Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Afo fandiovana

Avy amin'i Wikipedia
Ny afo fandiovana, sary nataon'i Peter Paul Rubens

Nyafo fandiovana, araka ny fampianaran' nyEglizy katôlika indrindraindrindra, dia ny fanavotana nyfanahin' ny olona aorian' ny fahafatesana, izay anadiovana azy ho afaka amin' nyfahotana mila nyfamelan-keloka avy amin'Andriamanitra, na izay ianjadian' ny fanasaziana mandalo iaretan' ny mpanota aorian' ny famelana nyfahotana mahafaty nataony. Aorian' izany dia afaka ny hiditra amin' ny fahasambarana ny fanahin' ny olona. NyFiangonana tatsinanana sy nyFiangonana tandrefana dia samy miaiky ny fisian' ny afo fandiovana ary mihevitra izy ireo fa toeram-pijaliana izany. Raha mino ny Fiangonana tandrefana fa handalo fisedrana afo ara-bakiteny ny mpanota, ny Fiangonana tatsinanana kosa tsy manazava ny karazana fijaliana hahazo ny mpanota. NyKônsily tao Florentia tamin' ny taona 1439 dia nihevitra izany lohahevitra izany ho mbola azo iadian-kevitra.

Nyfoto-pampianarana sy ny fanao tamin' nyAndro Antenatenany momba ny afo fandiovana dia niadian-kevitra ary nympanavao fiangonana prôtestanta dia nanda ny fisian' izany. Nilaza nyPrôtestanta fa nyfamonjena ny olombelona rehetra dia efa vitan' iJesoa Kristy ary izany famonjena izany dia avy amin' nyfinoana an' iKristy irery ihany. Ny fisian' ny dingana anelanelany sy ny fotoam-panabeazana sy fisedrana aorian' ny fahafatesana dia nampianarin' nyFiangonana anglikana.

Ny teny anohanana ny fisian' ny afo fandiovana

[hanova |hanova ny fango]

Tsy hita ao amin' nyBaiboly ny teny hoe "afo fandiovana" nefa mihevitra ny Katôlika fa misy andalana ao amin' ny Baiboly izay fa manaporofo ny fisian' izany.

Boky prôtôkanônika

[hanova |hanova ny fango]

Misy andalana ao amin' nyTaratasy voalohany ho an' ny Kôrintiana sy nyTaratasy voalohany nosoratan' i Piera (na Petera) ary nyEvanjelin' i Matio izay heverina fa manohana ny fisian' ny afo fandiovana:

"12Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin' io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan' ny olona tsirairay avy;13ary ny andron' ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin' ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan' ny olona tsirairay isam-batana:14maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy;15may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefahovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin' ny afo." (1Kôr. 3.12-15).

"Ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin' ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin' ny andro hisehoan' iJesoa-Kristy." (1Piera 1.7).

"Ary na iza na iza hanao teny manohitra nyZanak' olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra nyFanahy Masina kosa, dia tsy hahazofamelan-keloka, na amin' ity fiainana ity na amin' ny ho avy." (Mat. 12.32).

Boky deoterôkanônika

[hanova |hanova ny fango]

NyBoky faharoan' ny Makabeo dia misy andalana anisan' ny anohanan' ny Katôlika ny fisian' ny afo fandiovana.

"43Rahefa izany, nampanao vokatra izy, ka nahavory drakma roa arivo nampanateriny hanaovana sorona fanonerana anyJerosalema. Asa soa sy mendrika, avy amin' ny fiheverana nyfitsanganana amin' ny maty, izany.44Satria, raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin' ny maty, ny miaramila maty an' ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an' ny maty.45Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an' izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an' izany sorona fanonerana izany ho an' ny maty, mba ho afaka amin' ny fahotany izy ireo.." (2Mak. 12.43-45).

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Afo_fandiovana&oldid=1074770"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp