
NyÔfita, izay antsoina koa hoeÔfiana, dia hetsikagnôstika kristiana noresahin' iHipôlito avy any Rôma (170–235) tamin' ny asasoratra very, atao hoeSyntagma ("fandaminana"). Amin' nyteny grika izy ireo dia atao hoe Ὀφιανοί /Ophianoi, avy amin' ny hoe ὄφις /ophis, izay midika hoe "bibilava".
Ankehitriny dia heverina fa ny fitantarana taty aoriana momba ny "Ôfita" nataon' i Pseodô-Tertoliano sy Filastrio ary iEpifaniôsy avy any Salamisy dia miankina amin' nySyntagma nosoratan' i Hipôlito izay very. Azo inoana tsy tena anarana sekta voatondro mazava io anarana io fa noforonin' i Hipôlito mba hanondroana amin' ny ankapobeny ireo noheveriny ho fiheverana manodidina ny bibilava na menerana ao amin' nyGenesisy na ny an' iMosesy. Ny hoe "Ôfita" no anarana nanondroan' nyheresiôlôga kristiana hatramin' iÔrigenesy izany hetsika izany izay manankina ny finoany amin' ny tantaran' nyfamoronana sy iEdena voalaza ao amin' nyBokin' ny Genesisy, miaraka amin' ny anjara asan-demony nomena nyDemiorga, nefa koa amin' ny anjara asa manokana sy tsara nomena ny menarana ao amin' ny Bokin' ny Genesisy, amin' ny maha fitaovana tsy fidiny ho an' nyfanambaràna.
Ankoatra ny loharano miankina mivantana amin' i Hipôlito (Pseodô-Tertoliano sy Filastrio ary Epifaniôsy), dia iÔrigenesy sy iKlemento avy any Aleksandria koa dia niresaka momba io vondrona io. Resahin' iIreneo ao amin' nyAdversus Haereses (1:30) koa ilay vondrona.