Sarin' iNelson Mandela nandatsa-bato tamin' ny fifidianana tamin' ny taona 1994. Sambany i Mandela no nandray anjara amin' ny fifidianana teo amin' ny fiainany. Ity sary ity dia nalaina tao amin' ny Ohlange School, any Inanda, anyDurban aoAfrika Atsimo.
Nydemôkrasia dia karazanafitondrana fanjakana ahitana rafitra ahafahan' nyvahoaka na ny solontenany manapa-kevitra momba ny fomba tokony hitondrana ny vondrom-bahoaka na ny firenena na ny fikambanam-pirenena misy azy. Avy amin' nyteny grika hoe δημοκρατία /dēmokratía, izay midika hoe "fanjakan' ny vahoaka" na "fitondram-bahoaka" ny teny hoedemôkrasia. Ny demôkrasia, tamin’ ny voalohany, dia rafitra pôlitika izay mamela ny vahoaka ho tompon' ny fahefana, izay mampiasa izany mivantana na amin' ny alalan' ny solontena voafidy. Izany dia mifototra amin' ny ainga fototra toy ny fandraisan' ny olom-pirenena anjara, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fitoviana eo anatrehan' ny lalàna, ary ny fanajana ny zo fototra.
Ny demôkrasia amin' ny alalan' ny solontena (mpitondra fanjakana) izay fidin' ny olom-pirenena, mba hanapa-kevitra mikasika nylalàna, no karazana demôkrasia mahazatra. Atao isaky ny taona vitsivitsy nyfifidianana ny solontena. Amin' izany fotoana izany dia izay mahazo vato be indrindra no mandresy ary lany hamita ny andraikitra ankinina aminy, mandra-pahatongan' ny fifidianana manaraka.
Ampahany manan-danja ao amin' nydemôkrasian-tsolontena nyantoko pôlitika. Mpikambana ao aminaantoko pôlitika na ao amina fikambanana iombonan' nympanao pôlitika mitovy hevitra momba ny zavatra tokony hatao ny mpanao pôlitika. Noho izany, eo amin' ny fifidianana dia olona iray fotsiny no fidin' ny olom-pirenena, fidin' ny antoko pôlitika misy azy koa. Manao fanamafisana ny demôkrasia matetika ny fanjakana iray mba hahamarin-toerana ny demôkrasia.
Ny demôkrasia, izay mampanjaka ny hevitra hoe "fitondrana vahoaka, sahanin' ny vahoaka ary ho an' ny vahoaka", ohatra dia lazaina fa "mivantana", rehefa omena andraikitra tokoa ny vahoaka amin' ny fanapahan-kevitra rehetra mifandraika amin' ny vondrom-bahoaka (ohatra, manao latsa-bato handany lalàna), na "misy solontena", rehefa manolotra an-kalalahana ny fahefana hitondra amin' ny olom-boafidy ny vahoaka. Sady heverina hosoatoavina, mamorona tanjona hotratrarina (fahafahan' ny rehetra tanterahina ao anatin' ny fandaminana iombonana), no sady teknikam-pitondram-panjakana ny demôkrasia izay miseho amin' ny môdely sy endrika maro samihafa.
NyMahafaly diavondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' iMadagasikara, eo anelanelan' ny onyMenarandra ao atsimo syOnilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' nylembalemba besokay syfasika izay mitondra io anaranaMahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manaosary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboaranaaloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja nyrazana sy ny mpanjaka maty. IBetioky sy iEjeda ary iAmpanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' nyfady amin' ny Mahafaly, toy nyAntandroy koa, ny mihinanasokatra (mahafaly:sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[1]. Mpiompyomby syosy syondry aryakoho amam-borona (anisan' izany nyvorontsiloza) ny Mahafaly. Mambolymangahazo syvoamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.
Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' iAfrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.
Ny anarana hoeMahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny onyMenarandra syOnilahy[2]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoeMahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[3]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[4].
Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar".Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar".Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.