Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Advento

Avy amin'i Wikipedia
Satroboninahitry ny Advento

NyAdvento naFiaviana, ao amin' nytetiandro litorjika kristiana, dia fotoana maharitra efatra herinandro mialoha nyNoely naKrismasy manomboka amin' ny androAlahady manodidina ny 30 Novambra. Fotoana fiomanana alohan' ny fankalazana nynahaterahan' i Jesoa Kristy izany. Fiangonana kristiana maro no mitandrina sy mankalaza ny Advento na ny Fiaviana amin' ny maha andro fiandrasana ny fankalazana ny nahaterahan' i Jesoa Kristy (dia nyNoely naKrismasy) sy nyfiaviany fanindroany ety an-tany azy.

Ny Advento no fanombohan' nytaom-piangonana tandrefana sady manomboka amin' ny Alahady fahefatra alohan' ny Noely na Krismasy, izay atao hoe Alahadin' ny Advento, dia ny Alahady manakaiky ny 30 Novambra (ao amin' nyKatôlika rômana, nyÔrtôdôksa tandrefana, nyAnglikana, nyLoterana, nyMôraviana, nyPresbiteriana, nyMetôdista). Raha maharitra efatra herinandro ny fotoam-piandrasana ho an' ny Fiangonana katôlika sy prôtestanta dia enina herinandro kosa ny fari-potoan' ny Advento ho an' ny Fiangonana ôrtôdôksa noho izy ireo mankalaza ny nahaterahan' i Jesoa amin' ny andron' nyEpifania.

Fotoana manetriketrika ny Advento izay anombohan' ny taom-piangonana. Tsy manao fanamasinam-panambadiana nyFiangonana katôlika mandritra io fari-potoan' ny Advento na Fiaviana io[1]. Ny volomparasy noloko litorjika ampiasain' ny Fiangonana katôlika sy ny ankabetsahan' ny Fiangonana prôtestanta, nefa ny Fiangonana anglikana sy ny Fiangonana loterana dia mampiasa ny loko manga.

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Nyteny latina hoeAdventus no nohagasina hoeAdvento, izay midika hoe "fiaviana" na "fahatongavana". Fotoana fanombohan' nytaom-piangonana ny Advento. Ny teny latina hoeAdventus dia nandikana nyteny grika hoeparousia izay ampiasaina hilazana nyFiavian' i Kristy Fanindroany.

Ny lohahevitra amin' ny Alahady efatra

[hanova |hanova ny fango]

Ny fotoan' ny Advento dia misy Alahady efatra amin' ny ankamaroan' ny fiangonana fa enina kosa izany ho an' nyFiangonana ôrtôdôksa. Ao amin' ireo Fiangonana manaraka ny fombam-pivavahana rômana izay ampiasaina indrindra ao amin' ny Eglizy katôlika dia samy manana ny lohahevitra voizina ny Alahady tsirairay.

Alahady voalohany

[hanova |hanova ny fango]
Ny Fitsarana farany, nataon'i Jean Cousin

Amin' ny Alahady voalohany dia miompana amin' ny fiavian' i Kristy fanindroany ny lohahevitra. Arehitra nylabozia voalohany amin' io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin' izany:

Alahady faharoa

[hanova |hanova ny fango]
Ny toritenin'i Joany Batista, nataon'i Pieter Bruegel der Ältere

Amin' ny Alahady faharoa dia mampahatsiahy ny toritenin' iJoany Batista (naJaona mpanao batisa), izay tonga "nanamboatra mialoha ny lalan' iIahveh (na Jehovah)", ny famakiana nyFilazantsara na ny Evanjely. Ny vakiteny hafa dia samy manana ny lohahevitra entiny avy koa. Arehitra ny labozia faharoa amin' io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin' izany:

  • Isaia 11.1-10; Salamo 71 (na 72); Rômana 15.4-9; Matio 3.1-12.
  • Isaia 40.1-11; Salamo 84 (na 85);2Petera (na 2Piera) 3.8-14; Marka 1.1-8.
  • Baroka 5.1-9; Salamo 125 (na 126);Filipiana 1.4-11; Lioka 3.1-6.

Alahady fahatelo

[hanova |hanova ny fango]

Amin' ny Alahady fahatelo dia mbola mikasika an' i Joany Batista ihany ny famakiana nyEvanjely, ireo vakiteny hafa dia momba ny fifaliana vokatry ny fiavian' ny Mpamonjy. Arehitra ny labozia fahatelo amin' io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin' izany:

  • Isaia (na Izaia) 35.1-6a, sy 10; Salamo 145.7-10 (na 146.7-10);Jakoba 5.7-10; Matio 11.2-11.
  • Isaia (na Izaia) 61.1-2a, sy 10-11; Lioka 1.46-50, sy 53-55; Tesalônisiana (na Tesalôniana) 5.16-24;Joany (na Jaona) 1.6-8, sy 19-28.
  • Zefania (na Sôfônia) 3.14-18a; Isaia (na Izaia) 12.2 sy 4-6; Filipiana 4.4-7; Lioka 3.10-18.

Alahady fahefatra

[hanova |hanova ny fango]
Ny nofin'i Josefa, nataon'i Gerard Seghers, taona 1625-1630.

Ny Alahady fahefatra dia ifantohana amin' ny zava-nitranga momba an' iMaria sy iJôsefa izay mitarika mivantana ho amin' nyfahaterahan' i Jesoa, ary ireo vakiteny hafa dia momba izany ihany koa. Arehitra ny labozia fahefatra amin' io andro io. Ireto ny vakiteny fanao amin' izany:

  • Isaia (na Izaia) 7.10-16; Salamo 23.1-6 (na 24.1-6). Rômana 1.1-7; Matio 1.18-24.
  • 2Samoela 7.1-5 sy 8b-12 ary 14-16; Salamo 88.4-5 sy 25-30 (89. 4-5 sy 25-30); Rômana 16.25-27;Lioka 1.26-38.
  • Mikà (na Mikea) 5.1-4a; Salamo 79.2-3 sy 15-16 ary 18-19 (na 80. 2-3 sy 15-16 ary 18-19);Hebreo (na Hebrio) 10.5-10; Lioka 1.39-45.

Ny labozia sy ny satroboninahitry ny Advento

[hanova |hanova ny fango]

Ny isa sy ny lokon' ny labozia

[hanova |hanova ny fango]
Satroboninahitry ny Advento sy labozia fanao any Kanada

Fanao amin' ny fiangonana toy ny anyAlemaina sy amin' ny faritra sasany aoEorôpa ny manantona ilay atao hoe "satroboninahitry ny Advento" na "satroboninahitry ny Fiaviana" izay anampiana labozia iray isan-kerinandro mandra-pahatongany ho efatra amin' ny andron' nyNoely (naKrismasy)[1]. Matetika dia miloko mena ireo labozia ireo nefa misy ny mampiasa loko hafa toy ny manga, ny mavokely, ny volomparasy sns.

AoSoeda dia jiro miloko fotsy no ampiasaina izay mariky ny fahadiovana ary ny satroboninahitra dia atokana ho an' ny fetin' iSankta Lucia (Mb. Losia) amin' ny 13 Desambra. AoKanada dia labozia volomparasy telo sy labozia mavokely iray no ampiasaina amin' ny satroboninahitry ny Advento ka ny mavokely tsy arehitra raha tsy amin' ny Alahady fahatelo sady manambara ny fifaliana amin' ny fahataperan' ny fiandrasana. AnyAotrisy kosa dia miloko volomparasy ny labozia izay mariky ny fivalozana[2].

NyFiangonana ôrtôdôksa dia mampiasa labozia miisa enina indraindray noho ny fotoam-pankalazany ny Fiaviana maharitra enina herinandro.

Ny hevitry ny satroboninahitra sy ny labozia

[hanova |hanova ny fango]

Ny satroboninahitry ny Fiaviana dia mampahatsiahy an' i Kristy Mpanjaka sy ilay satro-tsilo natao teo amin' ny lohany tamin' ny fotoana nampijaliana azy. Ny isan-tokantrano koa dia afaka manamboatra satroboninahitry ny Fiaviana izay apetraka eo ambony latabatra na ahantona eo amin' ny varavarana fidirana ho mariky ny fitsenana sy fandraisam-bahiny[3].

Marik' ireo dingana lehibe nanatanterahana ny Famonjena alohan' ny fiavian' nyMesia ny labozia: ny voalohany mariky ny famelan-keloka azon' iAdama syEva, ny faharoa mariky ny finoan' iAbrahama sy ny patriarka hafa izay nino ny fanomezana azy ireo ny Tany nampanantenaina (Kanaana), ny fahatelo mariky ny hafalian' iDavida izay hanan-taranaka tsy ho tapaka sady manambara ny fihavanany amin' Andriamanitra, ary ny fahefatra dia mariky ny fampianaran' ny mpaminany izay nanambara mialoha ny fanjakam-pahamarinana sy fiadanana. Ireo labozia efatra ireo dia mariky ny dingana lalovan' ny tantaran' ny olombelona: nyFamoronana sy nyFahatongavana ho nofo sy nyFanavotana tamin' ny fahotana ary nyFitsarana farany[4].

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano

[hanova |hanova ny fango]
  1. 12"Avent",Microsoft Encarta 2009. 1993-2008 Microsoft Corporation.
  2. "Traditions de l'Avent", Diocèse de Nanterre [tahiry]
  3. "Préparer une couronne de l'Avent",Tête à modeler [tahiry]
  4. "Božić u Hrvata"Archived Desambra 6, 2013 at theWayback Machine,Hrvatski Informativni Centar (tahiry)
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Advento&oldid=1049880"

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp