Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Afrika Atsimo

Avy amin'i Wikipedia
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Republic of South Africa((en))
Republiek van Suid-Afrikaaf
IRiphabliki yaseMzantsi Afrikaxh
IRiphabliki yaseNingizimu Afrikazu
IRiphabliki yeSewula Afrikanbl
Repoblikan' i Afrika Atsimo((mg))
Sainan'i Afrika AtsimoFanevan'i Afrika Atsimo
(Antsipirihany)(Antsipirihany)
Teny filamatra: « !ke e: ǀxarra ǁke » (ǀXam)
Teny ofisialyfiteny afrikaans,fiteny anglisy,fiteny ndebele (isindebele),fiteny xhosa (isixhosa),fiteny zulu (isizulu),fiteny sotho avaratra (sepedi),fiteny sothodu atsimo (sesotho),fiteny tswana (setswana),fiteny siswati (siSwati),fiteny venda venda (tshivenda),fiteny tsonga (xitsonga).
RenivohitraPretoria

Le Cap
Bloemfontein

Tanana lehibe indrindraJohannesburg
Fitondrana sy governemanta
 -Filohan'i Afrika Atsimo
Repoblika
Cyril Ramaphosa
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 25
1 219 912km²
Azo tsy kaontiana
Isam-ponina
 - Tontaliny (2009)
 -hakitroka
faha 27
49 052 489 mpo.
40.2 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponinaAfrikanina
IDH (2006)0.670 (moyen) 125[1]
Sandam-bolaRand (ZAR)
Faritr'oraUTC +2
Hiram-pirenenaNkosi Sikelel'iAfrika/Die Stem

Die Stem van Suid Afrika
Nkosi Sikelel'iAfrika

Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+27

IAfrika Atsimo diafirenena ao amin' nyfaritra atsimo amin' i Afrika, manana velarany mirefy 1 219 090 km². Mamaritra azy avy ao avaratra iNamibia, iBôtsoana, iZimbaboe, iMôzambika ary iEsoatiny, ao atsinanana nyRanomasimbe Indiana, ao andrefana nyRanomasimbe Atlantika. ILesôtô indray dia firenena rakotra tanteraka ao anatin' i Afrika Atsimo. Niisa 48,7 tapitrisa eo ho eo ny mponina ao araka nyfanisam-bahoaka tamin' ny taona 2008 fa lasa 57,72 tapitrisa izany tamin' ny taona 2018. Atao hoe Afrikana Tatsimo ny vahoakan' io Firenena io .

Beharena an-kibon' ny tany i Afrika Atsimo (volamena,diamondra sns.), ireo harena ireo no anisan' ny mahatonga azy ho firenena matanjaka indrindra aoAfrika.

Ilay mpandeha an-tsambo atao hoeVasco de Gama no Eorôpeana nahita an' i Afrika Atsimo Voalohany tamin' ny taona 1498. Nozanahin' nyHôlandey i Afrika Atsimo tamin' ny taonjato faha-17, avy eo nozanahin' nyBritanika nanomboka tamin' ny tana 1795. Taorian' ny adin' nyBoora izay nampifanandrina nyBritanika sy nyAfrikanera (taranaky ny voanjo avy anyHôlandy sy avy anyFrantsa), teo anelanelan' ny taona 1899 sy 1902, dia niforona ny Firaisana Afrikana Tatsimo tamin' ny taona 1910. Io no lasa Repoblikan' i Afrika Atsimo tamin' ny taona 1961. Nisongadina teo amin' ny tantaran' i Afrika Atsimo tamin'ny antsasany faharoa amin' ny taonjato faha-20 ny pôlitikan' nyfanavakavaham-bolon-koditra (apartheid). Teo anelanelan' ny taona 1948 sy 1991 dia nitsinjara ho vondrona efatra voasaraka mazava tsara ny vahoaka tao Afrika Atsimo; dia nymainty hoditra, nysafiotra, nyfotsy hoditra ary nyAziatika. Tamin'ny fiantombohan'ny taompolo 1960 dia nisy ny fanoherana izany pôlitikan' ny fanavakavaham-bolon-koditra izany ka iNelson Mandela no nitarika izany. Novotsorana avy tao am-ponja ity mpitari-tolona ity tamin' ny taona 1990 rehefa natao ny fampihavanam-pirenena, ary voafidy ho filohan' i Afrika Atsimo tamin' ny taona 1994.

Jeôgrafia

[hanova |hanova ny fango]

Toetany

[hanova |hanova ny fango]
ny sarintany ara-politikan'i Afrika Atsimo
ny sarintany ara-politikan'i Afrika Atsimo

Any amin'ny farany atsimo amin' i kôntinenta afrikanina i Afrika Atsimo. Karazanatoetany mediteraneana ny toetaniny manodidina an' i Cap arytoetanin-jana-pehin-tany ny any avaratra sy any antsinanana. Maimaina ny toetany any amin' ny morontsirakaatlantika. Vakivakin' ny tendro Drakensberg ny tapany atsinanan' i Afrika Atsimo.

Faritany

[hanova |hanova ny fango]
Nyfaritany afrikanina tatsimo sivy

Mananafaritany sivy i Afrika Atsimo (hatramin'ny taona 1994 ka hatramin' izao). Ity ny lisitra:

  1. Western Cape, any atsimo-andrefan' i Afrika Atsimo sy ny nosin' i Pince Edouard.
  2. Northern Cape, any avaratry ny faritan' i Cap taloha
  3. Eastern Cape
  4. KwaZulu-Natal : Natal sy Zululand
  5. Firenena mizaka-tenan' i Orange (Free State)
  6. North West
  7. Gauteng:
  8. Mpumalanga:
  9. Limpopo: Faritra Transvaal-Avaratra taloha, notononina faritra avaratra tamin' ny 1995 hatramin' ny 2002.

Mponina

[hanova |hanova ny fango]

Ankapobeny

[hanova |hanova ny fango]

Ny tananan' i Cap (2 984 100 mponina),Durban (2 531 300 mponina), iJohannesburg (1 975 500 ponina) ary iPretoria (1 473 800 mponina) no tanàna lehibe indrindra any Afrika Atsimo, araka ny faminavinana tamin' ny taona 2004.

Ny mponina afrikana tatsimo dia 59,3 tapitrisa tamin' ny taona 2020; izy no firenena faha-24 be mponina indrindra eran-tany. 61 525 521 ny isan' ny mponina any Afrika Atsimo tamin' ny taona 2023. Tsy mitovy ny fitsinjaran' ny mponina ao amin' ny tanim-pirenena afrikana tatsimo: ny ankamaroan' ny mponina dia mipetraka any amin' ny tapany atsinanan' ilay firenena. IGauteng no faritra be mponina indrindra, arahin' iKwaZulu-Natal. Ny fahamainan' nytoetany no azo anazavana amin' ny ampahany ny maha ambany ny hakitroky ny mponina ao amin' ny faritra avaratra-andrefana.

Foko ao Afrika Atsimo

[hanova |hanova ny fango]

Mizara foko efatra ny vahoaka ao Afrika Atsimo, dia nyAfrikana Tatsimo mainty hoditra, nyAfrikana Tatsimo fotsy hoditra, nyAfrikana Tatsimo safiotra, ary nyAfrikana Tatsimo indiana syziatika. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2022 dia mainty hoditra ny 81,4 % amin' ny Afrikana Tatsimo, fotsy hoditra ny 7,3 %, safiotra ny 8,2 % aryIndô-Aziatika ny 2,7 %.

Mainty hoditra

[hanova |hanova ny fango]

Ny mainty hoditra dia mizara ho foko samihafa, ny lehibe indrindra dia nyZolo (Zulu) sy nyKôsa (Xhosa). Mivangongo any amin' ny tapany atsinanan' ily firenena izany, fa vitsy anisa kosa ao amin' ny faritany roan' i Western Cape sy i Northern Cape. Anisan' ity vondrona ity koa nyBapedy (Sôtô Avaratra), nyBatsoana, nyNdebele Atsimo, nyBasôtô (Sôtô Atsimo), nyVenda, nyTsônga ary nySoazy naSoaty, izay samy miteny amin' nyfiteny banto atsimo ny ankamaroany.

Fotsy hoditra

[hanova |hanova ny fango]

Amin' ny mponina fotsy hoditra ao amin' ilay firenena, nyAfrikanera (naBoora), izay tranainy indrindra, dia 60 % amin' ny fotsy hoditra ao amin' ilay firenena. Avy anyNederlandy naEorôpa Avaratra ny razamben' ireo Afrikanera ireo. Ny ampahany manan-danja dia nyHogenôta (huguenot) frantsay izay nanorim-ponenana tao amin' ny Cape Colony nandritra ny Adim-Pivavahana tanyFrantsa (ireto farany ireto anefa dia anisan' ny Afrikanera; tombanana fa ny 25 % amin' ny anaram-pianakaviana afrikanera dia avy amin' ny fiaviana frantsay). Ny fotsy hoditra hafa (40 %) dia manam-piaviana britanika sy pôrtogey ary alemana.

Olana ara-tsôsialy

[hanova |hanova ny fango]

Araka ny tatitra nataon' nySouth African Institute of Race Relations (SAIRR) dia fotsy hoditra manodidina ny 900 000, na ny ampahenin' ny mponina, no nandao an' ilay firenena nanomboka tamin' ny taona 1994. Ireo fialana goavana ireo, indrindra fa ny tanora afrikana tatsimo be diplôma, dia nomelohin' ny mpanohitra izay namely nyAfrican National Congress (ANC) noho ireny fiaingana be loatra ireny. Na izany aza dia nisy tranga vaovao tsikaritra, ny "revôlisiônan' ny fiverenana an-tanindrazana".

Maro amin' ny ankizy avy any ambanivohitra no tsy manana kara-panondro na kopia nahaterahana, izay lafo loatra indraindray ho an' ny ray aman-dreny. Ny fikambanana tsy miankina amina governemantaScalabrini Center dia manombana fa ny 40 % amin' ireo ankizy ireo dia mijanona ivelan' ny rafi-pampianarana.

Fiteny

[hanova |hanova ny fango]

Tsy misy nyfitenin-dreny be mpampiasa indrindra ao Afrika Atsimo. Tamin' ny taona 1910, nyfiteny neerlandey, miaraka amin' nyfiteny anglisy, iray amin' nyfiteny ôfisialy roa neken' ny andrim-panjakana vaovaon' ny Firaisan' i Afrika Atsimo. Tamin' ny volana Mey 1925 dia nasondrotra ho fiteny ôfisialy nyfiteny afrikansa ho solon' ny fiteny neerlandey (Union Act No 8 of 1925). Nanatevin-daharana nyNederlandse Taalunie ("fikambanana ara-piteny neerlndey") i Afrika Atsimo tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21, nefa olom-pirenena 60 000 ihany no mbola mahay miteny io fiteny io.

Fiteny ôfisialy

[hanova |hanova ny fango]

Nanomboka tamin' ny taona 1994 diafiteny ôfisialy iraika ambin' ny folo (fiteny anglisy,fiteny afrikansa,fiteny zolo,fiteny kôsa,fiteny soaty,fiteny ndebele,fiteny sesôtô,fiteny sepedy,fiteny setsoana,fiteny kitsônga,fiteny tsivenda) no neken' nylalàm-panorenan' i Afrika Atsimo.

Raha ny marina, nyfiteny zolo nofitenin-dreny be mpampiasa indrindra any amin' ny tokantrano afrikana tatsimo (manodidina ny 1/4 amin' ny mponina), arahin' ny fiteny kôsa (17,6 %). Eo amin' ny laharana fahatelo dia nyfiteny afrikansa izay ahitana 14 % mpiteny teratany. Saingy satria ampiasain' ny 30 % mahery amin' ny Afrikana Tatsimo ho fiteny faharoa izy io, ny fiteny afrikansa no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra ao amin' ilay firenena. Na izany aza, ny fiteny afrikansa dia mijaly noho ny fifaninanana amin' ny fiteny anglisy, izay toa ilaina kokoa sy mijanona ho fitenin' ny raharaham-barotra sy ny fifandraisana.

Fiteny anglisy

[hanova |hanova ny fango]

Amin' ny ankapobeny, nyfiteny anglisy dia mandroso amin' ny sehatra rehetra ary indrindra eo amin' ny tanora nahita fianarana, maro amin' izy ireo no mitaky fianarana ambony amin' ity fiteny ity, ary noho izany dia heverina ho fiteny ifaneraseran' ny tsy mitovy fiteny. Nandritra ny vanim-potoanan' nyApartheid, ny fiteny anglisy dia noheverina ho fitenin' ny fahafahana, natao hifandraisana amin'ny tontolo ivelany. Raha ny fiteny anglisy no voalohany amin' ny fiteny faharoa ary ny 85 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena no miteny azy (anisan' izany ny 90 % amin' nyfotsy hoditra) na manana fahalalana momba azy io, dia tena fitenin-dreny ho an' ny olom-pirenena vitsivitsy latsaky ny 5 tapitrisa any Afrika Atsimo izy. Mbola tsy hain' ny any amin' ny faritra ambanivohitra na eo amin' ny zokiolona sy olona ao amin' nyfokom-pirenena mitoka-monina ny fiteny anglisy.

Tamin' ny taona 2020, ny fiteny anglisy no fitenin-dreny ho an' ny 10 % amin' ny Afrikana Tatsimo, ary fiteny faharoa ho an' ny 85 % amin' ny Afrikana Tatsimo. Noho izany, ny 95 % amin' ny Afrikana Tatsimo (2020) dia miteny anglisy tsara, na manana fahalalana bebe kokoa momba ity fiteny ity. Matetika, ny tsy mbola tsara ny fitenenana ny fiteny anglisy, indrindra fa eo amin'mainty hoditra ao amin' ny sarangan' ny mpiasa, na mpiasa izay niditra amin' ny sehatry ny asa fony mbola tanora. Ny 5 % amin' ny Afrikana Tatsimo kosa dia tsy miteny anglisy, matetika ny mainty hoditra na nyAfrikanera be taona, na ny mainty hoditra lavitra ny tanàn-dehibe, na ny mpifindra monina (Angôley, Môzambikana, sns.). Noho ny fidirana an-tsekoly tsy maintsy atao, ny fiteny anglisy dia tokony hotenenin' ny 98 % farafahakeliny amin' ny mponina amin' ny taona 2050, saingy amin' ny lenta samihafa.

Fiteny hafa

[hanova |hanova ny fango]

Araka ny andininy faha-6 amin' ny lalàm-panorenan' i Afrika Atsimo tamin' ny taona 1996, nyfanjakana sy nyfaritany dia tsy maintsy mampiroborobo ny fiteny ampiasain' ny vondrom-piarahamonina samihafa monina ao amin' ny firenena ihany koa; ny lehibe amin' ireo fiteny ireo dia nyfiteny alemàna, nyfiteny grika, nyfiteny gojaraty, nyfiteny hindy, nyfiteny pôrtogey, nyfiteny tamoly, nyfiteny telogo, nyfiteny ordo, nyfiteny arabo, nyfiteny hebreo, ary nyfiteny sanskrity.

Fivavahana

[hanova |hanova ny fango]

Ao Afrika Atsimo, araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2001, dia 79,7 % amin' ny mponina noKristiana.Prôtestanta ny ankamaroan' ny Kristiana. Ny 7,1 % amin' ny mponina ihany nokatôlika. Amin' ny fiangonana prôtestanta, dia singanina manokana ny Zion Christian Church ("Fiangonana Kristiana Ziôna") izay manana 11,1 % amin' ny mpino, nyfiangonana pentekôtista misy 8,2 %, nyfiangonana metôdista misy ny 6,8 % amin' ny mponina, nyfiangonana nohavaozina Nederduitse Gereformeerde Kerk "Fiangonana Nohavaozina Hôlandey" misy ny 6,7 % amin' ny mponina, nyFiangonana anglikana misy 3,8 % amin' ny mponina.

Misy fiangonana kristiana afrikanina tatsimo maromaro ary efa ho 85 % amin' ny mponina dia mpikambana amin' ny fiangonana iray. MisyMozilmana manodidina ny 1,5 % ihany koa ilay firenena, matetikaIndiana na olona avy anyIndônezia, 1,3 % nyHindo ary 0,2 % nyJiosy, izany hoe olona 140 000). Marihina koa ny fisian' ny vondrom-piarahamoninabodista madinidinika, nyZôrôastriana sy nyBahay, ary nysekta samihafa. Ny 15,1 % amin' ny mponina dia tsy manana fivavahana, ny 2,3 % manaraka hetsika ara-pivavahana hafa ary ny 1,4 % tsy namaly nandritra ny fanisam-bahoaka. Mahatratra 0,28 ny manaraka nyfivavahan-drazana.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Foko ao Afrika Atsimo:Lemba (vahoaka)

Kôntinenta eto an-tany

Momba an' i Afrika Atsimo

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Afrika_Atsimo&oldid=1123315"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp