Nytantaran'iEtazonia dia nanomboka rehefa tonga taoJamestown (tanàna ao Virginia) ny voanjo anglisy voalohany tamin' ny taona 1607, dia vitsy mponina nyKôntinenta Amerikana nandritra ny an' arivony taona maro, ary tsy nisy mponina afa-tsy nyAmerindiana. Ny faritra misy an’ iEtazonia ankehitriny dia nozanahin' ny firenena eorôpeana isan-karazany nanomboka tamin' ny taonjato faha-17 (iEspaina, nyFanjakana Mitambatra, iFrantsa (Frantsa Vaovao). Te hanafaka ny tenany tamin' iBritaina Lehibe sy hanangana fanjakana an' ny tenany manokana ny mponin' ny zanatany telo ambin' ny folo ka nanambara ny fahaleovantenany tamin' ny taona 1776. Taorian' ny ady ho an' ny fahaleovantena izay nahomby, dia namorona firenena vaovao izy ireo izay nantsoiny hoe "Etazonian' i Amerika" (anglisy:United States of America), nampitambatra ny fanjakana telo ambin' ny folo, dia iNew Hampshire, iMassachusetts, iConnecticut, iRhode Island, iNew York, iNew Jersey, iPennsylvania, iDelaware, iMaryland, i Virginia, iNorth Carolina, iSouth Carolina ary iGeorgia. Taorian' izay, nitombo ny tanim-pirenen' iEtazonia tamin' ny fampidirana fanjakana vaovao (ohatra, ny fividianana an' iLouisiana, ny ady nifanaovan' nyMeksikana sy ny Amerikana, ny fividianana an' iAlaska, sns) hizay nitohy atramin' ny taonjato faha-20.
Na dia nandalo ady an-trano tany am-piandohan' ny taompolo 1860 aza iEtazonia dia nandroso haingana noho ny fidiran' ny mpifindra monina eorôpeana tamin' ny taonjato faha-19. Tamin' ny faran' nyAdy Lehibe Voalohany dia i Etazonia no lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany, nihoatra ny firenena lehibe indrindra tanyEorôpa. Tsy niala tamin' io laharana io izy taorian' izay, ka lasa mpitarika ny "tontolo malalaka" taorian' nyAdy Lehibe Faharoa. Na izany aza, ny fahareseny tamin' ny fiafaran' nyady tany Vietnamy tamin' ny taona 1975 dia niteraka fanohintohinana ny fahatokisan-tenan' ny Amerikana, na dia nanampy ny fitazonana ny fanjakazakany teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ny toerana misy azy ny faharavan' nyVondrona Sôvietika tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1990.
NyMahafaly diavondrom-poko ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' iMadagasikara, eo anelanelan' ny onyMenarandra ao atsimo syOnilahy ao avaratra no fonenany nentim-paharazana, eo amin' nylembalemba besokay syfasika izay mitondra io anaranaMahafaly io ihany. Malaza amin' ny fahaizana manaosary sokitra ny Mahafaly ka isan' izany ny fanamboaranaaloalo izay entiny manaingo ny fasana sy manaja nyrazana sy ny mpanjaka maty. IBetioky sy iEjeda ary iAmpanihy no tanàna ngezangeza ao aminy. Anisan' nyfady amin' ny Mahafaly, toy nyAntandroy koa, ny mihinanasokatra (mahafaly:sokake). Tamin' ny taona 2013 dia tombanana ho 150 000 ny isan' ny Mahafaly[1]. Mpiompyomby syosy syondry aryakoho amam-borona (anisan' izany nyvorontsiloza) ny Mahafaly. Mambolymangahazo syvoamaina koa ny mponina amin' ny faritra mahafaly.
Heverina ho avy ao amin' ny faritra atsimo-atsinanan' iAfrika ny sasany amin' ny razamben' ny Mahafaly voalohany izay tonga teto amin ' ny Nosy tamin' ny taonjato faha-12. Nanjary malaza izy ireo noho ny fasana lehibe aoriny ho fanomezam-boninahitra ny lehibe sy ny mpanjaka maty.
Ny anarana hoeMahafaly dia nampiasain' ny Malagasy hafa sy ny vahiny hilazana ireo olona nipetraka amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara, voafaritry ny onyMenarandra syOnilahy[2]. Ny Mahafaly tenany anefa tsy mampiasa an' io teny io ary tsy milaza azy ireo ho foko tokana, fa aleony manonona ny tenany araka ny firazanana hafa na ara-jeôpôlitika; ny anarana hoeMahafaly dia tsy misy heviny ho an' ny olona avy amin' io faritra io fa mari-pamantarana napetraky ny avy any ivelany[3]. Ny ankamaroan' ny Mahafaly dia monina amin' ny moron' ny renirano sy ony mamakivaky faritra tena maina[4].
Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar".Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, p. 149.
↑Eggert, Karl (1981). "Who are the Mahafaly? Cultural and social misidentification in southwestern Madagascar".Omaly sy anio: Hier et aujourd'hui (PDF). Vol. 13–14. Antananarivo: Université de Madagascar, Département d'histoire, pp. 150–51.