Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Ady Lehibe Faharoa

Avy amin'i Wikipedia
Manaraka ny zotran' ny tondrom-pamantaranandro avy any ambony ankavia: tafiky nyCommonwealth any an' efitra; miaramila japôney mandevim-belona Sinoa sivily; i Stalingrad taorian' ny fanafahana azy; fiaramanidina mpiady japôney eo ambonin' ny samboShōkaku; fahazoan' nyTafika Mena an' i Berlin; sambo mpisitrika alemàna voatafika.

NyAdy Lehibe faharoa (AL2) dia ady mitam-piadiana izay niseho maneran-tany, nanomboka tamin'ny1 Septambra1939 sy nifarana tamin'ny 2 Septambra 1945. Io ady maneran-tany io dia nampifanandrina toby roa: ny Mpiray Dina (frantsay:Alliés), izay ahitana ny firenenatandrefana toa an'iFrantsa sy nyFanjakana Mitambatra ary iEtazonia, miampy nyFiraisana Sôvietika sy iSina, andaniny, sy ny firenena ao amin' ny Aksisy na Teza (frantsay:Axe), izay ahitana an'iAlemaina Nazi sy nyEmpira Italiana ary nyEmpira Japôney, ankilany.

Ny Ady Lehibe Faharoa[1] dia vokatry ny tsy fahafaham-po nateraky ny famahana nyAdy Lehibe Voalohany sy ny nofinofi-piitarana (imperialisma) sy fanjakazakana tao amin'ny firenena telo lehibe ao amin' ny Aksisy. Raikitra ny AL2 noho ny fitambaran' ny disadisa sy ny ady an-trano tao amin'ny faritra maro, indrindra tatyAfrika (ady faharoa teo amin' iItalia sy iEtiôpia nanombola tamin' ny taona 1935), taoEspaina (ady an-trano nanombola tamin' ny 18 Jolay 1936), tao Sina (ady sinoa-japôney tamin' ny 7 Jolay 1937) ary ary taoEorôpa Afovoany (fampidiran' i Alemaina an-keriny an'iAotrisy ho anisan'ny taniny tamin'ny 11 Martsa 1938, ary fakany ny fizaràn-tanin' nySodety avy amin'iTsekôslôvakia tamin' ny 21 Ôktôbra 1938, fanafihan'i Alemaina an'iPôlônia tamin' ny 1 Septambra 1939).

Polonia.17 Septambra1939, araka ny fifanarahana miafina nataon' i Molotov (Firaisana Sôvietika) sy i Ribbentrop (Alemaina)

Nanao fifanekena ny tsy hifanafika nyFiraisana Sôvietika sy iAlemaina nazi tamin' io fotoana io. Raha tamin' ny voalohany nifandray tamin' i Alemaina tamin' ny fizaràna an' iEorôpa ny Firaisana Sôvietika, dia nanatevin-daharana ny Mpiray Dina tao amin' ny vava ady ao Eorôpa Atsinanana ny Firaisana Sôvietika taorian' ny fivadihan' ny Alemana taminy sy taorian' ny fanafihan' i Alemaina an' i Pôlônia, ka lasa nifanafika indray ny Firaisana Sôvietika sy i Alemaina. Nandao ny tsy fiandaniany kosa iEtazonia taorian' ny fanafihan' ny Japôney an' iPearl Harbor anyHawaii tamin' ny 7 Desambra 1941. Nanomboka teo dia nanjary maneran-tany tokoa ilay ady, ka nahatafiditra ny firenen-dehibe rehetra sy ny ankamaroan' ny firenena eran-tany, saika amin' ny kôntinanta rehetra.

Nitranga teny amin' ny zanatanin' ny firenena eorôpeanina ihany koa ny ady. Ao ny fanafihan' i Alemanina an' iLibia, ny fanafihan' nyBritanika ny firenena aoAfovoany Atsinanana ary koa ny fanafihany an' iMadagasikara tamin' ny 5 Mey 1942.

Nanomboka nifarana ny ady tao amin' ny sahan' ady eorôpeana tamin' ny 8 May 1945 (9 Mey 1945 tao amin' ny Firaisana Sôvietika noho ny fahasamihafan' ny hasin' ora) tamin' ny filavo lefona tsy misy fepetran' i Alemaina (nyReich Fahatelo), ary nifarana tanteraka tao amin' ny sahan' ady Azia-Pasifika tamin' ny 2 Septambra 1945 tamin' ny fioavo lefona tsy misy fepetran' ny Empiran' i Japàna.

Ny Ady Lehibe Faharoa no ady mitam-piadiana niseho tamina valaran-tany lehibe indrindra amin' izay fantatry ny olombelona, izay ​​nahitana mpiady maherin' ny 100 tapitrisa avy amin' ny firenena 61, nampiely ny ady tamin' ny velaran-tany 22 tapitrisa km2, ary nahafaty olona 62 tapitrisa teo ho eo, anisan' izany ny sivily maro anisa. Ny Ady Lehibe Faharoa ihany koa no ady ara-potokevitra lehibe indrindra teo amin' ny Tantara, izany no manazava ny nahafahan' ny heri-piaraha-miasa tsikombakomba taoEorôpa syAzia voabodo hiray hina amin' ny firenena mpanani-bohitra na fahavalo, sy ny nahafahan' ny fanoherana anatiny taoAlemaina Nazi izay mbola anaty ady, hisy. Amin' ny mahaady amin' ny lafiny rehetra ny Ady Lehibe Faharoa (frantsay:guerre totale), dia namafa saika tanteraka ny fisarahana eo amin' ny sehatra sivily sy miaramila izany ary niteraka fanetsehana faobe ny loharano, tsy ny ara-toekarena sy ara-tsiansa ihany, fa ara-môraly sy ara-pôlitika ihany koa, izay nahatonga ny fiarahamonina maro hirotsaka an-tsehatra tanteraka.

Tsy voatombana tsara ny halehiben' ny fahavoazana ara-materialy. Ny famoizana aina sy ny ratram-po iraisan' ny rehetra sy ny tsirairay dia lehibe, noho ny fihoa-pampan' ny herisetra izay tsy mbola nisy toy izany. Ny fifandonana mantsy dia niterakaheloka bevava an' ady maro, heloka bevava namporisihin' ny herisetra amin' ny fahery vaika sy halalina tsy manam-paharoa nataon' ny miaramila sy ny mpitandro filaminana, herisetra atao amin' ny sivily izay anisan' ny paikady miaramila. Nirongatra ny heloka bevava tsy mbola nisy toy izany, heloka bevava feno habibiana nahakasika vahoaka, indrindra noho ny famporisihan' iAlemaina Nazi sy iJapana Imperialy. Anisan' ireo heloka bevava ireo ny fandripaham-bahoaka tonga hatrany amin' ny fanaobaba sesitany any amin' ny toby famatrarana sy toby fiasana ary toby fandripahana, anisan' izany ny efi-trano famonoana amin' ny etona izay natokana ho famongorana ny vahoaka iray manontolo (Jiosy, Slavy,Tsigana) na sokajin' olona manokana (Kôminista, kilemaina,Vavolombelon' i Jehovah, sns.) indrindra noho ny fampirisihan' nyfitondrana nazi. Ny halehiben' ny heloka bevava nataon' ny resy dia nahatonga famaritana fanamelohana vaovao nataon' ny mpandresy: ny heloka bevava amin' ny maha olombelona, ​​indrindra fa nyfandripahana ny Jiosy tanyEorôpa. Tsy latsa-danja noho izany ny fitondran' iShōwa (Japàna) tany Azia, izay nahitana ny Kōa-in ("masoivoho fampandrosoana any Azia Atsinanana") nampiditra an-keriny Sinoa hiasa an-terivozona taoManchukuo, manodidina ny 200 000 ny "vehivavy mpampionona" (izany hoe andevo ara-pilan' ny nofo) nangonina ankeriny avy anyKôrea sy manerana nyAtsinanana Indrindra, ary koa ny fandringanana ny sivily, indrindra tany Sina.

Fanampin' izany ny famonoana ny mpanohitra mitam-piadiana sy ny mpanohitra ara-pôlitika, ary koa ny valifaty famonoana ny sivily, toy ny nataon' ny Nazi; ny fanolanana vehivavy any amin' ny tanin' ny fahavalo voabodo, izay heloka bevava ataon' ny andaniny sy ny ankilany, eny fa na any amin' ny tanin' ny firenena sakaiza koa aza; ny fanaocvana andrana amin' ny olombelona nataon' ny mpitsabo Nazi toy ny SS Josef Mengele, sy ny vondrona Japoney 731; ny fanapoahana bômba ataon' ny fiaramanidina amin' ny sivily faobe nataon' ny Aksisy tany Eorôpa (Coventry any amin' ny Fanjakana Mitambatra, Rotterdam any Nederlandy) sy tany Azia (Shanghai sy Canton ary Chongqing any Sina, io farany io no tanàna voadaroka baomba indrindra tamin' ny ady Sinô-Japôney), avy eo nataon' ny Mpiray Dina: fanapoahana baomba amin' ny tanàna alemàna maro, indrindra fa i Dresden sy i Hamburg any Alemaina, famelezana amin' ny lasantsy an' i Tokyo tao Japàna. Ny baomba atômika novolavolain' i Etazonia nandritra ny fifandonana dia sambany no nampiasaina teo amin' ny Tantara: baomba A roa nalatsak' i Etazonia teo amin' ny lasibatra sivily dia nipoaka telo andro nifanelabelana tany Hiroshima sy tany Nagasaki any Japàna.

Ny Ady Lehibe Faharoa dia nanosika an’iEtazonia sy nyFiraisana Sôvietika, izay mpandresy nisongadina, ho eo amin’ ny laharan’ ny firenena matanjaka indrindra izay lasa mpifaninana sy hanjakazaka amin’ izao tontolo izao sady hifanandrina amin’ ny fifandrafiana ara-poto-kevitra sy ara-pôlitika, nandritra ny antsasa-taonjato latsaka kely, ary hifanandrina ara-tafika amin' ny alalan' ny firenena hafa toy ny tamin' ny Ady tany Kôrea sy tany Vietnamy ary tany Afganistàna. Ny Ady Lehibe Faharoa koa dia nanisy tsy nampiverin-dalana intsony ny fihenan' ny herin' ny fitrenena mpanjana-tany tao Eorôpa, ary nanokatra ny firosoana amin' ny fanafoanana ny fanjanahantany izay nihafaingana tany Azia, tany amin' ny Tontolo Arabo ary taty Afrika, taorian' ny ady ka hatramin' ny taompolo 1960.

Ny haben' ny faharavana sy ny fahafatesana dia nanosika ny fananganana fikambanana iraisam-pirenena, ara-pôlitika sy ara-toekarena izay mikendry ny hisorohana ny toe-javatra mitarika ady (nyFirenena Mikambana, nyTahirim-Bola Iraisam-Pirenena, nyBanky Maneran-Tany ary nyFifanarahana Ankapobeny momba ny Fadintseranana sy ny Varotra, sns). Farany, ity fifandonana lehibe farany teoEorôpa ity dia narahin' ny vanim-potoanan' ny firoboroboana ara-toekarena tsy nisy toa azy taoEorôpa Andrefana, taorian' ny fanarenana, ary ny fipoirana miandala' ny tetikasa fampiraisana ara-pôlitika milamina notarihan' ny firenena mpifahavalo ara-tantara roa, dia iAlemaina sy iFrantsa.

Fahatongavana any amin' ny ady

[hanova |hanova ny fango]

Ny nahatonga ny ady lehibe faharoa tao Eorôpa dia ny tsifahafaham-pon' ny Alemanina tamin' ny fifanarahana tao Versailles (1919), ary ny krizy tamin' ny taona 1929 izay nampaharatsy ny toe-javatra ara-toekaren' ny firenena vao miarina tamin' nyAdy Lehibe Voalohany. Betsaka ny vola voatery naloan' i Alemaina ho fanatambazana ny Mpiray Dina (Angletera,Frantsa,Rosia,Etazonia). Very noho io fifanarahana io ihany koa ny zanatany alemanina taoAfrika.

Niverina ho amin' i Frantsa ny singam-paritanin' iAlsace syMoselle (Lorraine) izay nozanahin' i Bismarck taorian' ny ady tamin' ny taona 1870. Niharan' ny ady an-trano i Rosia noho ny Revôlisiôna Bôlsevika. Taorian' io revôlisiôna io dia niongana ny fanjakan' ny Tsar (mpanjaka rosiana).

Ny firenena telo nifanaiky (Alemaina,Aotrisy-Hôngria,Italia,Empira Ôtômana) dia samy very tany avy. Maro amin' ny faritra atsinanana amin' i Alemaina no very, ireo foko tao amin' ny Empiran' i Aotrisy-Hôngria ihany koa dia lasa samy nomena fahaleovantena, ny tanin' ny Empira Ôtômana dia nozarazarain' ny firenena mpandresy, afa-tsy iTorkia izay nahazo ny fahaleovantenany. Niongana ny Empira Alemàna ary natsangana nyRepoblikan'i Weimar.

Ny krizy ara-toe-karena tamin' ny 1929 dia vokatry ny famokarana be loatra, izay nampidina ny vidin-javatra ary nampitontongona ny toe-karena amerikanina. Ny fampodiana ny fampiasam-bola amerikanina lehibe tany Alemaina dia nampitontongana ihany koa ny toe-karena alemàna izay nampahamafy kokoa ny krizy efa tonga taoEorôpa. Maro ireo firenena eorôpeana nandray fepetra ary niezaka hanoherana ny vokatry ny krizy, toa nyNew Deal amerikanina. Nahamora ny fiakaran' ireo Sôsialista Nasiônalista (Nazi) teo amin' ny fitondrana ny krizy ara-toekarena tao Alemaina sy Italia. Nanohana ny asa tamin' ny alalan' ny fampiasana ny tsy an' asa amin' ny indostria ara-tafika sy tamin' ny tetikasa lehibe ireo firenena roa ireo.

Ny toe-javatra ara-toekarena sy ny fanetrena niainan' ny firenena resy tamin' ny Ady Lehibe Voalohany no nahatonga ireo firenena ireo hiala amin' ny SDN ary hanamafy ny tafiny hamaliana ny hitsaka.

Mpiady

[hanova |hanova ny fango]

Mpikambana ao amin' ny Aksisy

[hanova |hanova ny fango]

Ny firenena tao amin' ny Aksisy dia:

Mpanohitra ny Akisy

[hanova |hanova ny fango]

Ny firenena mpanohitra ny Aksisy dia:

Firaisana Sôvietika

[hanova |hanova ny fango]

Rehefa nanafika an' i Pôlônia nyFiraisana Sôvietika (FRSS) ny 17 Septambra 1929 araky ny fifanarahana ny tsy hifanafika alemàna-sôvietika, ny sehatra nisy azy, raha avy amin' ny fomba fijery pôlôney, dia mitovy amin' i Alemaina. Tsy nanambara ny hiady amin' iFrantsa na nyFanjakana Mitambatra kosa anefa izy io. Nahatonga an' i FRSS ho voaroaka an' i SDN izany fanafihana izany tamin' ny 1939. Nandritry ny fifanarahana ny tsy hifanafika, dia nanome hanina arysolitany an' ny Reich Alemàna ny Sôvietika izay nahafahan' ny Reich hanodina ny fanakanan' ny Mpiray Dina. Kômonista alemàna amam-polony ihany koa no naverin' ny FRSS amin' ny Reich.

Noho ny fanafihan' i Alemaina ny FRSS tamin' ny 22 Jiona 1941, diai lasa niaraka tamin' ny Mpiray Dina ny FRSS. Nahazo indrana amerikanina izy ho takalon' ny volamenan' ny Bankim-panjakan' ny FRSS. Tsy nanokatra sehatr' ady vaovao ny Amerikanina fa nanome fanampiana lehibe tamin' ny FRSS ny Mpiray Dina, fanampiana izay mandalo amin' ny Lalan-tsambo arktika.

Arak' i Raymon Cartier ary John Keegan nanome fiaramanidina miisa 1 825, tanky miisa 2 249, basy milina miisa 81 287, telefaonina fiadiana miisa 56 500 ary taribin-telefaonina mirefy 380 000 mily iraisam-pirenena avy tamin' i Etazonia ny FRSS tamin' ny Ôktôbra 1941 hatramin' ny Jona 1942. Tamin' ny 1943 dia nahazo kamiao 427 000 nyTafika Mena. Ankoatra izany dia nanome kiraro miisa 13 tapitrisa, sakafo milanja 5 tapitrisa taonina na loha-lamasinina miisa 2 000, fiaran-dalamby miisa 11 000 ary vin-dalamby milanja 54 000 taonina. Avy any Etazonia ny telo ampahaefatry nyvarahina sôvietika. Nanomesolitany ihany koa izy io hampanidina ny fiaramanidina.

Herin' ny mpiady amin' ny AL2 nandritry ny taona 1940-1945

[hanova |hanova ny fango]
Isan' ny miaramila[2]
Taona194019411942194319441945
Reich Fahatelo5 000 0007 200 0008 600 0009 500 0009 500 000
Japana1 723 0002 411 0002 829 4003 808 2005 365 0007 193 200
Fanjakana Mitambatra2 212 0003 278 0003 784 0004 300 0004 500 0004 653 000
Etazonia458 0001 795 0003 844 0008 918 00011 240 00011 858 000
FRSS500 0004 027 0009 000 00010 000 00012 400 00010 800 000
Frantsa[3]5 500 00025 00050 000100 000150 000550 000
Belzika[4]700 000--------100 000
Kanada92 296260 553454 418692 953747 475761 041

Famintinana ny asa ara-miaramila

[hanova |hanova ny fango]

Fahombiazan' ny herin' ny Aksisy

[hanova |hanova ny fango]

Efa nifanaraka tamin' ny fihatombohan' ny AL2 ny ankamaroan' ny tantarata Tandrefana. Izany daty izany dia ny 3 Septambra 1939 izay andro nanafihan' iAlemaina an' iPôlônia. Niady iFrantsa sy nyFanjakana Mitambatra araka ny fifanarahan' ny Fanjakana Mitambatra sy i Frantsa ary i Pôlônia.

Sehatr' ady atsinanana (1939-1940)

[hanova |hanova ny fango]

Ny sehatr'ady atsinanana tamin' ny taona 1939 sy 1940 dia niadian' i Alemaina sy FRSS amin' i Pôlônia.

Notafihan' ny Alemanina ny 1 Septambra 1939 tamin' ny 4 ora 45 i Pôlônia. Tamin' ny 17 Septambra 1939, araka ny fifanarahana miavina nataon' i Molotov sy i Ribbentrop (fifanarahana alemanina-sôvietika) dia manafika ny lafy atsinanan' i Pôlônia ny tafika sôvietika. Rakotra tanteraka ny tafika pôlôney.

Noho ny fandavan' iFinlandy hanakalo ny tany ao atsimotsimony hiarovana tsara kokoa ny tanànan' i Leningrad dia nanafika an' i Finlandy nyFiraisana Sôvietika tamin' ny 30 Nôvambra 1939. Nahery ny fanoheran' ny Finlandey ary betsaka ny olona sy fitaovana verin' ny Sôvietika, ary naharitra hatramin' ny 12 Marsa 1940 ny adin-dririnina. Nifarana tamin' ny fifanarahan' i Môskao izy io ny 12 Marsa 1940 ary nametraka fotoana voafetra tsy hisy ady intsony amin' ny firenena roa. Azon' ny Sôvietika ny andilan-tanin' i Carelia izay miaro ny fidirana ao Leningrad ary ny nosy maro ao amin' ny helodranon' i Finlandy. Araka ny fifanarahana alemanina-sôvietika foana dia nanafika ary nanjanakana nyfirenena baltika ny Firaisana Sôvietika.

Sehatr' ady andrefana (1940)

[hanova |hanova ny fango]
  • Tamin'ny 9 aprily: Nanafika an'iNorvezy syDanemark nyWehrmacht Alemanina. Nitolo-batana i Danemark taorian’ny ora vitsivitsy monja, Norvezy tamin’ny 10 Jona 1940.
  • Fanafihana nanomboka tamin'ny 10 May ka hatramin'ny 25 Jona 1940 nataon'iAlemaina tamin'iFrantsa sy ny tafika britanika tany, ary koa ny fanjakana Benelux eo anelanelany (Holandy,Belzika aryLoksemborga).


Tamin'ny 21 Jona, nanome baiko ny tafika italiana i Mussolini hanafika ny faritra atsimon'i Frantsa, ka nanomboka ny fanafihana tany Alpes mba hanamafisana ny toeran'ny fifampiraharahana.

Ny 17 jona dia nitolo-batana i Frantsa.

  • Ny fibodoana an'iEjipta nataon'iFanjakana Mitambatra, izay nanao paikady mahery vaika teo amin'ny sisintany niaraka tamin'ny zanatany Italiana an'iLibia. Tamin'ny 14 Jona dia nandroso ny tafika britanika ary nahafaka nyFort Capuzzo, ary nitarika ny fisamborana miaramila Italiana manodidina ny 220.
  • Tamin'ny 28 Oktobra, nanomboka ny fananiham-bohitra Italiana tsy niomana an'iGresy.

Sehatr' adin' i Balkana (1941)

[hanova |hanova ny fango]

Sehatr' adin' i Pasifika sy ny Atsinanana Indrindra (1941)

[hanova |hanova ny fango]

Te hamaly mafy ny fanitsahan' iFrantsa tamin' i Siam tamin' ny taona 1893 sy 1904 an' iTailandy ary lasa nanafika ny faritraIndôsina Frantsay ny tafika tailandey, izay nahatonga ny ady frantsay-tailandey. Tsy nisy ny tena naharesy, ary iJapana izay efa tao avaratr' iIndôsina no nandidy tamin' ny Septambra 1940, ary izay nanome ny singan' iLaôsy sy ampahan' iKambôdia. Tamin'ny 7 Desambra 1941, lasa nanafika an' iEtazonia ny Empiran' i Japana izay miara-miasa amin' iAlemaina nanomboka tamin' ny taona 1936 ary miady amin' ny Repoblikan' i Sina, izay tsy mbola niditra an' ady. Rava taoPearl Harbor  ny ankamaroan' ny hery an-dranomasin' i Etazonia tao amin' nyRanomasimbe Pasifika. Nandritra izany fotoana izany dia natomboka ny fanafihana an' iMalezia Britanika. Lasa nanafika ny Commonwealth an' i Filipina syIndia Atsinanana Nerlandey ny tafika imperialy japôney.

Fiovan-dehibe tamin' ny taona 1942

[hanova |hanova ny fango]

Nahatonga ny fidiran' iEtazonia an' ady ny fanafihana an' iPearl Harbor, fidirana an' ady izay narahan' iMeksika sy fanjakanaamerikanina latina hafa. Natokana ho an' ny ady avokoa ny hery indostrialin' i Etazonia ary vetivety taorian' ny fanafihana an' i Pearl Harbor dia afaka mamaly hitsaka hatrany. Nanomboka tamin' ny volana Jona 1942 dia very mpitondra fiaramanidina efatra ny Empiran' i Japana tamin' ny ady an-dranomasin' ny nosy Midway, izay voatery niaro tena eo amin' ny sehatr' ady tao Pasifika. Miady amin' ny Japôney eo amin' nyRanomasimbe Pasifika ny Amerikanina ary lasan' ny Amerikanina ny nosy tsirairay nanjakazakan' ny Japôney.

Fandresen' ny Mpiray Dina sy faharesen' ny Aksisy (1943-1945)

[hanova |hanova ny fango]

Toeram-piadiana

[hanova |hanova ny fango]

Eorôpa

[hanova |hanova ny fango]

Afrika

[hanova |hanova ny fango]

Azia

[hanova |hanova ny fango]

Fahafahana arak' adin' ny mpiady

[hanova |hanova ny fango]

Fitaovam-piadiana

[hanova |hanova ny fango]

Statistika

[hanova |hanova ny fango]

Eorôpa tamin' ny fanjakazakan' ny Nazi

[hanova |hanova ny fango]

Fanandevozana sy fanjakazakana ara-toekarena

[hanova |hanova ny fango]

Fiaraha-miasa sy fanoherana tao Eorôpa

[hanova |hanova ny fango]

Famonoana, fanaovana sesitany, fitanana am-ponja

[hanova |hanova ny fango]

Azia Atsinanana nanjakazakan' i Japana

[hanova |hanova ny fango]

Fonja sy fanandevozana

[hanova |hanova ny fango]

Vokany ara-tantara

[hanova |hanova ny fango]

Eorôpa

[hanova |hanova ny fango]

Herisetra sy heloka bevava an' ady

[hanova |hanova ny fango]

Fahasimbana ara-kolontsaina

[hanova |hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. https://mg.globalvoices.org/2019/11/20/144873/
  2. Philippe Masson, Une guerre totale, 1939-45, Taillandier,‎ 1993, tk 426
  3. Frantsa,Hery Frantsay Afaka aryTafi-panafahana Frantsay.
  4. Belzika1940 Forces armées belges.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ady_Lehibe_Faharoa&oldid=1120286"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp