry, andriamanitra fara tampony) izay heverina fa rain'i Spenta Mainio, nefa indaindray koa i Ahora Mazda dia i Spenta Mainio amin'ny fosehoana miavaka, indrandray koa dia ampitovizia tanteraka izy roa.

Ilay kapila misy elatra dia maneho amin'ny sary mivohitra maro ny tanàm-panjakan'i Persepolisy, toraka izany koa amin'ireo tombokase tamin'ny andron'nyAkemenida. Ny fampitoviana azy amin'i Ahora Mazda anefa mampiady hevitra. Araka an'i Paul du Breuil dia tsy maneho an'i Ahora Mazda izany fa maneho ny Farvahara (Farvahar), ny fravarty (fravarti) (ny Anjely) izay hita ao amin'ny bolan'ny Masoandro. Misy ny mihevitra fa maneho ny mpisorona Mardoka (Marduk), be volom-bava sy miakanjo amin'ny fomba araka ny Veda, mivoaka amin'ny ampahany avy amin'ny kapila-masoandro misy elatra.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ahora_Mazda&oldid=1062881"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp