Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Ôrga

Avy amin'i Wikipedia
Ôrga

Nyôrga diazavamaneno mandeha amin' ny rivotra izay miavaka noho izy mamoakafeo amin' ny alalan' ny fantsom-peo (sahala amin' nysodina) tsofin' ny fitaovana mpitsoka rivotra, ary mamoaka feo amin' nyhaavo sylokom-peo maro tsy manam-paharoa ny fantsona tsirairay ao aminy. Ampanenoina amin' ny fampiasanaandalan-kitendry (na klavie) iray na maromaro ny ôrga, izay matetika ahitana andalan-kitendrin-tongotra koa.

Fantsom-peon' ôrga

Matetika dia vita amin' nymetaly (tsaman' nyfirapotsy sy nyfiramainty no matetika indrindra, fa misy koa nyfanitso sy nyvarahina) na amin' nyhazo (ôaka,hazokesika) ny fantsom-peo ao amin' ny ôrga, fa indraindray koa dia vita amin' ny akora hafa (fitaratra,volotsangana,taratasy matevina,plastika,bakoly). Satria mamoaka haavom-peo tokana ny fantsom-peo tsirairay ary satria ny fantsona rehetra dia voatsinjara anaty vondrona antsoina hoe andiam-pantsona, ka manana lokom-peo syhamafim-peo iraisana ny andiana tsirairay. Ny ankamaroan' ny ôrga dia misy andiam-pantsona izay samy manana ny haavony sy ny lokony ary ny hamafiny izay azon' ny mpitendry ampiasaina mitokana na miaraka, amin' ny alalan' ny fampiasana bokotra fibaikoana.

Fantsona mana-molotra

Misy karazany roa lehibe ny fantson' ôrga raha ny fomba fahazoana feo no heverina. Voalohany nyfantsona mana-molotra (tsy misy zavatra mipararetra afa-tsy ny rivotra ao anatiny, sahala amin' ny vavan' nykiririoka na ny an' nysodina). Mamoaka karazam-peo nomena anarana hoe "Sodina" (satria maneno toy ny sodina) sy "Diapazôna" (feo mampiavaka ny ôrga manokana, tsy maka tahaka feon-javamaneno hafa) ary "Lokanga" (satria maka tahaka ny feon' ny lokanga na ny an' ny andian-dokanga) ireo fatsona ireo.

Fantsona manan-dela, mamoaka ny karazam-peo atao hoe "Vox humana"

Faharoa nyfantsona manan-dela izay misy lela metaly (tsy maintsyvarahimavo) mipararetra toy ny an' nyangorodao na ny an' nyharmônia na ny zavamaneno maro hafa. Mamoaka karazam-peo nomena ny anarana hoe "Trompetra", "Klarinety", "Feon' Olombelona" ("Vox humana"), sns ireo fantsona ireo satria manakaiky ny feon' ireo zavamaneno ireo.

Manana andalan-kitendry iray na maromaro ho an' ny tanana (andalan-kitendrin-tanana) sy andalan-kitendry ho an' ny tongotra (andalan-kitendrin-tongotra) ny ôrga; baikoin' ny vodrom-bokotra fibaikoana manokana ny andalan-kitendry tsirairay. Mipetraka eo amin' ny tavan' ny ôrga ny andalan-kitendrin-tanana sy ny andalan-kitendrin-tongotra (eo ambany) ary ny bokotra fibaikoana.

Mitazona feo maharitra mandritra ny fotoana anindriana kitendry ny ôrga noho ny famatsian-drivotra tsy tapaka ao aminy, ka tsy toy nypianô sy ny zavamaneno sasany izay manatsahatra avy hatrany ny feony aorian' ny fanidriana ny kitendry. Mety tsy manana afa-tsy fantsom-peo roa ambin' ny folo na efatra amby roapolo ary laharan-kitendrin-tanana iray ny ôrga farany kely; fa mety manana fantsona maherin' ny 33 000 sy laharan-kitendrin-tanana hatramin' ny fito kosa ny ôrga lehibe indrindra.

Tavan' ôrga ahitana andalan-kitendrin-tanana fito sy andalan-kitendrin-tongotra iray

Apetraka any amin' ny trano fiangonana, any amin' nysinagôga, any amin' ny trano fampisehoana, any amin' nysekoly ary any amin' ny tranon' olon-tsotra ny ôrga. Ampiasaina amin' ny fampisehoanamozika klasika, mozika masina, mozika tsy ara-pivavahana arymozikam-bahoaka ity karazan-javamaneno ity. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20 dia nisy ôrga napetraka sy notendrena tao amin' ny trano fijerena fampisehoana mandritra ny fandefasanasarimihetsika tamin' ny vanim-potoana tsy mbola nampisy feo ny sarimihetsika.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ôrga&oldid=1094556"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp