
NyAdimizana no vintana fahafito amin' nyfanandroana malagasy manara-bolana. NyAsombola no eo alohany ary nyAlakarabo no manaraka azy. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy[1]. Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely.
Avy amin' ny anaran'antokon-kintan' nyzodiaka amin' ny teny arabo hoe اميزان /Al-Mizan ("mizana") ny hoeAdimizana. Amin' ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoeAlimizana naAlimizà io teny io.
Manondro ny antokon-kintana atao amin' nyteny latina syanglisy hoeLibra na amin' nyteny frantsay hoeBalance io teny io. Amin' nyfiteny soahily dia atao hoeMizani io antokon-kintana io. Amin' nyteny maley dia atao hoeMizan naNeraca ihany koa izany.

Ny fotoana andalovan' nymasoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintanaMizana dia amin' ny 31 Oktobra hatramin' ny 22 Novambra. Ny fari-potoan' ny Mizana araka nyzôdiakan-kintana dia eo amin' ny 16 Oktobra hatramin' ny 15 Novambra. NyMizana ao amin' nyzôdiaka mikisaka dia eo amin' ny 22 Septambra hatramin' ny 22 Oktobra. Tsy mifanaraka amin' ireo nyfanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.
Ao amin' nyfanandroana malagasy dia vintana fahafito ny Adimizana ka ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy.Renivintana ny Adimizana. Mitrotro nyAlakarabo sy mibaby nyAsombola ny Adimizana. Ny Adimizana dia mifandratra amin' nyAlahamady sady mitanila sy miarina eo amin'nyAlohotsy sy nyAdaoro. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon' andro telo ny Adimizana, dia vava Adimizana (vavan' Adimizana) sy ny vonto Adimizana (na vonton' Adimizana) ary ny vody Adimizana (na vodin' Adimizana).
Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely an' izay ateraka aminy.
Ny zazalahy teraka vava Adimizana dia ho mpivarotra sy mpandranto. Ny zazavavy kosa dia atahorana ho maty kely na nefa mety ho tratra antitra sy hanan-karena.
Tononandro tsara ny vonto Adimizana ka ny zaza teraka eo dia ho mpanan-karena sy tsy maty vonoina.
Ny vodiy Adimizana dia tononandro tsara ka ny zaza teraka eo dia ho tratra antitra raha tsy maty kely.
Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adimizana ho volana fahafito amin' ny taona ao amin' nytetiandro malagasy (raha nyAlahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin'ny vava Adimizana ka miafara amin'ny vody Asombola ny volana Adimizana raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian'ny vody Asombola dia miafara amin'ny vava Adimizana ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian'io vava Adimizana io dia mifarana amin'ny vonto Adimizana ny volana izay misy 30 andro.
Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:
Evan' ny zôdiaka:
Antokon-kintan' ny zôdiaka:
Tetiandro